Toko I. Soatanana - View Photo Gallery
1.1/ FAMARITANA ANKAPOBENY Soatanàna no anaran’ny Foiben-toerana misy ny fifohazana. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa antony maro izay nikotrehin’ny tantara no nampiharihary ny tsy fivadihan’Andriamanitra teo amin’ny Fanekena efa nataony. Ny zavatra maro mifamahofaho ao anatin’izany tantara izany ka nampisy ny atao hoe tantara no maneho fa Izy Andriamanitra no Tompon’ny tantara sady miasa ao anatin’izany tantara izany.
1.1.1/ NY TOERANA SY NY MPONINA A/ Ny toerana: Eto Madagasikara, ao amin’ny Faritany Fianarantsoa, 51 Kilaometatra miankandrefana somary mianatsimo kely no misy ny Firaisam-pokontany Soatanàna (taloha dia tao anatin’ny Firaisana Isorana no misy azy, fa ankehitriny noho ny fahabetsahan’ny mponina dia novàna ho Firaisam-pokontany. Fokontany 6 no miaraka aminy: Ampolatany (na koa Ampolotany na Ampelatany), Ambalalovana (na Ambalalalovana), Iandemoka (na Iandremoka), Iarinarivo, Soanjoandrano, Ambalamarina. Ao anatin’ny Fivondronan’i Fianarantsoa II, dia ao amin’ny Faritr’Isandra izay faritra tena Betsileo.
B/ Ny mponina: Azo lazaina ho isan’ny faritra be mponina indrindra amin’ireo tanàna manodidina azy i Soatanana ankehitriny. Izany fahamaroan’ny mponina izany dia nateraky ny asam-PIFOHAZANA avokoa. Ny mponina 6 000 ao anatin’ny Firaisam-pokontany dia 4 500 no monina ao Soatanàna avokoa. Malagasy avokoa ny mponina ao Soatanàna nefa na dia izany aza dia hita ao avokoa ny foko rehetra manerana an’i Madagasikara noho ny tantaran’ny Fifohazana.
1.1.2/ NY FIDIRAN’NY FILAZANTSARA TAO SOATANANA Toy ny faritra rehetra eto Madagasikara koa i Soatanàna izay nilomano tanteraka tao anatin’ny fanompoan-tsampy talohan’ny fidiran’ny fivavahana Kristianina. Làlana 3 no azo tondroina ho nahatongavan’izany fivavahana izany tany amin’iny faritra iny :
a) Ny Manamboninahitra - Efa noraisin’ny tany Imerina ny fivavahana notorian’ireo Misionera voalohany. Betsaka ireo miaramila manamboninahitra no babon’ny Filazantsara. Ny fanendrena azy ireny hipetraka tany Fianarantsoa no nampiely ny fivavahana Kristiana tany amin’ny manodidina rehetra tany. Nohon’ny fifangaroharoan’ny raharaham-panjakana (politika) sy ny raharaham-pivavahana vao mainka nanamora ny fihanaky ny Kristianisma. Ny manamboninahitra sy ny miaramila miaraka aminy dia sady mitondra fitaovam-piadiana no mivimbina ihany koa ny Filazantsara. Sady mpampandry tany no mpitory ny Filazantsara. Sady manitatra ny fanjakan’ny Mpanjaka no maneho koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tafiditra vokatr’izany ny fivavahana Kristiana.
b) Ny fanenjehana - Rehefa tonga ny fanenjehana tamin’ny andron-dRanavalona I (1828 – 1861) dia maro ireo Kristiana nijoro hatramin’ny farany ka namoy ny ainy ho maritiora. Tsy vitsy koa no nandositra avy any Antananarivo sy ny manodidina ka niparitaka mieli-patrana manerana an’i Madagasikara. Na dia nandositra tahak’izany aza izy ireny, tsy navelan’ny Fanahin’Andriamanitra ka notereny mba hijoro vavolombelon’i Jesoa Kristy, tao ny nanenina noho ny fandosirany ka nitory an-karihary, tao kosa ny nanao izany tamin’ny miafina ka rehefa nitsahatra ny fanenjehana dia mora tamin’izy ireo ny nanorina ny Fiangonana ka niha-fantatry ny Betsileo ny fivavahana Kristianina.
d) Ny Asa Misiona Ny fitoriana Filazantsara nataon’ireo Misionera dia nanamafy orina ny fijoroan’ny fivavahana Kristiana.
- Ny L.M.S ( London Missionary Society)
Fikambanana mpandefa Misionera avy any Angletera izay niorina tamin’ny taona 1795 no mpamakilay voalohany taty Madagasikara. Rehefa tonga teto M/kara izy ireo tamin’ny taona 1818 dia nidina nianatsimo taty Fianarantsoa tamin’ny taona 1870. Ny Misionera M. Richardson no iraka niasa tao sy teo amin’ny manodidina tamin’izany fotoana izany.** ** Ny faritany Fianarantsoa dia tena zanaky ny L.M.S izay lasa FJKM tamin’ny 1968. Ny tantaran’ny fidiran’ny Filazantsara tamin’iny faritra iny na tamin’ny alalan’ny Manamboninahitra na tamin’ny alalan’ny fanenjehana , indrindra fa tamin’ny alalan’ny Misiona L.M.S dia mampiseho fa avy amin’ny FJKM no nipoiran’ny Fifohazana voalohany. Vokatrin’ny fifanarahana teo amin’ny fizaram-paritany nataon’ny Misionera no nahatonga an’i Soatanàna ho sahan’ny Loterana.* Tamin’ny 1871 dia tonga taty Betsileo ny Misiona Katolika nefa tsy dia nahomby firy ny asany tamin’izany ary saiky niala maina mihitsy aza. Taty aorian’ny 1896 vao namirapiratra tany ny fivavahana Katolika vokatry ny fanenjehana ny fivavahana Protestanta (ho hitantsika aoriana kely ny tantaran’izany). Tafiditra teto Madagasikara ny Misiona Norveziana tamin’ny taona 1866, ka tamin’ny taona 1875 vao afaka nitsofoka tany Betsileo ary tamin’ny taona 1877 niditra tao Soatanàna. 1.1.3/ NY TOE-JAVATRA NITRANGA TAMIN’NY FOTOANAN’NY FIFOHAZANA Tsy nisaraka tamin’ny tantaran’ny Fiangonana ny andro mahory , kanefa tamin’ireny rehetra ireny no maneho ny heriny sy ny fahefan’Andriamanitra satria Andriamanitra miasa Izy. Zavatra 5 lehibe no nanahirana sy nandiso fanantenana ary nampamoifo ny olona mialoha sy tamin’ny vanim-potoana nipoiran’ny Fifohazana. Ireo ZAVATRA 5 LEHIBE IREO NO ANTONY NAMPISY NY FIFOHAZANA. Tsy izany akory no niteraka ny Fifohazana fa ny toe-javatra no mitaky ny Fifohazana.
1) Ny Fanjanahana nataon’ny Fanjakana Merina Ireo manamboninahitra sy ny miaramilany dia nanery ny vatan-dehilahy 10 taona no ho miakatra mba handoa hetra, vola ariary isan’olona no tsy maintsy naloan’ny tsirairay tamin’izany (tokony ho 7 arivo ariary izany raha amin’ny vola ankehitriny). Tsy nisy afa-niala tamin’izany afa tsy ny andevo sy ny miaramila ihany. Ny tsy nanan-kandoavana an’io hetra io dia namidy ny fananany. Nanampy an’izany koa ny FITIA TSY MBA HETRA, izay entina hanaovana ny asa sosialy kanefa, mbola nisy fanerena an-kolaka ihany ny famporisihana ny olona handray anjara amin’izany. Lany fananana ny olona sady tsy nanana fahafahana ary nahantra indrindra ka feno sento lava.
2) Ny Asan-dahalo Mitovy amin’ny habibiana ataon’ny dahalo ankehitriny ny zava-misy tamin’ny taona 1870. Halatr’omby, fambaboana fananana, famonoana olona, fandoroana tanàna, fakana ankeriny ny vehivavy, sns… Izay tanàna nandalovan’ny dahalo dia feno fatin-dehilahy miapatrapatra tamin’izany ary lasa haolo tanteraka. Ny tanàna sisa tsy voatafika tamin’izany dia niaina tao anatin’ny tahotra sy tebiteby mandrakariva. Malagasy samy Malagasy no nifampifahavalo sy mifamono. Mandry andriran’antsy ny faritr’i Betsileo indrindra fa ny faritra andrefana. Koa na andro na alina dia tsy nisy fiadanana fa horohoro lalandava. Tsy nisy hery hafa azo antenaina mba hanavotra izao andro mahory loatra izao.
3) Ny areti-mandringana Tsy ny fanjakana sy ny asan-dahalo ihany no naha very hevitra ny olona tamin’izany fotoana izany fa tao koa ny aretina izay tsy nahitam-panasitranana nandritry ny taona maro. Namely ny tazo mahery vokatry ny fisian’ny moka be loatra sy ny kirihitr’ala mbola natevina tamin’izany. Vokatry ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy nahatanty izany aretina izany ny olona ka toy ny fatim-balala no fijery azy ireo mitsitsitra eny ho eny. Nanjary niakaran’ny ferifery toy ny habokana ny olona sasany. Simba tanteraka ny tontolo iainana satria tamin’y toerana sasany indrindra teo anelanelan’ny taona 1893 ka hatramin’ny 1895 dia betsaka ny faty tsy voalevina intsony, ary maimbo koa ny fery eny amin’ny olona. Nanjaka ny fanendrikendrehana mosavy tamin’izany. Antsoantso-mpitarainana arahin-dranomaso no nipoitra tamin’ireo hany sisa velona : indrisy….indrisy…ringana izahay mianakavy !
4) Ny Katolika Anisan’ny toe-javatra niteraka ratra mafy tamin’ny Kristiana dia ny nafitsok’ireo pretra sasany nanararaotra ny fahazoan’ny Frantsay an’i Madagasikara ho zanatany (30 Sept. 1895p. Niezahan’izy ireo ny hamono tanteraka ny Fiangonana Protestanta noho ny tsy nahazoany toerana firy tamin’ny andron’ny Mpanjaka. Noheverina ho fivavaham-panjakana mihitsy ny protestanta tamin’izany faha-mpanjaka izany ka tsy afa-nipoitra mihitsy ny Katolika. Koa satria malaza ho Katolika ny maro an’isa any Frantsa dia niezaka nanao valifaty izy ireo mba hamongotra tanteraka ny protestantisma. Betsaka ny trano Fiangonana protestanta no nobodoina fotsiny izao. Ny Mpitandrina sasany vokatry ny tondro molotra fotsiny dia nogadraina sy novonoina koa ary nampangaina ho mpiray tetika tamin’ireo Menalamba mpikomy. Ny samy Kristiana indray no nifampifahavalo ka nanjakan’ny fankahalana feno…Ny fitsofohan’ny L.M.S an-tsehatra nifandray nivantana tamin’ny M.P.F (Mission Protestante Française na Société des Missions de Paris) izay nandefa misionera Frantsay no nampitony ny raharaha. 5) Ny Menalamba Raha vao lasa zanatanin’i Frantsa i Madagasikara dia nipoitra sahady ireo antokon’olona maromaro nanao ady anaty akata hanohitra ny mpanjanaka. Nalahelo fatratra tokoa ireo antokon’olona maromaro ka nanao velirano sy nilefona omby ho amin’ny dinam-pitiavan-tanidrazana. Zavatra 3 lehibe no nanehoany firaisan-kina tamin’izany : - Raha tsy terak’Andrianampoinimerina sy Ilaidama no manjaka amin’ity tany Madagasikara ity dia lavintsika ; - Raha ny fivavahana Kristiana no hatao dia lavintsika - Raha ny sivilizasiona frantsay no hatao eto dia lavintsika fa aleo maty manaraka Ombalahibemaso toy izay manompo ny Frantsay ka izay tsy mety manaraka izao fiarisan-kina ataontsika izao dia ny tenany no vonoina ho faty ary ny fananany ho baboina satria tsy tia ny tanindrazany(2). Nahazo vahana tanteraka ny fanompoan-tsampy. Niatrika fanenjehana indray ny Kristiana rehetra. Maty ny Misionera tao Arivonimamo Atoa W. JOHNSON 3 mianaka tamin’ny 22 Novambra 1895. Kristiana maro no nanara-dia azy ka lasa maritiora indray. Trano Fiangonana maro no may kilan’ny afo. Naely tamin’izany fotoana izany ny hoe : « Tetika nampiasan’ny Misionera ny fivavahana Kristiana mba hahavariana ny Malagasy sady lalàna nomanin’ny vazaha mba hahazoana maka an-keriny an’i Madagasikara ho zanataniny ». Tena nandaitra tokoa izany tsaho izany ka tsy vitsy ny Kristiana voarebireby ary miray tsikombakomba tamin’ireo Menalamba nivadika ho fahavalon’ny Kristianisma indray. Raho mainty mitatao sy aizina mikitroka no indro manarona ity firenena mahantra ity sady nanamparan’ny satana ny heriny sy ny fahefany. Ilay fandravana no nanaram-po tanteraka ka nampijaly, namono, nandringana, nampisaraka, nandranitra fankahalana saika manerana ny Nosy manontolo. Toa tsy misy fanantenana intsony fa nilentika tamim-pitarainana tsy nahazoam-baliny ny maro. Izany toe-javatra sy toetr’andro izany no nanehoan’Andriamanitra ny heriny ka namohazana lehilahy malagasy iray hampaherezana an’i Madagasikara. Toko II. Dada Rainisoalambo - View Photo Gallery
1.2. AMBATORENY Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy (Mpit. 3/1) Ny fotoanan’Andriamanitra anefa no miafina amin’olombelona, satria samihafa ny fiheveran’Andriamanitra y ny fiheveran-dRaolombelona (Isaia 55/8). Misy vanim-potoana toa mangina tanteraka Andriamanitra ary amin’ireny indrindra no misy manazimbazimba sy manao vava-manakatra ny lanitra ((cf.Salamo 73). Matetika amin’ny fotoana maha-lany aiky ny olona ka tsy ahitana mangirana intsony satria tapi-dalan-kaleha no indro mitsofoka Andriamanitra. Miharihary amin’izany fomba fiasan’Andriamanitra izany ny maha-Tompon’ny teny farany Azy. Tsy mifarana tamin’ny ZOMA MASINA tsy akory ny tantaran’i Jesoa Kristy Tompo fa mbola misy ny marainan’ny Alahady… Efa nanaovan’Andriamanitra Fanekena tamin’ny alalan’ny fanirahana ny MISIONERA ity Madagasikara ity…Efa nisy olona namoy ny ainy ho maritiora noho ny fitiavana an’i Kristy , ka tsy hafoin’Izy Tompo na hoviana na hoviana mihitsy. Na dia nanarona ny tany aza ny aizim-pito, Andriamanitra dia mbola namela SISA. Ny vavaka mangina, ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba ataon’Andriamanitra tsinotsinona (cf . Sal 51/17). Ao anatin’ny ranomaso sy sento lava noho ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena (cf. Ezek. 9/14-11), misy sisa ONENA (mahatsiaro maharary). Kanefa kosa mbola mifaly amin’ny fanantenana… Dia hoy Jehovah « Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko…efa reko ny fitarainany…fantatro ny alahelony dia efa nidina Aho izao hamonjy… » (Eks. 3/7-8)
Andriamanitra anefa tsy miasa irery fa miantso sy mifidy olona mba hataony fiasam-pamonjena hitondra ilay DIDY VAOVAO ho an’i Madagasikara manontolo. Tao Ambatoreny andrefan’i Soatanana no misy tanàna kely atao hoe : Ambalavato no nonenan’Ingahy Rainisoalambo. Tao amin’io tanàna io miendri-dohasaha ambany andrefana somary mianatsimo kelin’Ambatoreny io no niandohan’izany tantara izany.
1.2.1 RAINISOALAMBO MPANOMPO SAMPY Marambasia (na olona madio tànana na koa olona voatokana mahazo mifampikasokasoka amin’ny andriana) sy mpanompo sampy nitokian’ny andriana ho mpitaiza (=mikarakara sy mitsabo) ny zanany, ny raiaman-drenin-dRainisoalambo. Noho izany dia nobeazina niaraka tamin’ny zanak’andriana koa Rainisoalambo. Nandimby an-drainy tamin’izany andraikitra izany izy rehefa lehibe. Nankamamy ody sady nanana ody maro nataony ho fiarovan-tena izy. Lehilahy manan-tsaina sady nikoizana teo amin’ny fahaizana adi-kabary (don-tany, kapo-tandroka : kabary feno fandripandrika). Matetika izy no nirahin’andriana mba ho mpitondra ny teniny. Noho ny lazany dia maro ny olona tonga niangavy azy mba ho mpamaly kabary. Noho ny fahaizany dia noraisin’ny olona ho toy ny mpisolo vava izy teo amin’ny raharaha sarotra rehetra ; tamin’ny toerana rehetra nalehany dia saika nitampim-bava avokoa ny mpifanandrina kabary taminy sy niaiky azy ny mpihaino ary resy lahatra ny andriana. Lehilahy tsy mba nety afa-po tamin’ny toerana nisy azy izy ka nony efa zokinjokiny dia tsy nanao intsony ny asan’ny marambasia fa nitady làlana indray hahazoam-bola amin’ny fambolena vary. Toerana mahavokatra rahateo ny faritra nisy ny fonenany ka nihevitra izy fa ho vetivety foana dia hanan-karena. Teo ampanatanterahana izany fambolena izany dia notandremana fatratra ny andro fady atalata sy alakamisy.
Nafafy teny an-tanim-bary ny fanafody fiarovana amin’ny havandra. Nantsoina ny razana hitahy ny asa mba hahazoana vokatra betsaka.Taranaka mpilalao ody mahery sy mpanao sikidy rahateo izy. Lalim-paka tsy azo ozongozonina ny finoan’ny olona ny sikidy tamin’izany fotoana izany ary miainga avy aminy avokoa ny zavatra rehetra atao. Ny sikidy no fototry ny fihetsehana rehetra. Raha misy zavatra mampanahy ny olona dia manatona an’i Rainisoalambo izy ireo mba hila hevitra, ohatra : mpanonofy ratsy. Noho izany raha mampanao zavatara izy, na dia sarotra aza dia tsy maintsy ataony ihany. Ohatra: milaza ny sikidy hoe : mpamosavy dadanao, ialao ny vadinao fa manao ody ratsy, ialao ny tanimbolinao fa misy tsiny. Mitondrà omby fa raha tsy manao izany dia maty ianao sns...Dia rafitra manantanteraka miaraka amin’izay ilay olona manatona azy na dia sarotra sy manahirana aza. Hamorona tanimboly ve? sa hanori-trano, sa hampakabady, sa handeha lavitra sns...Ireo rehetra ireo dia anontaniana sikidin’i Rainisoalambo avokoa hoe: mahasoa sa tsy mahasoa ? Mety sa tsy mety? Koa izay voalazany dia tsy maintsy ekena na sarotra na mora.
Amin’ireo ody maro nananan’i Rainisoalambo dia ireto no manana ny maha-izy azy manokana: - odi-tolaka: atolaka, atosika, hozonina. Asiana ody ilay olona tiana ho faty ka ozonina amin’ny alalan’izany ody izany mba ho faty hohanin’ny voay na ho faty any anaty rano sns… - odi-vorika: ody mosavy na fanefitra mosavy. Rehefa misy olona nahiana nahiana ho nahazo mosavy dia omena odi-vorika dia sitrana soamantsara. - odi-andro: fanalana vitan-dratsy: fanadiovana olona sendra nanota fady ka tsy nahatandrina ny andro fady (atalata sy alakamisy). Omena odi-andro ilay nanota fady mba tsy hiharan-doza. Nandritra ny taona maro no nilalaovan’i Rainisoalambo ireo ody ireo. Na dia betsaka aza ny olona nanatona sy nanome vola azy dia tsy nahitany fanambinana akory izany. Ny hetaheta te-hisondro-piainana no nahatonga azy hanaraka indray ny fivavahana kristiana.
1.2.2. RAINISOALAMBO KRISTIANA SADASADA Efa nahenika ny faritr’i Betsileo ny fivavahana Kristiana. Niorina ny fiangonana vokatry ny asan’ny L.M.S. Miavaka tanteraka ny kristiana sy ny mpanompo sampy; samihafa ny fomba amam-panaony. Hita soritra eo amin’ny kristiana ny fandrosoana. Ny tokantranony sy fitafiany dia ahitana taratra ny fisondrotan’ny fari-piainany. Ireo misionera ireo koa mihoatra lavitra noho ny andriana. Nitsiriritra fatratra ireo i Rainisoalambo. Nifanojo indrindra tamin’ny hetahetany ny famporisihan’ny olona azy hiova ho kristiana. Niaky ny talenta nananany ny manodidina azy ka nanoro hevitra azy mba hanaiky hatao batisa sy hirotsaka ho mpitondra fivavahana (Katekista = Solom-pitandrina). Nanaiky amim-pifaliana tokoa izy satria nanantena hahazo vola be amin’ny misionera. Noho ny fahaizany dia moramora taminy ny nanatanteraka izany ka tonga katekista tokoa izy. Indrisy anefa, fivavahana! eny, nefa tsy ilay tena fivavahana na fitiavana an’Andriamanitra Fanahy Izay tsy maintsy hivavahana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, fa nivavaka kosa tamin’ny fomba ivelany hita maso fotsiny. Nandà ny herin’ny Filazantsara sy ny rà soan’i Jesoa Tompo ho mahavotra amin’ny ota. Ny maha-kristiana salorana eny ivelany ihany fa ny fombany sy odiny ary sikidiny kosa mbola miafina ao anatin’izany anarana katekista izany. Marina loatra amin’ny tenin’ny Soaratra Masina hoe : « manajà Ahy amin’ny molony fa ny fony kosa lavitra ahy » (Matio 15/8). Diso fanantenana tanteraka tokoa i Rainisoalambo satria tsy nisy ilay vola karama. Tsy hitany ilay voalazan’i Paoly Apostoly hoe: « Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika ». (I Kor. 15/19). Feno korontantsaina tanteraka izy. Ny zavatra natao tsy nisy vanona. Nanampy trotraka ny fahavoazany ny vesatry ny hetra sy fandroban’ny dahalo ary ny aretina. Tao anatin’izany fahantrana izany indrindra no namely mafy azy koa ny aretina. Narary mafy izy ka tsy nahavita niasa intsony fa nandamaka irery tao am-pandriana. Feno fery ny tenany manontolo. Namely azy koa ny tazo mahery. Maharary azy ny faritra rehetra amin’ny tenany. Tahaka ny nokapohina tamin’ny « marteau » ny lohany. Na dia izany aza dia mbola tsy very fanantenana izy. Notohaviny ny odiny, nohamasininy ny sampy, nalahatra ny sikidy mba hijerena ny fototr’aretina. Nantsoina ny zanahary ambony sy ny zanahary ambany. Nangatahina ny fanampian’ny razana. Natao ny ala-dika volohazo (= ala-faditra mba tsy hiharan’ny fahafatesana). Nalàna ny tsiny (= karazam-panahin’olona maty efa elabe izay tena masiaka ka ampiasain’olona ho enti-mamosavy, mamono olona, mamparary, sns...). Ireny rehetra ireny anefa dia tsy nahitam-bokatra na dia kely akory aza fa vao mainka nihamafy ny aretiny ary nitombo ny fahantrany. Lasa tsy vanonko olona sy maimbo noho ny vay ratsy feno ny tenany izy. Niala tsy niraharaha azy koa ny havany. Tsy naharin-tena intsony izy. Feno fisalasalana, nanjakan’ny tahotra sy tebiteby, very hevitra, namoy fo ary miandry fahafatesana izay làlana tsy maintsy hizorana no hany sisa natao.
1.2.3 RAINISOALAMBO NIOVA FO Ao anatin’izao raho-mainty mitatao izao, injany misy feo malefaka arahim-pitarainana toa miendri-bavaka manao hoe : « Dia ny manao akory soasoa, Andriamanitra ô ! » izany hoe : Inona loatra re no anton’izao loza mahazo ahy izao Andriamanitra ô ? » Mba afaho re izao, andriamanitra ô ». Tsy ilay Andriamanitra nahazatra azy ka nantsoiny miaraka amin’ny razana. Tsy ilay andriamanitra andriananahary. Tsy ilay andriamanitra zanahary efa ninoan’ny razany hatramin’izay. Fa Andrimanitra ao amin’ny Kristy Jesoa. Andriamanitra nitoriny nefa tsy fantany no nitodihany indray ka nantsoiny eto. Toa zavatra tongatonga ho azy tao am-bavany izany. Mahagaga ny asan’Andriamanitra be fitiavana «Ny fanahy no mamonjy ny fahalementsika, fa tsy fantantsika izay vavaka tokony hataontsika, fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina » (Rom. 8/26). « Hataoko ahoana re ny fahafoy anao ry Efraima.» (Hosea 11/8) Fahagagana no niseho tamin’iny alina iny nanaovany vavaka iny. Nahita torimaso tsara izy. Nanonofy izy nahita olona nitafy lamba fotsy madio mangatsakatsaka nitsangana teo anoloany, nijery sady onena azy. Mampahatsiaro ny fomba nataon’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanakarena : «Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy » (Marka 10/21). Dia nandidy azy mba hiala amin’ny odiny Ilay olona niseho taminy tamin’ny alalan’ny nofy ka nanao hoe: Ario daholo ireo ody sy sikidy rehetra ireo ». Rehefa nifoha izy dia nahatsiaro sahady fa afaka niarina nibaiko azy tamin’ny alàlan’ny nofy. Tsy tahaka ny mahazatra azy andavan’andro ny fiainany fa nahatsiaro fiadanana sahady ny saina amam-panahiny. Izany tokoa ny toerana andalovan’ny Mpamonjy. Tapaka tanteraka ny heviny hamory ny herim-batana rehetra naka ny sikidy sy ireo harona feno ody mba hariana any anaty lavaka fivoahana (WC). Ilay ody sy sampy ary sikidy nitokiana sy nohajaina fatratra ary noheverina fa andriamanitra no indro nariana any amin’ny maloto indrindra. Ilay nataony ho fiainana hatramin’izay no nafoy any amin’ny maimbo sy feno olitra. Tsy mba nisy fanahiana na fiheverana izay ho vokatr’izao fahapahan-kevitra hentitra izao fa noraofina avokoa ny forongon-tsampy rehetra ka natao veloma mandrakizay. « Fifaliana, fahasambarana no nameno ahy izay tsy mbola hitako teo amin’ny fiainako eny na dia tamin’ny fotoana izay nampilamina ahy indrindra tao anaty lapan’andriana teo anatrehan’ny raiamandreniko aza ». Fifalian’ny olom-boavotra nafahana tamin’ny enta-mavesatry ny fahotana. Famonjena tolo-botsotra no nomen’i Jesoa azy. Fanasitranana ny tenany amam-panahy manontolo. Tanteraka ara-bakiteny teo aminy ny teny nampitondraina an’Isaia mpaminany hoe: «. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahotantsika. » (Isaia 53/4). Niverina tanteraka ny heriny, natanjaka ny sainy, nahery ny fanahy, velona ny fanantenany. Nanjary maminy loatra ny famakiana sy fandalinana ny Soratra Masina. Nahatsiaro sambatra izy noho ny fahaizany vakiteny satria ny famakiana ny Filazantsara dia nahitany mivantana an’i Tompo Jesoa. Matetika feno sento sy latsa-dranomaso izy, raha sendra mamaky ny an-dàlana sasany milaza ny fitiavan’Andriamanitra. Nahatsiaro ho lany fotoana tamin’ny zava-poana sy tsy misy antony izy ka niezaka nanohitra izany. Mitokana mivavaka, misaotra ny Tompo noho ny famonjeny ary mangataka Aminy. Tsy mba novakiny fotsiny ny Soratra Masina fa nohenoiny koa ; izany hoe : hitany fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka miteny mivantana aminy. « Raha misy olona ao amin’ny Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha, indro efa tonga vaovao ireo ». (II Kor. 5/17). Indro, Rainisoalambo vaovao zanak’Andriamanitra mitoetra ao amin’i Jesoa sady itoeran’ny Fanahiny no mandohalika miresaka tsy an-kijanona amin’Izy Tompo ary manao voady fa hisotro ny aleoko maty hitory ny Filazantsara.
1.2.4. RAINISOALAMBO MPIANATRY NY TOMPO Tahaka ny mpianatr’i Jesoa izay manaraka ombieny ombieny ny mpampianatra azy i Rainisoalambo nazoto sy naharitra amin’ny famakiana ny Soratra Masina. Tsy mba nibaikoin’ny fihetseham-po fa noraisiny ho fiainana ny tenin’i Jesoa. Mpianatra manara-dia an’i Kristy izy eo amin’ny Soratra Masina vakiny ka variana sy zendana toa mahita zava-baovao isan’andro. Mpianatra tena resy lahatra tahaka an’i Petera sy Jaona taorian’ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty ka vonona hamindra iana ho an’ny mpiara-belona aminy. Amin’ny fo tsotra no nandraisany ny hevitry ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly. Ohatra «Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra» (Matio 28/19). «Efa nahazo maimaim-poana hianareo koa manomeza maimaim-poana » (Matio 18/18). Noraisiny ho valin’izany ny tenin’i Paoly Apostoly hoe: «Lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho» (I Kor. 9/16). Avy hatrany dia tsy nangatak’andro fa natombony tao amin’ny fianakaviany ny asa fitoriana ny Filazantsara ary nitatra teo amin’ny manodidina azy. Araka ny efa voambara tany aloha, mbola namely mafy ny aretina. Olona ferena sady resin’ny tazo mahery no manodidina azy. Saika isan’andro misy mitomany faty foana ao an-tanàna. Tao anatin’izany fahorian’ny vahoaka izany indrindra no nijoroany ho vavolombelona ny amin’ny asa mahagaga nataon’ny Tompo taminy. Nantsoiny ny olona mba haka tahaka ny nataony ka hanary ny ody sy ny sampy rehetra. Nantsoiny koa ho amin’ny fibebahana mba hitodika amin’Andrimanitra velona ka handray fanasitranana avy amin’i Jesoa Mpamonjy. Lehilahy be herim-po sy be fitiavana izy ka niantsoantso isam-baravarana fa tsy menatra satria fantany izay inoany (cf. II Timoty 1/12) «Ario…poteho…foano…ny ody rehetra eo aminareo fa te-hanasitrana anareo ny Tompo Jesoa». Nanao izany isan’andro izy. Niresaka ombieny ombieny tamin’ny havany rehetra. Tamin’ny alàlan’ny dinidinika (tahaka ny nataon’i Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4/7-18) tao amin’ny fatsakana tao Sykara) no nentiny nandresy lahatra ny isam-batan’olona. Tamin’ny alalan’ny fitondrana amim-mbavaka ny olona noresahany no namaranany ny dinika rehetra.
Zava-dehibe tamin’ny fananarana rehetra nataony dia ny fanentanana ny olona hiankina tanteraka amin’Andriamanitra irery ihany. Betsaka ny olona resy lahatra ka nibebaka sy nanolo-tena ary nanary ny sampiny. Notanterahin’i Rainisoalambo ara-bakiteny ny tenin’i Jesoa hoe : «Hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny» (Marka 16/18). Tamin’ny alalan’ny fampibebahana sy vavaka ary fametrahan-tanana no nanehoany ny voninahitr’Andrimanitra ka betsaka ny olona nadray fanasitranana feno tamin’izany.
Ireto no voaloham-bokatra tamin’izany, izay lasa-mpanampy akaiky an’i Rainisoalambo taty aoriana sady nomena koa ny anarana hoe : «Mpianatry ny Tompo».
1) RAJEREMIA: Narary mafy feno vay ny tenany manontolo, raha nibebaka dia sitrana 2) RAINITIARAY: Narary nandritra ny 16 volana, nandray ny Filazantsara nanary ny odiny sy ny sikidiny dia sitrana 3) RAZANABELO: Narary nandritra ny 4 taona, nibebaka dia sitrana 4) RAMONGO: Narary sivy volana, nanolo-tena ho an’i Jesoa dia sitrana 5) RASOARIMANGA: Narary sady nitaraina vokatry ny fangirifirina nandritra ny 11 volana, nandray an’i Jesoa dia sitrana. 6) RATAHIANA: Narary voan’ny tazo isan’andro ary feno fanaintainana ny tenany manontolo. Sitrana vokatry ny tonom-bavaka natao ho azy. 7) RAINIESITERA: Narary noho ny tazo mahery ka rehefa nibebaka dia sitrana. 8) RALOHOTSY: Narary nandritra ny 5 taona, nametraka tanteraka ny fanantenany ao amin’i Jesoa dia sitrana 9) RASAMY: Narary tapaka lalan-dra (malemy) nanaiky an’i Jesoa ho mpamonjy azy dia sitrana tanteraka ary nahavita indray ny asa-amandraharahany 10) RAMANJATOELA: Narary tsy afaka niarina intsony ary miandry fahafatesana no sisa natao ka rehefa nibebaka dia sitrana. 11) RAZANAMANGA: Narary voan’ny tazo, feno vay, manaintaina ny tenany manontolo, nivoady hanaraka an’i Jesoa dia sitrana. 12) RASOAMBOLA: Narary mafy noho ny tazo ka nitady vonjy tamin’i Jesoa dia sitrana.
Tsy mba nihataka tamin’i Rainisoalambo ireo Mpianatry ny Tompo ireo. Koa satria betsaka ny nandray an’i Jesoa dia niara-nihevitra tamin’i Rainisoalambo ireo 12 mianadahy ireo ny amin’izay lalan-kizorana hitondrana sy handaminana ary andrindrana ny fiainam-baovao noraisiny tamin’i Jesoa izao. Nafana fo tokoa ireto mpianatry ny Tompo ireto ka vonona sahady hitory ny Filazantsara kanefa hoy ny Soratra Masina : «Mitoera eto an-tanàna mandrapanafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo» (Lioka 24/49)
1.2.5. RAINISOALAMBO SY NY ASAM-PIFOHAZANA Nisy fandaminana tsy maintsy hatao. Efa resy lahatra sahady izy fa tsy maintsy ilaina ny fitsipika satria «Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana fa tompon’ny fiadanana» (I Kor. 14/33). Ny zavatra milamina no ankasitrahan’Andrimanitra . Ny korontana dia avy amin’ny devoly sady mpanakorontana na nampisaraka rahateo ny anarany. Ny fitsipika dia natao mba hampiray aina ny mpianatry ny Tompo rehetra.
A. ALAHADY 9 JONA 1895 Nantsoin’i Rainisoalambo mbo hivory ao an-tranony izy 12 mianadahy voalaza teo aloha. Natomboka tamin’ny alalan’ny vavaka ny dinika. Novakiana ny tenin’ny Soratra Masina. Taorian’izany dia nivavaka i Rainisoalambo, nisaotra an’Andriamanitra, noho ny fahagagana nataony tamin’ny fanasitranana azy ireo sy ny famonjeny ary ny halehiben’ny fitiavany. Nangataka tamin’i Jesoa mba hanampy azy hanao izao asa fitoriana ny Filazantsara izao. Izy rehetra manatrika dia niombom-panahy tamin’ny alalan’izany vavaka izany, feno sento, nangorakoraka, nahatsiaro fiadanana sy fifaliana satria misy hery vaovao indray ao anaty. Dia nihorohoro ny trano nisy feo niteny mivantana tamin’izy ireo hoe : «Hianareo no hitory Fibebahana amin’ny oloko fa hamonjy ny oloko aho». Ary feno ny Fanahy Masina izy ireo ka nifanaiky hiombom-piainana. Nifanarahany koa fa hamboarina ny fiaraha-monina. Ireto no fanekena nifanaovany tamin’izany : 1) Mianatra vakiteny sy marika 2) Maotina sy mendrika ary tsotra 3) Madio 4) Miasa 5) Mivavaka (mialoha ny zavatra rehetra)
Ny ampitson’iny ihany dia nanomboka nampianatra azy 12 mianadahy i Rainisoalambo niampy Solompitandrina tonga isaky ny Alatsinainy sy Alakamisy ary Mpitandrina izay tonga tsy indraindray nitondra fitaovana ho azy. Natao ny asam-piraisana: ny lehilahy miasa tany, ny vehivavy mandrary. Isaky ny tonga tao an-trano dia mandany ny androny tamin’ny fandinihana ny Soratra Masina sy resaka ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra ary vavaka sy hira izy ireo. Nanokana fotoana koa izy ireo mba hanaovana Tafika Masina teo amin’ny tanàna manodidina azy. Nohamafisina tamin’ny fampinarana rehetra izay natao ny amin’ny Fitiavana sy ny fifankatiavana. Lasa HAFATRA LEHIBE sady Fanevan’ny Fifohazana ny DIDY VAOVAO (Jaona 13/34-35). Zavatra 10 loha no nanankinana ny fampianarana : - ny fibebahana : Mat. 4/16-17 - ny Fivavahana : Lioka 21/34-36 - ny finoana : Jaona 14/12-17 - ny faharetana : Lioka 21/19 - ny fanetretena : Mat. 18/1-4 - ny firaisana : Jaona 17/21-23 - ny fahamasinana : I Petera 1/13-16 - ny fitiavana (didy vaovao) : Jaona 13/35-35 - ny fitsarana : Matio 25/31-46 - ny fanantenana : I Timoty 3/1-17
B. NY FOMBA AMAM-PANAO ANDAVAN’ANDRO Ankoatran’ny fiteny mihaja izay tsy maintsy tandrovin’ny Fifohazana dia nomena fampianarana momban’ny zavatra maro hafa koa ny mpianatry ny Tompo. 1. FITAFIANA Manana ny fomba fitafiny manokana izay saika itovizan’izy rehetra ny Fifohazana, dia ny akanjo fotsy atao didy mananjara, toy irony akanjo atao ambony tohi-tena lava-manasa-dranjo, mivaky anoloana, mitapaka mifanitsy amin’ny tratra sady misy kentrona : (---) antoka fa manana anjara any amin’ny fiainana mandrakizay, ka dia natao hoe : « didy mananjara » ny fitafiana. Tsy maintsy fotsy mba ho mariky ny fahadiovana sady taratry ny fahamasinan’ny fanahy. Taratry ny fahazavana ny loko fotsy, noho izy nifanohitra amin’ny mainty izay endriky ny fahamaizinana. Koa ny Fifohazana dia tsy maintsy mitondra fahazavana ho an’izao tontolo izao. Ny fanaovana izany akanjo fotsy izany dia fomba iray iavahana amin’ny jentilisa. Satria taizan’andriana i Rainisoalambo, mariky ny fahamboniana ny fanaovana akanjo didy mananjara fotsy. Tamin’izany fotoana izany, ny olona ambony sy manankarena no afaka mitondra fitafiana didy mananjara fotsy sy mitafy lamba koa. Fomba anankiray itaizana ny Fifohazana ho amin’ny fitandroana ny fahadiovana. Ny lamba fotsy noho izy mora andairan-doto dia mampitandrina ny Fifohazana mba hanao ho zava-dehibe ny fahadiovana. Tsy ny fo ihany no ilaina ho madio fa ny tena manontolo. Ny fomba fitafy avy aty ivelany dia mety manambara koa ny ao am-po tsy miloaka.
2. NY TAOVOLO Ny vehivavy dia manao tananivoho. Ny tananivoho dia bango volo fanao teto Imerina. Toy izao izany : Soritana hizara roa mitovy ny volo, randranina, ary afatotra ao an-katoka. Mitory fahatsorana sy fahamaotinana. Mampiavaka indrindra ny Fifohazana amin’ny mpanompo sampy ny tananivoho. Ny vehivavy mpanompo sampy tamin’izany fotoana izany dia mirandrana avokoa ny volony manontolo sy natao dôdôko (=soritsoritra be dia be ary bangoina kely ny voasoritra). Ny lehilahy kosa tsy maintsy mihety volo, ary hetezana fohy ary tsy azo asiana sanga. Tamin ‘izany fotoana izany, dia fanao ny manafina ody tao anaty volo lava. Koa rehefa niova ho Fifohazana dia tsy maintsy afoy ny toetra teo aloha rehetra. Ny fanovana fomba amam-panao anankiray dia midika ho fanasarahana ilay olona tamin’ny tontolo misy azy teo aloha.
3. NY SAKAFO Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny sakafo ka tsy azo ariana. Tandrivina noho izany mba tsy hisy voambary latsaka rehefa mihinam-bary. 4. NY VOAN-TSINAPY Fanokanana voam-bary iray sotro isaky ny handrotsaka ka tsy azo hanina izany fa angonina an-kitapo kely ary rehefa bebe dia aterina miaraka any am-piangonana, ary dia avadika ho vola mba ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra. 5. NY ASAM-PIRAISANA Fomba fanao rakitra isaky ny Alarobia ny asam-piraisana eo amin’ny Fifohazana. Ny fambolena no atao amin’izany asam-piraisana izany.
6. NY FANASAN-TONGOTRA Fampiharana ara-bakiteny ny teny no ao amin’ny Jaona 13/14 manao hoe : «Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, hianareo koa mba tokony hifanasa tongotra». Natao indrindra izany eo amin’ny fandraisam-bahiny. Endriky ny fanetren-tena eo amin’ny Fifohazana ny fanasan-tongotra.
7. FIOMPIANA Noraràna ny olona mba tsy hiompy ao an-tanàna mba hitandrovana ny fahadiovana. Ny fomba amam-panao amin’ny maha-biby azy koa dia manahiran-tsain’ny Fifohazana koa raha misy olona te-hiompy dia tsy maintsy natao ivelan’ny tanàna izany.
C. NY FOMBA SAMIHAFA
i. Ny fisaronan-doha Tsy maintsy misaron-doha ny lehilahy rehefa hanao asa-fampaherezana sy fandroahan-demonia. Mba ho fihatahana amin’izay tsy masina (7) no antony anaovany izany. Mampiavaka azy amin’ny sokajin’olona mbola tsy masina mandritra ny fotoana izay anaovany ny asa voatokana ho azy. Eo amin’ny vehivavy dia ny volo no efa saron-dohany ka tsy manao izany intsony izy.
ii. Famoahana demonia Olona iray ihany no miteny mafy ka mandidy ny demonia mba hivoaka amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Tsy mandehandeha. Mandritran’ny fotoanan’ny fampaherezana dia tsy mahazo mihira fa mivavaka ao am-po ny rehetra.
iii. Fahafatesana Tsy azo atao ny migogogogo raha misy maty na maneho alahelo. Fanomezan-tsiny an ‘Andriamanitra ny fanehoana alahelo. Tsy azo atao ny manao fandaniana be amin’ny maty. Tsotra ihany no fomba fanao amin’ny maty : ampandroina, ampiankanjoina fotsy madio ary dia fonosina lamba fotsy madio. Tsy azo afindra na ketsehina amin’ny toerana nandevenana azy ny maty. Heverina fa maloto sy tsy misy hasina ilay vatana mangatsiaka, satria tsy mba toy ny fanahy izay afaka ho velona mandrakizay ka ho tody any am-paradisa. Izany fiheverana ny amin’ny fahalotoan’ny vatana izany no mahatonga ny Fifohazana hidio na handro isaky ny avy miditra amim-paty. Ny mpiandry dia didiana mba tsy hitondra lamba masina amin’ny trano misy faty. Tsy maintsy mandro rehefa avy miditra avy ao amin’ny trano misy faty.
D. NY 10 AOGOSITRA Ho fandaminana ny raharaha momba ny Fifohazana dia notapahana fa hasiana fivoriana hihaonan’ny solontenan’ny Mpianatry ny Tompo izay efa ielim-patrana. Marihina fa izay toerana rehetra mandray ny Filazantsara dia misy olona nofidina ho mpikarakara ny mpianatra namany hampirisika azy handroso sy hianatra ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Natao hoe : MPIANDRY ireny mpikarakara isan-toerana ireny. Saika i Rainisoalambo irery no nitarika ny raharaha rehetra nadritra ny 10 taona. Nanomana sy nanokana ary naniraka ireo Apostoly (=Iraka). Mandray ny tatitra nentin’izy ireo rehefa niverina avy namita Iraka Nitombo ny isan’ny nirahina ka nikaroka izay hanampiana azy ireo hatrany Rainisoalambo. Tsy tambo isaina ny olona nifoha vokatry ny asan’ny Iraka. Taona 1904 dia feno 50 ny Apostoly na Iraka voatokana. Manoloana izao fitaran’ny asa izao dia nihevitra izy fa tsy maintsy ilàna fitandremana mafy. Noraisiny ny teny ao amin’ny Lioka 21/36. «Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany, ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona». Noho izany dia voatendry ny fotoana raikitra dia ny 10 Aogositra sy ny andro manaraka ho fotoam-pivoriana hanaovana fanentanana sy fandaminana momba ny asam-pifohazana. TENY 15 LOHA NO HORESAHINA TAMIN’IZANY », izay samy nankatoavin’ny mpivory avokoa. Tsy afaka nitarika an’io fivoriana io anefa Rainisoalambo satria nodimandry talohan’izany. Be ny zavatra nanahirana azy izay tsy maintsy nandraisany andraikitra mivantana : fanaovan-trano, fanomanana sy fandraisana Iraka, fanomezana toro-hevitra isan-karazany,, fanomanana ny 10 Aogositra. Noho ny faharerahana be loatra dia voan’ny aretin-tratra izy, voan’ny gripa lava, nikohaka tsy ankijanona. Tamin’ny fotoanan’ny faha-60 taona no nitrangan’izany taminy. Na dia izany aza mbola natanjaka izy ka nahatsangana tsara nanara-maso ny raharaha rehetra. Tao an-tsaina aman’eritreriny manontolo ny Fifohazana mandrapialan’ny fofon’aina. Toy izao ny fiafarany : «Hariva ny andro, mihira malefaka ny mpanatry maso, elanelan’ny vavaka. Nivavaka Rainisoalambo izay efa tsy maharina intsony, ary ny vavaka farany nataony dia tsy mba ho an’ny tenany intsony satria miantoka azy Jesoa Kristy. Tsy misy intsony ny fisalasalana fa mitsena hampandroso azy any amin’ny fahasambarana mandrakizay ny Tompon’ny voninahitra. Nivavaka ho an’ny raharaha rehetra, ary ho amin’ny fandrosoan’ny Filazantsara koa. Dia nakipiny kelikely ny masony ; nihiratra tampoka indray izy sady nijerijery. «Ny kitapo», hoy ny teniny efa malemy dia malemy. Dia naseho azy ny kitapo misy ny volan’ny Fifohazana. Dia napetrany tamin’iny kitapo iny ny tànany sady hoy izy tamin’ny teny vitsy : « Volan’ny Fifohazana, vola masina, tandremo ». Dia nifandray tànana nifanao veloma farany tamin’olona teo izy dia nakipiny ho amin’ny torimaso farany ny masony. Vita ny ady. Lada nody Rainisoalambo tamin’ny 8 ora, ny 30 Jona 1904 (8). «Efa niady ny ady tsara aho nitahiry ny finoana aho, hatr’izao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara marina, jho ahy amin’izay andro izay, ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa» (II Tim. 4/7.8). «Ary nahare feo avy tany an-danitra aho anano hoe : Soraty : Sambatra ny maty dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsathatra amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy» (Apok. 14/13).
Toko III. Ny Fifohazana taorian'ny Dada Rainisoalambo - View Photo Gallery 1.3. Ny zava-manahirana Rainisoalambo dia lehilahy nikoizana teo amin’ny fankamamiana ody ratsy. Voasarika tao anaty afon’ny fahaverezana izy ka notendrena mpitily hanaitra sy hitondra hafatra ho an’i Madagasikara : «DIDY VAOVAO NO OMEKO ANAREO, DIA NY MBA HIFANKATIAVANAREO KOSA» (Jaona13/34). Izany fitiavan’i Jesoa izany no antony nisoloany anao teo ambony hazofijaliana mba hanana fitiavana ny hafa koa. Tsy hoe mpitondra hafatra fotsiny Rainisoalambo fa mpandray sy mpanatanteraka ny hafatra. Izay rehetra nananany, na andro, na fotoana, na hery, na fahaizana, na fananana dia natolony ho fampiharana ilay fitiavana vonon-kanolotra mandrakariva. Tahaka ny voa nafafy ny asam-pifohazana. Tao ny voafafy teny ambony vatolampy sy ny tany marivo, sy tamin’ny tsilo sy teo amoron-dalana. Tao kosa ny voafafy tao amin’ny tany tsara. Na dia voafafy tamin’ny tany tsara aza ; dia tsy mitovy ny vokatra azo. Tsy ny mpamafy na ny voa no ratsy fa ny toerana namafazana no misy olana. Ilay Andriamanitra fitiavana anefa mamafy na dia amin’ny toerana tsy tokony hamafazana aza. Ary izany ny fahasoavan’Andriamanitra natolony an’ity Madagasikara ity. Ao anatin’izany asan’Andriamanitra feno fitiavana izany no itsofohan’ilay Ratsy, ka amafazany tsiparifary indray. Ny fandrosoan’ny asa anefa tsy mba nisaraka amin’ny olana maro izay manahirana ny Fifohazana. Zavatra telo ihany no hasian-teny taorian’ny fahafatesan’i Rainisoalambo.
1.3.1. NY OLANA TEO AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA - 1904: Tanteraka soamantsara ihany ny fivorian’ny 10 Aogositra ka nahatratra 3.000 ny mpivory. Noho ny lazan’ny Fifohazana izay efa fantatry ny faritany maro dia nisy tamin’ireny mpivory ireny nandeha an-tongotra 800 kilaometatra mba hamonjy izao fihaonamben’ny mpifoha izao. Nitombo isan-taona ny mpamonjy fivoriana ka nahatratra 5.000 hatramin’ny 6.000 ny olona tamin’izany.
- 1911: Noraràn’ny fanjakana tsy ho azo atao intsony ny fivorian’ny 10 Aogositra. Natahotra mantsy ny Frantsay noho io fivoriana io mahavory olona betsaka tokoa. Ireo olo-mangan’ny firenena dia saika olona taizan’ny misionera avokoa ka nanahy ny frantsay sao dia fanomanana olona ho amin’ny fitiavan-tanindrazana izao fivoriambe isan-taona izao. Tao ambadik’izao fandraràna izao koa ny katolika (Jésoita) izay te hampien-danja ny herin’ny protestanta. Ny fisakanana nataon’ny fanjakana anefa vao mainka nanamafy orina ny 10 Aogositra satria nampirisihina avokoa ny Faritany rehetra mba samy hankalaza ny 9 Jona sy ny 10 Aogositra any aminy. Mba hampiray aina ny Fifohazana rehetra manerana an’i Madagasikara dia naely ny fandaharam-potoana iraisana izay mbola hazonina mandrak’ankehitriny. Ny rakitra rehetra sy ny vidim-bokatra rehetra azo amin’izany dia tsy maintsy alefa any Soatanana ho fanohanana ny asa atao eny. Izany dia vokatry ny fanapahan-kevitry ny 10 Aogositra tamin’ireo teny 15 loha novolavolain’i Rainisoalambo.
Toy izao izany : 1. – Inona no atao anaran’ity fivoriana lehiben’ny Mpianatry ny Tompo ity. Valiny: Fivorian-dehiben’ny Mpianatry ny Tompo isan-taona (na 10 Aogositra) 2. – Aoka izao fivoriana izao hanapaka amin’ity Fifohazana ity ka hanendry ny raharaha atao rehetra. Valiny: ENY 3. – Hangataka olona 10 lahy voafidin’ny fivoriana ho Solombavany sy handahatra ny raharaha hanaovana fanekena atao. Valiny: ENY 4. – Ny zavatra miditra amin’ity 10 Aogositra ity dia ny Fivoriana no manapaka azy. Valiny: ENY 5. – Ny 10 Aogositra dia tsy mandray ary tsy mamoaka raha tsy isan-taona. Valiny: ENY 6. – Ny Mpianatry ny Tompo dia samy mahazo mampiasa ny volany amin’izay tiany hiasan’ny volany. Valiny: ENY 7. – Amin’ny herintaona toy izao, dia angatahina hianareo Zanaky ny Fifohazana, hoy ny 10 Aogositra mba hanatitra zavatra eto amiko, na vola, na lamba, na akanjo, na pataloha, fa manana zanaka tsy mitafy aho, hoy ny 10 Aogositra. Ilaiko koa ny vary, na mofo, na kajaha (mangahazo) na vomanga, indrindra fa ny biby fiompy toy ny omby na kisoa, na ondry, na akoho, na vorona sns…satria manana zanaka maro avy amin’ny Filazantsara aho. Valiny: ENY. 8. – Ahoana ny hevitrareo ny amin’ny 9 Jona 1895? Valiny: Ny 9 Jona dia fotoana hiaraha-mivavaka isam-paritany sy hifamangiana amin’ny telegrama. 9. – Inona no hatao handrosoan’ny Fahaleovantena efa nataon’ny Apostoly (Iraka) amin’ny fitoriana ny Filazantsara ? Valiny: Hanao izay hampaleotena ny kristiana amin’ny fivavahana ao an-tokantrano tsirairay sy hanendry fotoam-pivavahana hikambanana araka izay azo atao, na an-trano na ao am-piangonana. Hiasa tany sy hamboly ary hanao izay hahabe ny rakitra. Hampiomana olona hilatsaka an-tsitrapo ho Iraka. Hampandroso ny fahaleovantenan’ny Fiangonana eto Madagasikara. 10 – Inona no raharaha hifaneken’ny Fivoriana fa hamoahana ny vola ? Ary aiza no mpitahiry vola nahoratra ny miditra sy mivoaka ? Valiny: Izay voalazan’ny toko faha-9 no ho raharahany. Ny mpitahiry vola dia M. Thunem, Rainitiaray sy Radaniela, izy ireo no mikarakara ny amin’y famoaham-bola araka izay hevitra tapaka hifanarahan’ny fivoriana. 11. – Moa hatao amin’ny toerana tokana mandrakariva ve ny fivoriana, sa azo atao amin’izay mangataka ? Valiny: Ny fivoriana dia eto Soatanàna ihany nefa azo atao raha misy mangataka, araka izay hifanarahan’ny Fivoriana 12. – Aiza no hanaovana ny fampianarana ny Apostoly (Iraka) sy ny mikasa ho mpianatra, ary iza no hampianatra ? Valiny: Ny toerana hampianarana dia eto Soatanàna ary izay ho mpampianatra dia Rainitiaray sy Rajeremia, ary Radaniela. Izay ho entina manatanteraka izany dia adidin’ny Fivoriana sy izy folo lahy komity. 13. – Atao ahoana ny fitoriana amin’ny tany maizina, ary inona no hevitra ny amin’ny Betsiriry ? – Izany hoe: handray fampianaran-tsekoly tahaka izay efa natao ve, sa hitory tsotra ny fibebahana tahaka izao atao aty afovoan-tany izao ? Valiny: Ny amin’ny Betsiriry dia mbola ho tohizana ihany. 14. – Ity fivorian’ny 10 Aogositra ity no miadidy ny Fifohazana sady mandidy ny Fifohazana. Izy no hangatahan’izay hangataka Iraka ary haniraka ny Iraka amin’izay mangataka. Valiny: ENY 15. – Ny vokatra izay aterina dia ho an’ny Filazantsara. Valiny: ENY
Na dia teo aza ny fandrarana nataon’ny fanjakana dia tsy mba nisakana ny fandrosoan’ny asa izany satria efa nisy lasitra mazava tsara niainana. Ny zavatra nanahirana rehetra dia nodinihina araka ny teny 15 loha notapahin’ny 10 Aogositra. Tahak’izay nataon’i Rainisoalambo na dia to teny sy mamy hoditra teo anatrehan’ny olona aza izy tsy mba nanao didy kofehy ho lehibe fa niara-niasa sy nidinika tamin’ireo 12 mianadahy namany no filamatra narahin’ny faritany rehetra nisy mpifoha. 1.3.2 OLANA TEO AMIN’NY MPIFOHA Ny fahafatesan’i Rainisoalambo dia nampiraviravy tànana ny mpifoha maro. Nanahy be ihany izy ireo ny main’ny ho avin’ity Fifohazam-panahy ity. Tsy mbola nisava tanteraka ny aizina nanafotra an’i Madagasikara. Raha mandroso ny asan’ny Tompo dia indro tamy mandrakariva ny Devoly manao « contre-attaque ». Efa mihavitsy ireo Raiamandreny nanatri-maso nahita ny niandohan’ny Fifohazana, fa mitombo kosa ny olona manolo-tena hiomana Mpiandry sy Iraka. Indraindray hadinodino ilay DIDY VAOVAO. Nanjary misy « ekipa » tao Soatanana. Nisy fifampiandaniana izay nitatra tany amin’ny Faritany. Izany korontana tamin’ny 1925 izany anefa tsy naharitra satria nodimandry ny iray tamin’ireo nahatonga izany. Niezaka ihany koa ny misionera nandamina ny raharaha ka niseho tokoa ny voninahitr’Andriamanitra. Ny taona 1936 dia misy fivoriana natao hoe : Fivorian’ny Mpiandry sy ny Raiamandreny, isaky ny 17 Septambra ary taty aoriana lasa isan-kerintaonan’ny Fifohazana Soatanana. Manoratra teny midina ny Komity ka nalefa isam-paritany izany ho fampandrenesana sy ho tanterahiny. Boky kely izany teny midina izany ka mitondra ny anarana hoe : «NY FIFOHAZAN’NY MPIANATRY NY TOMPO MIRAY AMIN’I SOATANANA» Izao no anisan’ny zavatra henjana voasoratra ao amin’izany boky izany : «Ny Fifohazana ny Mpianatry ny Tompo dia miray amin’ny Soatanana ity, dia mijoro eo am-povoany, ka miditra amin’izay mandray azy ary mandray izay manatona azy, fa tsy azo akambana ho Loterana na L.M.S, na M.P.F, na Anglikana, na F.F.M.A, na akambana amin’izay FIFOHAZANA VAOVAO…Misy atao hoe : Fifohazana nefa hita fa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Soatanana…» Tsy mitsaha-mitombo ny fandrosoan’ny asa, betsaka ny Iraka efa nirahina hitoriteny any amin’ny faritany. Nitombo ny isan’ny mponina eto Soatanana, mitombo ny herin’ny Fifohazana. Namirapiratra manerana ny Nosy ny fahazavana nentin’ny Fifohazana.. Nefa, indrisy tandindomin-doza indray izany noho ny fisarahana. 1.3.3. NY FISARAHANA Ny tantara teto amin’izao tontolo izao dia azo lazaina fa tantaran’ny fisarahana avokoa. Tsy mba avy amin’Andriamanitra mihitsy ny fisian’ny antokom-pinoana be dia be eto ambonin’ny tany. Ny devoly no tia fisarahana sady mpampisaraka rahateo ny anarany. Ny fahasoavana sy famindrampon’Andriamanitra anefa no andeferana amin’ireny toe-javatra ireny ka ao anatin’ny fahalemena no maneho ny voninahiny Izy. Tsy maintsy misy ny fanavaozana na fanovana vokatry ny toetr’andro. Raha mbola eto ambonin’ny tany dia tsy misy tanteraka sy tsy azo ikianina. Miroborobo tsy ankijanona ny Fifohazana. Miasa ny Fanahy Masina kanefa miasa ao anatin’ny olombelona malemy. «Fa fantantsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny, ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana voalohambokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganananaka, dia ny fanavotana ny tenantsika». (Romana 8/22, 23). Tamin’ny taona 1950 dia manapaka ny amin’izay Fitsipika sy Foto-dalàna itondràna ny Fifohazana ny Komitin’ny 17 Septambra. Navoaka ho boky haely manerana ny Nosy izany, ny taona 1951. Betsaka ny Iraka tsy mankasitraka io boky io, ka nanda tanteraka ny zavatra voasoratra tao. Ireto farany ireto, dia nandefa « trakta » samihafa naely any amin’ny isam-paritany ho enti-manohitra ny boky navoakan’ny 17 Septambra mba hisorohana ny tabataba mety hitranga. Izany fampiatoam-pivoriana izany anefa dia nadikan’ny sasany ho zavatra hafa ka nanaovan’izy ireo filazana tsy marina any amin’ny Faritany. Toy izao ny FANAZAVANA natao taorian’izany FISARAHANA IZANY: Efa fantatra mazava ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo. Olomboafidin’Andriamanitra ka nandray ny Fanahy Masina. Nanana fahendrena ara-tsaina koa izy, izay nahazoany nitondra raharaha lehibe araka ny nitarihan’ny Fanahy Masina azy. Ao Ambalavato-Ambatoreny no fonenany ary malalaka ao ka ampy hitondrany ny raharaha nifidianan’Andriamanitra azy, sady tsy voahelingelina. Nefa nifindra aty Soatanana izy, mba ho ao ambanin’ny fitondrana sy ny fiarovan’ny Misionera ary hikambana amin’ny Fiangonana. Fahendrena lalina, voatariky ny Fanahy Masina no nahatanterahany an’izany. Dia tafaorina teto Soatanana ny: « FOIBEN-TOERAN’NY FIFOHAZANA » Ny fivorian’ny Komitin’ny 17 Septambra, hatramin’ny taona 1936 dia nanao fifanarahana momban’ny raharahan’ny Fifohazana anakapobeny. Ary tamin’ny 17 Septambra 1950 dia nanapa-kevitra io Komity io ka, nampanangoniny ny Komite eto an-toerana ny fifanarahana rehetra nataon’ny Komite teo aloha momba ny hitondrana ny Raharaham-Pifohazana, ka hatao boky. Dia voangona izany, amin’ilay boky atao hoe : « Fitsipika sy Foto-dalàna » itondrana ny Fifohazana. Nadika mialoha ao koa ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo ka hita fa mifanaraka tsara amin’io tantara io ity Boky ity. Ny Raiamandrany Dada Rajoelina dia naman’ny Komite eto an-toerana, ka niara-nanaiky sy nanao sonia tamin’ny fahavitan’ny boky «Fitsipika sy Foto-dalàna». Rehefa navoaka ny boky tamin’ny 1951, dia nandà sy nanohitra ny ankamaroan’ny Iraka. Ary hatramin’io taona io dia niseho ny hevitra samihafa. Ny Misionera Korner Hansen, sy ny Komite eto an-toerana dia nitana ny hevitra tapaka voasoratra ao amin’ny boky izay tsy hevitry ny Misionera irery na an’ny Komite eto an-toerana ihany akory, fa an’ny Komitin’ny 17 Septambra manontolo. Ny ankamaroan’ny Iraka kosa dia nandà sy nanohitra ny hevitra tapaka. Manaraka izay, dia nisy TENY sy TARATASY ary BOKY niely, tsy avy amin’ny Misionera sy ny Komite eto an-toerana ihany, fa avy amin’ny olona samihafa sy ny toerana samihafa. Isan’ireny ny TENY midina navoakan’ny Komite 10 Aogositra Antananarivo (nivoaka Jolay 1954) sy ny BOKY «HAFATRAFATRA» nataon’i Dada Rajoelina Raiamandreny (1953). Ireo no nahatonga ny Misionera sy ny Komitin’ny DISTRY Soatanana hampiato ny fivorian’ny 17 Septambra 1954 aloha, fa nahiana sao misy tabataba io fivoriana masina io. Be ny teny niely, aelin-dry zareo ankilany momba io fampihatoam-pivoriana io, izay tsy marina akory. Lazain’ny olona maro izao zavatra izao : 1. –Ny trano Fiangonana dia narindrina ka tsy navela hidiran’ny Mpianatry ny Tompo. FANAZAVANA: Tsy marina izany, ny Mpianatry ny Tompo dia nahazo niangona maraina sy hariva, araka ny fanaony ao am-piangonana, fa ny 17 Septambra no nampiatoina ary efa nanaovana filazana mialoha. 2. –Naongana rodombe ny Mpianatry ny Tompo. FANAZAVANA: Tsy marina koa izany. Efa tsy niangona tao am-piangonana hatramin’ny 17 Septambra ry zareo. Ary tamin’ny faran’ny Novambra 1954 ny Komitin’ny Distry Soatanana dia nanao filazana miantso azy ireo hiverina amin’ny Fiangonana. Nomena fotoana hatramin’ny 1-31 Desambra 1954, ka izay tsy miverina ao anatin’izany fotoana izany dia nanongan-tena ka tsy naman’ny Fiangonana eto Soatanana intsony, efa nasehon-dry zareo tamin’ny rapaoro navoakany koa izany. Jereo: Rapaoro nataon’ny Mpianatry ny Tompo nivory tao Soatanana tamin’ny 17 Septambra 1954 pejy 21 manao hoe: a. Hatramin’ny 17 Septambra 1954 dia tsy mikambana amin’ny Fiangonana Loterana eto Soatanana intsony ny Mpianatry ny Tompo. b. Efa nametrahana taratasy any amin’ny biraon’ny «CHEF DE DISTRICT de Fianarantsoa» fa tsy mambra ao amin’ny Fiangonana Loterana Soatanana intsony Mpianatry ny Tompo ary tsy hiverina ao intsony. (9) Dia nivaky roa tanteraka io Soatanana. Nisy ny ATSIMO SY AVARATRA. Ny AVARATRA nanao tsy miankina ka niangona ao amin’ny Trano Firaketana amin’ny Alahady sy fotoam-pivavahana maraina sy hariva, ary ny fivoriana samihafa sady manao ny « acte pastorale » rehetra tao izy ireo. Ny Atsimo miaraka amin’ny Fiangonana Loterana sady manaraka ny Fitsipika sy ny Foto-dalàna navoakan’ny 17 Septambra. Natao ny fananarana sy famerenana ireo niendaka mba hiverina indray ao amin’ny Fiangonananefa indrisy nidiridiry tamin’ny heviny izy ireo ka tsy niverina intsony. Ny zava-doza dia lasa nitsangana ho fahavalon’ny Fiangonana indray izy ireo. Tsy natao indray mandeha ny famerenana sy Fampihavanana fa nandritran’ny taona 1955 ka hatramin’ny 1962 dia Raiamandreny maro, Filoham-piangonana isan-tokony, Tompon’andraikitra tao amin’ny Comité-Intermissionnaire, FFPM, Foibe, Mpitondra Fanjakana sns, dia samy niezaka araka izay azony natao nefa indrisy niala maina avokoa. FAMINTINANA NY ANTONY NAHATONGA FISARAHANA Nandeha tsy an-kijanona tamin’ny làlana efa nitarihana azy hatramin’ny voalohany ny Fifohazana. Niara-niasa tao amin’ny Fiangonana hatramin’ny voalohany. Rehefa afaka 40 taona taorian’Ingahy Rainisoalambo dia niezaka nitady làlana hampaleotena azy tanteraka ireo Iraka maromaro. Izany indrindra no antony nanaovana fanambarana tamin’ny 1936. Tsapa anefa fa ireny Iraka marobe mielim-patrana manerana ny Nosy ireny dia miasa tamin’ny hafanam-po tokoa. Maro tamin’izy ireny koa anefa ny nanimba zavatra satria tsy mahay Soratra Masina fa variana amin’ny fombafomba ivelany fotsiny. Resy lahatra tanteraka ny Misionera fa tokony ho tezaina haverina hampianarina indray ny Iraka. Hapetraka amin’ny toerany tsara ny Fifohazana. Tsy maintsy ao anatin’ny Fiangonana ary tsy maintsy manaraka sy mankato ny Fitsipika sy ny Foto-dalàn’ny Fiangonana. Ny teny 15 Izay napetraky Ingahy Rainisoalambo dia tsy maintsy hazonina ara-bakiteny indrindra fa ny andininy faha-10 izay manendry ny Misionera eto Soatanana ho «Trésorier». Ny litorjy ampiasaina eto Soatanana dia ny an’i F.L.M. ihany fa tsy azo atao vary amin’anana. (Fanao tamin’izany fotoana izany ny mampiasa ny Litorjy LMS). Izany sy toy izany no antony niteraka ny Fisarahana : -) Tsy mila fitsipika satria ambany Fahasoavana -) Tsy mila fampianarana satria tarihin’ny Fanahy -) Tsy mila Misionera satria mbola tsy nifoha ny Misionera -) Tsy mila fifehezana avy amin’ny Fiangonana satria ny Fifohazana no tokony hifehy ny Fiangonana satria izy no manohana azy sns….sns….
Fehiny - View Photo Gallery Teo amin’ny tantaran’dRainisoalambo no nahitana fanavaozana mahery vaika teo amin’ny lafim-piainana rehetra ka nahatonga ny olona mora babon’ny Fifohazam-panahy.
1. FAMPIANARANA Maro ny olona tsy nahay namaky teny sy manoratra. Saika voataiza tamin’ny alàlan’ny angano mbamin’ny ankamantatra fanao amorom-patana ny ankizy. Isan’ireo izay nangetaheta fianarana i Rainisoalambo satria mba maniry hivoatra ara-tsaina izy. Ny fahaizany dia nanampy azy betsaka tokoa teo amin’ny fampivoarana ny fiainany. Noho izany nantsangany ho didy mihitsy ny tsy maintsy hianarana marika sy vakiteny ho an’ny Mpianatry ny Tompo. 2. NY FIARAHA-MONINA Maro ny zavatra nitranga tamin’ny androm-piainan’i Rainisoalambo : fampihorohoroan’ny dahalo, valan’aretina izay nandripaka olona maro, fangejana ny fiainam-bahoaka ka nahatonga ny fahantrana. Nitady fomba samihafa mbo hivoahana tamin’izay ny olona. Nampiasaina ny ody, ny sikidy, ny sampy, sns …nefa tsy nahitam-pamonjena. Ny fivavahana kristiana izay noraisin’i Rainisoalambo ihany no afaka namaha ireo olana rehetra ireo. Tamin’izany no nahazoany famonjena. Tamin’ny alalan’ny fivavahana kristiana dia nisy fampianarana ara-pahasalamana sy fahadiovana izay nataon’ny Misionera. Nisy koa ny fampianarana ny fifankatiavana sy ny fifanampiana ary ny fandeferana (10). Ny fitsiriritana ny fiainam-bazaha no nanamora ny fampiharany izany tao amin’ny Mpianatry ny Tompo. Ny fitandroana fahadiovana no anokanana ny biby fiompy any ivelan’ny tanàna, fandiovana ny trano sy tokotany, fanaovana akanjo madio sns,. Fanorenana sekoly, fikarakarana ny marary sy ny mahantra ary fiezahana hitory ny Filazantsara. 3. NY TOE-KARENA Famporisihana ny fambolena tamin’ny alàlan’ny asam-piraisana. Fanafoanana ny andro fady izay vato misakana ny famokarana. Fampianarana ny Mpianatry ny Tompo mba tsy hanao fandaniam-poana eo amin’ny fahafatesana satria nampahantra ny olona ny fikarakarana ny faty halevina tamin’izany fotoana izany : toy ny famonoana omby…fividianana lamba mena sns… Fampiorenana ny finoana an’Andriamanitra mba hanankina izay rehetra atao hahazoana fitafiana.
4. FIVAVAHANA Tarigetra lehibe ny fanevan’ny Fifohazana : - NY FITIAVANA (Jaona 13/34-35) - NY FIRAISANA (Jaona 17/21)
Fahafaham-baraka lehibe teo amin’ny Fifohazana Soatanana ny Fisarahana tamin’ny 1954. Ratra nampalahelo tsy voakosoky ny tantara mandrak’ankehitriny ny tarazon’izany fisarahana mampalahelo izany. Adidy sy andraikitra miandry ny mpamaky izany mba ho entina eo anatrehan’ny Tompo.
Toko I. Manolotrony sy ny fomba amam-panaony Raha fombam-pivavahana na fivavahana no resahina dia tsy maintsy resahina aloha ireo olona manatanteraka izany. Noho izany mialohan’ny resaka momba ny Fifohazana izay fombam-pivavahana iray dia hofaritana aloha ny momba ny Manolotrony amin’ny ankapobeny sy ny toetry ny fiaraha-monina ao aminy. 2.1. FAMARITANA ANKAPOBENY Raha sendra tanàna iray dia betsaka ny fanontaniana tonga ao an-tsaina avy hatrany, toy ny tantaran’ny toerana, izany hoe : Inona no nahatonga na nihavian’ny anarany….aiza ny faritra onenany…ahoana ny mponina ao ? …
2.1.1 NY ANARANY Ao amin’ny Faritany Fianarantsoa amin’ny faritra atsimo no misy an’i Arindrano izay ahitàna an’i Tsienimparihy izay toy ny lamba ifonosan’ny tanànan’i Manolotrony. Noho izy ao ampitan’ny ony Mananantanana dia natao hoe : tànana manolotra ny ony ka lasa raikitra ho anarany izany : Manolotsony na Manolotrony.
2.1.2. NY MPONINA Ny foko Betsileo no monina ao. Betsaka ireo mpihavy avy any Antananarivo izay efa ela nipetrahana tao ka sarotra ny manavaka azy ireo amin’ny tena zanatany. Misy vitsivitsy ihany koa ny Tanala monina ao. Mponina tsy dia sahirana loatra noho ny toerana izay manana ny harena ankibon’ny tany sy ahitana fanenonan-damba arindrano sy lamba landy. Mponina miavaka amin’ny foko hafa noho ireto zavatra ireto :
A. FINOANY Mamaritra ny fiainan’ny olona iray na ny vahoaka manontolo eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ny finoana. Fa avy amin’io finoana io no mahatonga ny olona ho afaka mivelatra eo amin’ny ara-tsaina na eo amin’ny fomba enti-miaina an-davanandro. Mampivelatra sy mampikororosy fahana ny olona ny fiainana ara-pinoana. Mibaiko ny maha-olona ny finoana satria avy amin’ny fo no isiany ka ametrahany ny mikasika ny fiainana manontolo, ka izay zavatra mbola ho avy tsy takatry ny sainy rehefa izay no ekeny nohon’ny finoan ivelomany dia ekeny ho marina tanteraka.
1). AMBONDROMBE Havoana mirefy 1925 metatra eo ho eo no hahavony. Rakotra ala mikitroka ny tendrombohitra manontolo. I Mahatsinjo tendrony dia tsy tazana loatra. Ao an-tampony ao dia misy « ranovory » izay tsy mbola nisy olona tafakatra teny afa-tsy ireo olona « fairin-draha » na olona entin-javatra. Toerana masina hono io Ambondrombe io satria tany fady tsy azo kasihina. Raha misy olona manazimbazimba an’io toerana io dia iharan-doza ka miolana ny hatony na mety ho faty eo no eo mihitsy aza. Raha misy olona te-ho eny, ka vao eny ampototry ny tendrombohitra dia manjary tonga tampoka ny oram-baratra. Misy hery miafina amin’io tendrombohitra io ka izany no anomezana azy koa ny anarana hoe : IRATSY. Ao amin’io toerana io no iangonan’ny fanahin’ny olona maty rehetra. Rehefa tonga eny ilay fanahy dia mbola manohy ny asa fanaony andavan’andro ihany. Noho izany dia laza toerana atahorana sy masina ho an’ny mponina rehetra Ambondrombe ka ivavahana sy anaovana voady sns…
2). OMBIASA NA OMASINA Manana anjara-toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny Ombiasa na Omasina. To teny eo anatrehan’ny vahoaka rehetra sy hajain’ny olona fatratra tokoa. Na inona na inona baikoiny hatao dia tsy maintsy tanterahina na sarotra toy inona aza. Ny mponina vokatr’izany dia mametraka ny fo tamin’ny sampy sy ny sikidy ary ny ody fiarovan-tena isan-karazany…Nohajaina fatratra ny fady napetraky ny razana. Ny aretina rehetra dia avy amin’ny fahasivy avokoa hoy ny fampianaran’ny obmiasa ka tsy maintsy omeny fanafody fanafana vao sitrana.
B. FIARAHA-MONINA Na dia manan-karena sy toa milamindamina ny fahitaàna ny mponina ety ivelany dia endrika ivelany fotsiny izany. Miaina ao anaty tebiteby lava eny, mivarahontsana mihitsy raha sendra misy maty satria toa misy feo heno avy hatrany mipoitra eny Ambondrombe. Tahotra matoatoa (lolo)…tahotra mosavy…tahotra voatsinin’ny razana. Heverina ho hery lehibe mahafaty sy manimba ary mahasakana ny soa rehetra mety ho azo ny tsiny raha tezitra. Noho izany ; dia tambatambazana mandrakariva sao tezitra ka mampidi-doza amin’atambo. Eo anatrehan’izany dia tsy misy filaminany ny fiaraha-monina. Lany andro amin’ny fanalana faditra sy fanaovana lanonanan ho fanambatambazana ny zanahary sy ny razana. Toko II. Manolotrony sy ny toetrandro Ny fipoiran’ny Fifohazana tao Manolotrony dia mifamatotra tanteraka amin’ny toe-javatra izay niseho teto amin’ny firenena. Zavatra roa lehibe no nanamarika ny tantara tamin’izay fotoana izay. 2.2 NY FITORIANA FILAZANTSARA Tamin’ny taona 1880 dia efa tonga tao Tsienimparihy sahady ny Asa Fitoriana Filazantsara izay notanterahin’ny Misiona L.M.S.. Tamin’ny 1887 dia niorina tao sahady ny toby Misionera «Station missionnaire». Niorina ny Fiangonana sy ny Sekoly. Niezaka nanao ny ainy tsy ho zavatra ny Misionera nitory an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izao tontolo izao. Nandroso ny asa ka nahatratra ny foko Tanal ny Asan’ny Misionera. Tsy nisy fandàvana mihitsy teo amin’ny mponina saingy tsy tena babon’i Jesoa ny fiainany. Jesoa Kristy tsy navelany hanapaka ny fiainany. Eny Jesoa Kristy ivelan’ny fony ka tsy manam-pahefana taminy sy ny ataony. Jesoa Kristy mandondona mandrakariva mangata-dalana te-handroso satria tiany sy maminy loatra ny nahazo toerana ao amin’ny fon’ny olona. Nefa indrisy Jesoa Kristy atao ho Mpanjaka kanefa lavina fadifady ary sikidy sy toro-hevitry ny ombiasa no mibahan-toerana ao am-po. Olona manao tanan-droa sady mitoky amin’ny ombiasa no tsy manapaka andro Alahady amonjena Fiangonana. 2.2.1. NY FAHASAHIRANAN’NY MPONINA Ny 96 isan-jaton’ny mponina dia tsy mahay mamaky teny sy manotratra ka mora nambakaina tokoa. Mbola mitohy ihany ny asan’ny Menalamba mampihorohoro ny mpivavaka ka nahatonga fihemorana tamin’ny olona. Mbola namely ny areti-mandringana isan-karazany. Betsaka ny zavatra tsy nazava tamin’izany fotoana izany satria nanjary tsy nitokian’ny olona intsony ny hopitaly sy ny fanafodin-dokotera. Mitovy isa ny olona matin’ny pesta sy ny matin’ny tsindrona. Ny vanim-potoana nipoiran’ny Fifohazana Manolotrony koa dia tao anatin’ny ady lehibe voalohany izay fotoana nanahirana an’izao tontolo izao manontolo ka nisy akony tany Manolotrony noho ny fanararaotam-pahefana teo amin’ny mpanjanatany. Nisy karazana demonia izay nanahirana sy nahatonga olona ho lasa adala atao hoe «BILOMBARA» no nahavery hevitra ny maro. Lasibatra tamin’ny fanenjehan’ny Katolika koa Manolotrony noho i Tsienimparihy misy « station missionnaire » L.M.S. Maro ireo kristiana nampangaina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny Menalamba. Tsy misy filaminana ny tany sy ny fanjakana ary ny Fiangonana. Iza no hiantsapazana…Aiza no hahazoana vonjy…Inona no hatao ?…Tahaka ny Sambokely tratry ny rivo-doza eny ambony ranomasina i Tsienimparihy izay misy an’i Manolotrony. Mitsena onja mahery, mampiraviray tanana ny vahoaka rehetra ao anatiny. Tsy tazana akory ilay toerana manondro ny fitodian-tsambo. Injay toa manako ao anatin’ny rivotra mifofofofo ny fanontaniana manao hoe : «Aiza ny finoanareo ?» (Lioka 8/25). Ary manangana tandrom-pamonjena ho antsika amin’ny alalan’ny famohazana vehivavy Malagasy iray mba hitondra hafa-PINOANA ho an’ny Malagasy namany.
Toko III. Neny Ravelonjanahary Mizara telo ny tantaran’i Neny Ravelonjanahary dia ny fiainany talohan’ny niantsoan’ny Tompo azy sy ny fanomanana azy, ary ny asany. 2.3. NY FIAINANY TALOHAN’NY NIANTSOANY AZY Zanaka Ombiasa nikoizana tamin’ny faritra Arindrano ny Rain’i Ravelonjanahary. Noho ny ody teny aminy tsy mba resy an’ady «morengy» na ady miaraka amin’ny tafika ny rainy. Malaza ho mahay mibaiko voay, izany hoe na dia masiaka toy inona aza ny voay dia tsy mba mikasika azy sy ny olona tezainy noho ny ody fanidi-voay eo am-pelatanany. Mahay manohana ny avandra tsy ho latsaka amin’ny voly. Mpanasitrana olona main’ny alàlan’ny ody isan-karazany. Mamantatra andro tsara sy ratsy ka nilàn’olona hevitra tamin’ny zavatra hatao toy ny : hanao famorana, ny fanambadiana, fandehanana lavitra…fandevenana. Sns…Vavimatoa notezaina fatratra tamin’ny fomban-tsampy Renilahy (izany no tena anarany…) ka lasa olon-doloina nitoeran’ny fanahin’ny maty na tsanganan-drazana izany hoe: Miteny amin’ny alàlan’ny olona maty izy, mitovy feo aminy, ary afaka mamantatra ny zava-miafina. Noho izy olon-doloina (= olona misy lolo) dia lasa mpanasitrana sy mpanafana (= manala faditra na manala tsiny olona). Nijaly sy fadiranovana izy noho io fanahy mitoetra ao anatiny io. Betsaka ny zavatra notandremany fa tsy azony kasihina satria fady azy. Ny sotro sy ny viliany dia tsy azo nakambana tamin’y vilian’olona na iza na iza satria saro-piaro loatra ny fanahy nitoetra ao aminy. Ny sakafo tsaratsara rehetra dia saika fady avokoa: henakisoa, akoho, amalona, omby bory, voanjobory sns…Voafetra ny zavatra sy fihetsika azo atao, ary matetika miandry baiko avy amin’ny fanahy ao aminy avokoa vao manao zavatra… Ankoatr’izany olona malaza tamin’ny fahaizana tenona koa izy…Manambady an’i Razafimahailaza na Rainiboto na Rainidalo izy ka niteraka iray izay maty mbola tanora nefa namela zazavavy kely iray. Estera no anaran’io zafikelin’izy mivady io. Maty koa io zaza io taty aoriana . Efa nanan-janaka hafa ray Ramatoa talohan’ny nanambadiany an-dRainidalo, Rasoja no anarany, nefa rehefa nivady kelikely ry zareo, dia maty koa io zanany io. Tsy mba nahavonjy azy ireo ny sampy sy ny ody rehetra tao aminy. Voatery nanangana ny zanak’anadahiny izy mivady mba tsy ho irery loatra. Olona tsotra sy tian’ny mpiara-belona taminy izy mivady. Ilay devoly nipetraka tamin’i Renilahy dia fetsy satria mody niseho manasoa sy manao zavatra tsara izy kanefa fatorany amin’ny zatra maro. Ny fitazonany ody mahery sy ny fanahin’ny maty mitoetra ao aminy no mahatonga azy ho maty anaka foana. Ny fomba fiasan’ny devoly dia tahaka izany hatrany, mody omeny fahefana hanao zavatra mahagaga kanefa tsy maintsy misy tambiny dia fahafatesana sy fanandevozana tanteraka ho an’izay olona manaiky hiasany.
Firifiry moa ny olona ampanaovin’ny devoly zava-mahagaga mahazendana ny fiaraha-monina manontolo kanefa aty aoriana dia ivadihany ka ilazany hoe : « Mahery loatra io ody an-tananao io…ka raha tsy ny havanao no omenao atao sorona dia ny ainao no manefa. » Aty aoriana dia ny zanaka mihitsy no takina amin’ilay olona mpilalao ody. Ilay ody koa tsy mamela azy fa mangeja azy mba tsy ho afa-miala aminy…Tsy hafa noho izany i Renilahy, ny vozony miravaka ody, ny lohany itoeran’ny vola tsy vaky, tsy azo nesorina tao ambany fotobolony voarandrana izany… «Indrisy: olo-mahantra aho ! hoy Paoly Apostoly: Iza no hanafaka ahy amin’ity fahafatesana ity ?» (Rom 7/24). Tsy mba mahatsiaro tena…Tsy mba niantso vonjy…Jamba tanteraka ao anatin’ny aizim-pito…Hoy ny tononkira hoe : «Fantatrao very aho, nefa tsy mba nilazanao an’i Jesoa»… Mahagaga anefa ny fitiavan’Andriamanitra fa any amin’izay tsy maniry sy tsy mitady Azy no hirotsahany antsehatra mivantana. Izy Tompo no misahirana mikaroka, mamonjy olona iray mba hataony ho fiasam-pamonjena hanavotra ny mpiara-belona aminy. Hoy Jesoa : «Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany» (Jaona 6/65). Izany indrindra no nahafatesan’i Jesoa teo ambony hazofijaliana mba hisolo ny olona satria tsy mahay manatona Azy ny olona. 2.3.1. RAVELONJANAHARY NIOVA FO Tokony tamin’ny taona 1900 no niantsoan’ny Tompo azy. Teo amin’ny faha-60 ny taonany nefa tena mbola matanjaka sy tomady tsara izy tamin’izay fotoana izay…Raha mandinika ny fomba niantsoan’ny Tompo azy, dia toy ny olona mihaino angano sy arirarira satria feno zavatra mahazendana sy mampitolagaga tokoa. Fa hoy Paoly Apostoly : «Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany» (II Kor 2/14). Sarotra raisina amin’ny fisainana efa zatra mandalina sy manao lojika anefa azo takarina amin’ny alalan’ny finoana. Fa hoy ny Soratra Masina : «…Indro Izaho no Jehovah Andriamanitry ny nofo rehetra, moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va ?» (Jer. 32/27). Tsy dia mahery vaika loatra ny fiantsoana an’i Renilahy fa nandeha tsikelikely. 1) FAHITANA TEO ANTOKANTRANONY Indray alina raha nanadio landihazo (hasy) tao an’efitranony izy, dia nahita mazava lehibe, dia nisy tovolahy tsara tarehy nitaona ankizy maro, ary Rainisana zanany mba isany tamin’izany. Taitra mafy izy ka niantsoantso hoe : «Maty ny zanako fa fairin-draha (na entin-javatra)». Namaly azy niaraka tamin’izay ilay olona ka nanao hoe : «Aza matahotra ary aza mitabataba fa izaho no Jesoa». Rehefa nilaza izany izy dia lasa. 2) FAHITANA TANY ANTSAHA Raha teny an-tsaha naka voankazo via izy telo mianaka dia niseho taminy indray ilay fahazavana efa hitany taloha. Tazany indray ilay tovolahy niaraka tamin’ireo ankizy marobe. Tovolahy tanora dia tanora, tsara tarehy, tsy misy volom-bava, miakanjo fotsy lava. Nidina nanatona azy telo mianaka. Noraisiny tamin’ny sandriny i Rainisana zanak’izy mivady ka nentiny niakatra teny amin’ny habakabaka. Ireo ankizy niaraka taminy kosa dia nanaraka nifampitantana avy aty aoriana. Taitra sy natahotra i Renilahy ka niantsoantso vonjeo…Vonjeo rey olo fa tangan-draha ny zanako…kanjo mba naveriny ihany rehefa avy nentiny teny ambony teny. Amin’ny maha-mpanompo sampy azy dia tsy nipetra-potsiny izy fa tsy maintsy nojerena tamin’ny alàlan’ny sikidy izao toe-javatra hafahafa izao. Efa nanahy be ihany izy satria ny nateraka rehetra dia maty avokoa, ity zaza natsangana ho mpamelo-maso indray toa lalaovin-javatra ! Tsy nahita na inona na inona anefa ny sikidy ka dia niasa fatratra ny lohany nieritreritra izao zava-miafina tsy nahitam-baliny izao. 3) FEO MIVANTANA Hoy ilay feo : « Renilahy mitady olona hiasa ho AZY Andriamanitra ka anisan’ny voaantso ho amin’izany ianao. Ny asa ampanaoviny anao amin’izany, dia ny hamaha ny olona amin’ny fatorana rehetra mahazo azy, koa na inona na inona aretin’ny olona, raha mety mino ny herin’Andriamanitra izy dia ho sitrana. Koa raha tsy mety manaiky izao antso izao ianao, hoy ilay feo dia ho vonoin’Andriamanitra ho faty ». (Tsy misy zavatra fantratr’i Renilahy akory momban’izany famahana ny olona amin’ny fatorana mahazo azy izany. Tsy mbola nandray an’i Jesoa Kristy na ny Filazantsara akory izy talohan’ireo zava-mahagaga ireo). 4) NY DIDY FOLO Taorian’ny sakafo hariva, raha niaraka nipetrapetrak teny antokotany izy sy ny anadahiny dia nahita mazava mamirapiratra indray nanatona azy ireo. Natahotra izy ka lasa niditra tao an-tranony haingana. Nosasany ny masony sy ny tanany. Niaraka tamin’izay dia nahare feo indray izy nibaiko azy mba hijery ny tanany. Gaga izy fa feno soratsoratra ny rantsan-tanany 10. Dia nohazavain’ilay feo fa : « ny didin’Andriamanitra ireo voasoratra ireo. Izay rehetra nino an’Andriamanitra noho ny teny izay hambaranao aminy dia ho sitrana amin’ny aretiny rehefa hametrahanao ny tananao ». Nanomboka resy lahatra Renilahy, nitaiza sy nampianatra azy koa ny Tompo. Ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra no hahaizan’ny olona manaiky Azy. Amin’ny maha-Tompo sy Mpanjaka an’i Jesoa izay manam-pahefana amin’ny fiainan’ny olona dia tonga mahay manaiky Azy ny olona antsoiny. Tahaka ny niantsoan’ny Tompo ny Apostoly 12 lahy dia nobaikoina fotsiny hoe : «Manaraha ahy» (Mat. 2/22, Marka 2/21, Lioka 5/27, 9/59 ; 18/22, Jao. 1/43 ; 21/19-22) dia nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa. Izany ny fahefan’ny Tenin’i Jesoa : baikon’ny Tompo amin’ny mpanomponao.
Nasehon’ny Tompo taminy ny elanelana mampisaraka azy amin’ny fahotany. Niasa tao aminy ny Fanahy Masina ka nanjary tsaroany avokoa ny fahotana rehetra izay nataony, eny fa na dia hatramin’izay madinika indrindra aza. Nanenina tamin-dranomaso izy ka tonga olom-baovao. Ny mahagaga anefa dia mbola teny aminy ihany ireo odiny sy ny vola tsy vaky tao amin’ny fotobolony ary mbola nohajainy ihany ny fadifady isan-karazany. Tahaka ny zaza mbola miana-mandeha anefa izy ka nobaikon’ny Tompo indray handao ny fombafomba sy ny fady rehetra.
Fitaizana amin’ny alalan’ny sary an’ohatra no nentina nampianatra azy noho izy tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Toy izao izany : Ny fomba amam-panaon’ny mpanompo sampy dia fady avokoa. Tahaka izay nitandremana ny fady rehetra fony mbola tao anatin’ny maizina dia tahak’izany koa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Ny mpisoron-tsampy (ohatra) mitafy akanjo mena sy mainty dia noraisin’i Renilahy ara-bakiteny ka nataony ho zava-pady ny akanjo menamena sy maintimainty. Nanjary foto-pampianarana ho an’ny Fifohazana Manolotrony ny tsy fitiavana loko mainty sy mena. Lazaina mivantana ho lokon-devoly ny mainty sy mena. Raha mbola nilomano tamin’ny fanompoan-tsampy i Renilahy dia nitandrina fatratra ny andro Atalata sy Alakamisy ho andro fady tsy azo anaovana raharaha sy tsy azo amoaham-bola. Nampiharihary indray tamin’ny fitandremana ny andron’ny Tompo koa izany, ka na dia ara-tSoratra Masina aza ny fanaovam-bokatra andro Alahady (I Kor 16/1-2), dia natao ho fitsipika ho an’ny Fifohazana Manolotrony ny fandrarana ny olona tsy hanao na handray anjara amin’ny vokatra Alahady. Sarotiny ery ny Fifohazana amin’ny fampiasana ny zava-manitra satria fanao amin’ny fiantsoana tromba ny ranomanitra…sns…sns…
Marihina fa rehefa nobaikon’ny Tompo hanary ny odiny i Renilahy dia tapaka ho azy ny ody teny amin’ny vozony sy ilay vola tsy vaky nifatotra tao amin’ny foto-bolony. Na dia voarandrana tsara niaraka amin’ny volony aza ilay vola dia nanjary tsy hita ny nanjavonany, nefa na singam-bolo iray aza tsy nisy tapaka. Fahagagana lehibe tamin’ny havany izao fiovana mahery vaika izao. Somary raikitahotra ihany ny havany nahita azy nikambana vilia sy sotro tamin'ny vadiny. Avy hatrany anefa dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny fianakaviana izy ny amin’izao asan’Andriamanitra nanova azy izao.
2.3.2. NY ASA NATAONY A/ FANOMANANA Mialohan’ny hirotsahany feno amin’ny asam-pifohazana dia mbola nampianatra sy nanomana azy aloha ny Tompo. Tahak’izay nataon’ny Tompo tamin’ireo Apostoly 12 lahy dia nomanina nadritran’ny 7 taona i Renilahy.
1) Fahafatesana nandritra ny 6 andro Tonga taminy ny feon’ny Tompo nilaza fa tsy maintsy ho faty izy kanefa fahafatesana 6 andro monja izany. Hoy ny Tompo taminy : «Ilazao ny vady aman-janakao mba tsy handevina anao fa amin’ny andro fahafito dia hitsanga-ko-velona indray ianao». Tanteraka tokoa izany ka maty i Renilahy. Tamin’ny fo tony feno fanantenana tanteraka no nikarakaran’ireo havany ny fatiny. Nandrasana tamin’ny alalan’ny hira sy fivavahana ny faty. Tamin’ny andro fahadimy anefa nanomboka kivy ny fianakaviana satria nivonto sy vaky ary maimbo tanteraka ny faty. Tsy laitra nijanonana ny tao an-trano vokatry ny fofona. Nivory ny fianakaviana. Hoy izy ireo hoe : «Angamba nanonofy i Renilahy…fa izao fahitantsika azy izao dia tsy «possible» ho velona intsony» Tapaka ary ny hevitra fa ho entina any amin’ny fasan-drazana halevina izy. Noho ny halavitry ny toerana anefa dia niandry ny ampitso vao niainga (andro fahaenina). Hariva ny andro vao tonga tany an-toerana ny mpandevina. Koa satria tsy mba fomba ny mandevina andro alina dia voatery nandrasana indray alina ny faty. Ny ampitson’iny (andro faha fito) vory ny vahoaka rehetra…feno ny Fiangonana…natao ny fanompoam-pivavahana fanao amin’ny fandevenana. Raha mbola nikipy nivavaka ny olona dia indro velona i Renilahy nitsangana tamin’ny maty. Tao ny raiki-tahotra…tao ny nihanahana…tao kosa ny faly nidera sy nankalaza an’Andriamanitra. Tanteraka ny tenin’ny Tompo hoe: «…ny alahelonareo hody fifaliana» (Jaona 16/20). Akory ny fahatairan’ny maro fa ilay fofona maimbo sy mantsina teo dia nivadika ho fofo-manitra mamerovero mameno ny Fiangonana manontolo. Niaraka tamin’izay dia tonga saina avokoa ny rehetra ka samy nidera sy nankalaza an’Andriamanitra. Vokatry ny fifaliana be loatra dia maro ny latsa-dranomaso. Tao koa ny nitomany nifona noho ny tsy finoany. Gaga ny olona nandinika an’i Renilahy fa ilay tenany nivonto sy vaky ary simba tanteraka teo nanjary niova toy ny hodi-jazakely indray…Nalaza tamin’ny manodidina rehetra izao zava-nitranga tsy mbola nisy na taiza na taiza izao ka tonga maro ny vahoaka mba hizaha sy hihaino.
Notantarain’i Renilahy fa nakarina tany an-danitra ny fanahiny nampianarin’i Jesoa Soratra Masina sy nampahafahantariny ny zava-miafin’ny lanitra…Novan’i Jesoa ny anarany fa tsy atao hoe : Renilahy intsony fa atao hoe : RAVELONJANAHARY kosa : novelomin’Andriamanitra na tsy velona raha tsy Andriamanitra, izany hoe : Andriamanitra no antom-pisiany, na olona tsy misy mihitsy raha tsy Andriamanitra, olona tsy afaka misaraka amin’Andriamanitra mandrakizay. Niova fo…niova fiainana…niova fomba amam-panao…niova anarana. Ny fanomezana anarana dia mifanaraka amin’ny toetoetra na ny anjara-toerana raisina. Fialàna amin’ny toerana anankiray ho amin’ny toerana vaovao indray.
2) Fanamasinam-panambadiana Tonga taminy indray ny tenin’ny Tompo ny amin’ny hanaovana fanamasinana ny fanambadiany. Toy izao ny fomba nanaovana izany : « Apetraho eo amin’ny rindrina ny tananao havanana ary atsindrio eo ambonin’ny tànan’ny vadinao, ary ny Ahy kosa hoy ilay feo ataoko eo ambonin’ny anareo mifanongoa, dia asaivo tondrahan’ny zandrinao rano mangatsiaka ny tanantsika mifanindry » (15). Dia mitsodrano azy Jesoa fa hitahy sy homba azy mandrakariva raha tsy mivadika amin’ny fanekeny izy roa.
3) Telo volana tany an-danitra Tonga taminy ny tenin’ny Tompo nilaza hoe : «Ny fanahinao dia hakarina any an-danitra, ary omena fanahy hafa kosa ianao mba tsy hahafaty anao». Nandritra ny telo volana dia tsy mba nisakafo izy fa rano mangatsiaka fotsiny no nosotroiny. Nampianarina : vakiteny…marika…hira…didin’Andriamanitra. Nomena ireto anarana mpamarin-toetra ireto izy hoe : Mpaminany…Mpanetry tena…Mpangataka. Rehefa tsy mianatra izy dia miara-monina tamin’ireo anjely sy ny olom-boaavotra. Saika mianatra isan’andro izy ary mazava taminy ny fampianarana rehetra saingy tsy mba hitany maso Izay mampianatra azy na dia akaiky azy aza ny feony. Ny hiran-danitra izay reny dia tsy hay hazavaina ny hakantony sy ny hatsarany. Ny feon-java-maneno faran’izay tsara indrindra eto ambonin’ny tany aza tsy azo ampitahaina aminy.
B/ ASA MAHAGAGA Ny olona rehetra nandre ny toriteny sy ny fampianarana nataon’i Neny Ravelonjanahary dia samy nahatsapa fa tena olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra izy. Kristy tokoa no velona ao anatiny. Nijoro vavolombelona tamin’ny fony rehetra izy. Ny zava-dehibe tamin’ny hafatra nampitondraina azy dia ny fanentanana ny olona hino an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny FINOANA no mahavonjy. Raha MINO dia tsy maintsy sitrana. Finoana iainana isan’andro. - 1908: Mbola tsy niala tamin’ny sikidy sy ny odiny ny Rainy, ka nohatonin’ny olona satria nihantona nandritra ny fotoana ela ny orana ka simba tanteraka ny voly. Nohasinina ny ody, natokony ny sikidy nefa niala maina fa vao mainka nigaingaina ny andro. Dia nanatona azy Ravelonjanahary ary naminany ny amin’ny hiavian’ny oram-be mivatravatra aorian’ny vavaka izay nataony. Tanteraka tokoa izany ka dia resy lahatra ny rainy fa mahery tokoa Ilay Andriamanitr’i Renilahy hoy izy loabolana. Dia nanary ny sampiny ny rainy ka nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra.
- 1912: Volana Desambra dia tonga taminy indray ny feon’ny Tompo nilaza ny hahafatesany indray. Mandritran’ny telo andro izany fahafatesana izany . Natao mitovy tamin’ny fahafatesan’ny Tompo. Maty andro Zoma ary tsy maintsy mitsangana ny andro fahatelo dia ny Alahady izy. Koa satria Krismasy ny andro tamin’izay dia nampisafidianan’i Ravelonjanahary ny fianakaviany na hijanona na handeha hamonjy ny Fiangonana. Nafarany ny Evanjelistra mba ho tonga any Manolotrony rehefa mirava avy mivavaka ny olona. Tsy nandao azy anefa ny fianakaviany fa iraka no nalefa tany am-piangonana hilaza ny vaovao. Nino tanteraka ny olona ka tsy nisalasala intsony. Niombom-bavaka tao amin’ny efitrano ny olona niandry izay zavatra hitranga. Tamin’ny telo ora tolak’andro dia nisy hery tsy hita nibata ka nanipy azy teo amin’ny rindrina naka endriky ny Tompo nihantona teo ambony hazo fijaliana. Nihevaheva teo amin’ny rindrina izy, ny tanany mivelatra. Taitra sy talanjona avokoa ny olona rehetra teo. Minitra fohy taorian’izany dia nidaraboka tamin’ny tany izy ary efa tsy misy aina intsony fa maty tanteraka. Napetraky ny olona teo ambony tsihy madio ny faty. Nitohy indray ny vavaka sy ny hira. Tonga avokoa ny olona avy nivavaka tany am-piangonana. Natao ny fiaretan-tory tamin’ny alina : Hira…Vavaka…Famakiana Soratra Masina…Toriteny tamin’ny hafanam-po sy fanantenana feno no natao tamin’ny fotoana malalaka teo am-piandrasana ny faty. Ny Alahady maraina, samy liana te-hahita izay fomba fiverenan’ny ainy avokoa ny olona. Hoy indrindra izy ireo tamin’izany : «Manao ahoana re ny fiverenan’ny ainy e ! Hievona ve izy…sa avy hatrany dia mipetraka, sa ahoana ?». Niaraka tamin’izay dia lasa sondrian-tory tampoka teo izy rehetra…Ravelonjanahary efa mihira hoe : «Ry Tompo zanaharinay. Manati-tsaotra izahay. Fa efa novelominao…» vao taitra avokoa izy rehetra. Dia zendana sy gaga ary nidera ny Tompo tamin’ny fifaliana feno dia feno. Dia nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo tokoa Ravelonjanahary araka Ilay fenon’ny Tompo. FOMBA FIASA a) Fampiorenana – Finoana Maro ny olona nanatona azy ka nampianariny Soratra Masina mba hino an’i Jesoa ary hanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Ny marary rehetra sy ny demoniaka dia sitrana avokoa. Indray andro dia nahazo taratasy avy any Antsiranana (Diego) i Ravelonjanahary. Ny votoatin’io taratasy io dia fangatahana vavaka noho ny zanaky ny mpanoratra ampahorian’ny demonia loatra…Avy aty Manolotrony i Ravelonjanahary no nikiaka mandroaka ny demonian’ilay zaza. Tamin’izay ora izay (araka ny taratasy taty aoriana) dia sitrana tanteraka ilay zaza. Tena zava-dehibe taminy tokoa io FINOANA io. Hoy i Jesoa : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray» (Jaona 14/12). I Jesoa Ilay fahamarinana dia tsy mandainga na oviana na oviana. Tena marina ny fanambarany eto. Sao dia isika no tsy mino. Minoa dia hanao asa lehibe tokoa ianao. Ny finoana dia mitaky firaisana amin’i Jesoa. Ny firaisana amin’i Jesoa no ahazoan’ny Fanahy Masina mitoetra ao am-po, hoy ny fanazavana nataon’i Ravelonjanahary. Noho izany, na inona na inona karazan’aretina nentina teo anatrehan-dRavelonjanahary dia sitrana tamin’ny anaran’i Jesoa avokoa (kilemaina…jamba…Sampona hatrany an-kibondreniny ….olona misy bilo sns…)
b) Fanetren-tena Tamin’ny fanetren-tena no nanaovany ny asan’i Jeso. Raha misy olona manantona azy nangataka mivantana aminy mba ho sitranina dia miteny izy hoe «Tsy mahay manasitrana aho tompoko, fa raha mino an’i Jesoa ianareo, dia Izy no hamaly ny hetahetanareo.» Ny filazana sy ny fitantarana ny fanambarana rehetra voarainy indrindra fa ny zavatra nolazain’ny Tompo mivantana tamin’ny tany an-danitra dia nataony tamin’ny fanetren-tena avokoa. Hoy indrindra izy raha nilaza izany : «Matahotra aho…sao dia tsy voaveriko….sao diso ny zavatra nampitondrain’ny Tompo ahy.» Ny fanetren-tenany dia niseho indrindra tamin’ny fikarakarana sy fanadiovana ireo marary ferena. Indray mandeha dia nisy marary feno vay hatreo an-tampon-doha ka hatreny am-paladia. Mibotsimbotsina, masamasaka feno nana ary maimbo velona. Hoy ny Tompo tamin-dRavelonjanahary : «potsipotsiro amin’ny tànanao avokoa ny fery». Maimbo sady feno nàna ny tanany rehetra, rehefa vitany izany. Dia nibaikona avy hatrany izy hamaofy voasary teo akaikiny sady hihinana izany miaraka amin’izany tsy misasa tanana akory. Dia rafitra nanao tokoa i Ravelonjanahary nefa nony hihinana ilay voasary izy dia hoy ny Tompo : «Aoka izay…aza hohanina…fantatro ny fanetren-tenanao sy ny fankatoavanao ny teniko».
c) Fampiasana zavatra Ny zavatra nampiavaka an-dRavelonjanahary dia ny fampiasana zavatra hita maso ho fitaovam-pahasoavana. Somary hafahafa ihany izany kanefa antonon’ny lanjam-pisainana tamin’izany fotoana izany kosa.
1/ Tehina Rehefa avy nampianarina ka nibebaka ary nandray an’i Kristy dia notondroiny amin’ny tehina ny marary dia sitrana eo noho eo. (Nosakanan’i Jesoa izany taty aoriana noho ny olona tafintohina taminy.)
2/ Rano Ny fampiasana rano eny an-doharano na renirano no nataony indray rehefa nijanona tsy nampiasa tehina intsony izy. Izay nibebaka dia nirahina nisasa dia sitrana tanteraka rehefa mankato ny fanirahana azy. Taty aoriana tsy nalefa tany an-doharano intsony ny olona fa nofafazana rano na nampandroina dia sitrana. (Noraràna indray izy satria niteraka resabe tamin’ny olona izany).
3/ Tanana Safoin’ny tanany ny marary rehetra dia sitrana avokoa. Betsaka ny fitsikerana sy ny fanenjehana azy noho izany fomba fiasany izany, ka dia nivavaka amin’ny marary no sisa nataony fa tsy nampiasa na inona na inona intsony.
4/ ANJARA «Izy ity dia bitsiky ny Fanahy Masina amin’Ineny Ravelonjanahary. Baiko manambara zavatra hataon’ilay marary eo no ho eo, na ho tanterahiny rehefa tonga any aminy izy. Ny marary izay tena mametraka ny fony sy ny fiainany eo am-pelatanan’ny Tompo no mahazo ny «anjara». Ny «anjara» dia marika ivelany ihany hitarika ny finoan’ilay notolorana azy. Tsy misy hery hafa, tsy mahavita fahagagana ho azy raha tsy eo ny finoan’ilay nandray azy. Ny herin’ny Tompo sy ny tanam-pahasoavany no hita niharihary amin’ny alalan’ny zavatra hita maso…Ny «anjara» dia tsy misy hafa tamin’ny tenin’i Elisa mpaminany tamin’ilay Komandin’ny miaramila Syriana. Boka izy io ary nitady fanasitranana, tsy nisy na inona na inona nomena azy fa dia nisitrika im-pito tao amin’ny ranon’ny Jordana ihany dia ho sitrana iz. Rehefa notanterahan-dRalehilahy izany dia sitrana izy (II Mpanjaka 5). Fampiasana rano amin’ny marary ny «anjara», mety ho rano mangatsiaka na matimaty na mangotraka koa aza. Atao amin’ny fotoana samihafa na toerana samihafa. Ao ny mandro, ao ny manasa tanana fotsiny dia asafo ny loha, ao koa ny manasa loha sy misotro…Izany «anjara» izany dia atolotra izay tonga ao Manolotrony. Ny avy lavitra tsy afa-mandeha dia maniraka olona haka «anjara» ho azy, na ireo any lavitra ka dia soratra no ifanakalozana. Izay manao amim-pinoana ny « anjara » dia afaka amin’ny aretiny avokoa. Ny tsara ho marihina eto dia ny tsy maintsy ho famehezan-tena amin’ny zavatra rehetra. Tsy mandeha amin’ny ratsy intsony fa mivelona sy mandroso ho aminy kosa. Koa raha sanatria minia mamerina ny ratsy efa nahavoa azy izy dia hitapody aminy indray ny fahavoazana ary mety ho mafy noho ny voalohany aza ny hanjo azy.
FANENJEHANA Maro ny fanakianana sy fanenjehana natao taminy noho ny fomba fiasany. Tao koa ny fialonan’ny olona azy manokana. Adim-panahy mafy tamin’i Neny Ravelonjanahary izany fanenjehana azy izany. Nanomboka tamin’ny vady andefimandriny izany fanenjehana azy izany. Izao asa ataon-dRavelonjanahary izao dia tsy ahazoam-bola aman-karena, ny vola ao an-tokantrano indray no omena anasoavana ny hafa. Ny asa famonjena dia tsy vita intsony satria lany fotoana amin’ny fandraisana olona. Izay toe-javatra izany no nampimenomenona ny fianakaviany…Karazan’olona maro no nanenjika azy : dokotera…mpanao fanjakana…ny manodidina…ny fifohazana Soatanana…ny mpitondra fivavahana…ny mpanompo sampy sns….
Nolazaina fa manana demonia izy ka mamitaka ny vahoakan’ny Manolotrony. Niakatra fitsarana izy tao Ambalavao tamin’ny 11 Novambra 1928. Teo am-pidirana ny tanàna dia nisy nitora-bato azy. Tamin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy izy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Raha nifotorana i Neny Ravelonjanahary ka nirahin’ny manam-pahefana hitory ireo olona nitora-bato azy sy nanala baraka azy dia tsy nety izy. Hoy izy « Fantatro fa tia ahy i Jesoa » ary izany no zava-dehibe amiko…Adidiko ny mivavaka mangata-pamelana ho an’ireo olona ireo. » Ny fibanjinany sy ny fiheverany ny fitiavan’i Jesoa azy no tsy niraharahiny ny fanenjehana azy. Fantany fa ny devoly fahavalo no mpanenjika porofo miharihary izany fa miasa ao anaty ny Fanahy Masina….
Toko IV. Ny Fifohazana Manolotrony taorian'i Neny Ravelonjanahary NY FIFOHAZANA MANOLOTRONY TAORIAN’I NENY RAVELONJANAHARY Efa antitra tanteraka i Ravelonjanahary…efa tsy afaka manao zavatra intsony. Ny feo sy maso dia mbola matanjaka tsara. Na dia efa 130 taona aza izy mbola mahatafiditra kofehy amin’ny fanjaitra ihany. Fantany fa ho faty izy dia nanafatra mafy ny FIFOHAZANA mba tsy hiady hevitra na hiavonavona na hiala Fiangonana. Aoka ho tsotra sy feno fanetren-tena…Ny 8 Novambra 1970 dia nanolotra ny fanahy eo am-pelatanan’ny Tompo izy… Nitohy ny asa ary nandray andraikitra ireo vato namelan-kafatra, dia ireo niantefan’ny antso ho mpiara-miasa tamin’i Neny Ravelonjanahary. 2.4. NY IRAKA Ny fiantsoana an’i Neny Ravelonjanahary dia tamin’ny alalan’ny fahitana sy feo mivantana. Ny an’ireto Iraka kosa tamin’ny alalan’ny «Tsindrimandry». Nantsoina hoe : RAY AMANDRENY izy ireo. Ny Fifohazana dia miantso azy ireo hoe : «Papa R…» rehefa mifandray aminy.
Ireto avy izy ireo : 1) Randrianaivo Justin: natokana ho Iraka tamin’ny 26 Novambra 1950, maty tamin’ny 22 Janoary 1988 2) Rabotovao Emile: notokanana ho Iraka tamin’ny 26 Novambra 1951, maty tamin’ny 6 Mai 1986 3) Rabotojaona: natokana ho iraka tamin’ny 22 May 1960, maty tamin’ny 9 Janoary 1991 4) Rasolondraibe: notokanana ho Iraka tamin’ny 10 Martsa 1963, maty tamin’ny 20 Avrily 1976.
2.4.1 NY FITARAN’NY ASA Natao hoe: Toby lehibe na Reni-toby i Manolotrony. Ireto avy ireo Iraka notokanana taty aoriana : - Mama RAMANAMPISOA - Mama Line (vadin’i Papa Rabotojaona) - Ratsimbazafy - Rajohanesa - Rajaonarison Louis - Rakotoarison - Rasamindimby Stephan - Ralaivao Justin - Razafindraolanjy - Randrianatoandro Joseph.
Ireto avy ny zana-toby miankina amin’i Manolotrony sy ny fotoana raikitra nanaovany ny isan-kerintaona: - Ambohimasina: volana Janoary - Ankaritsiananana: volana Martsa - Avaratr’Ivatoavo: volana Martsa - Ankarinarivo: volana May - Ambatofotsy: volana Jolay - Antanifotsy: volana Septambra - Toamasina: volana Oktobra - Andravoahangy Fivavahana: volana Oktobra - Ambatomalama: volana Novambra Ny isan-kerintaona ao amin’ny Reni-toby Manolotrony dia iombonan’ny rehetra isaky ny 15 Aogositra. Tonga eny an-toerana avokoa ny zanak’i Manolotrony rehetra. 2.4.2 ASA IVELANY Tsy ato amin’ny Faritany Fianarantsoa ihany no nielezan’ny Fifohazana fa tonga tany Toamasina ary naka vahana tao Antananarivo.
A/ TOAMASINA Notarihin’ny Iraka Rtoa Ramanampisoa tao an-tokantranony ao Tanambao V. Anisan’ny Toby malaza indrindra ao anatin’ny Faritany Toamasina noho ny asa mahagaga maro nataon’ny Tompo tao. Fifohazana niankina tamin’ny FJKM Tranovato Anjoma Toamasina izy hatramin’ny volana Mey 1990. Nanana fotoana fiaraha-mivavaka isaky ny Alarobia hariva amin’ny 6 ora tao amin’ny Fiangonana. Mandray marary isan’andro ao an-Toby. Manomana Mpiomana sy Mpiandry ary manao asa fampaherezana an-toby. Noho ny habetsahan’ny olona resy lahatra babon’ny Tompo tonga mamonjy fotoam-Pifohazana isaky ny Alahady hariva (afa-tsy ny Alahady fahatelo izay atao ao amin’ny FJKM Tranovato) dia nohalehibiazina ny tranon-dRatoa Ramanampisoa. Natao ny fanitarana ny trano nefa mbola tsy omby ihany noho ny habetsahan’ny marary sy ny olona tonga ao an-toby. Matetika tsy afaka mihetsika ao an-toby mihitsy i Mama. Indraindray aza amam-bolana maro tsy tonga mivavaka na mandray Fanasan’ny Tompo any am-piangonana noho ny raharaha betsaka ao an-toby sy ny fandrosoan’ny asam-Pifohazana ao.
B/ ANDRAVOAHANGY FIVAVAHANA Atoa Randrianatoandro Joseph, Mpitandrina no nanorina ny asam-pifohazana tao tamin’ny 1975. Nandroso sy niroborobo fatratra tokoa ny Fiangonana noho ny fisian’ny asam-Pifohazana tao. Ankehitriny dia mahatratra 6200 ny mpiangona isaky ny Alahady ary miditra in’efatra. Ny Alarobia izay fotoam-Pifohazana manokana dia in-droa miditra ka mahatratra 3 600 ny olona tonga amin’izany. Noho ny fandrosoan’ny asam-pifohazana tao dia nihevitra ny hanao ny Fiangonana ho Toby ny Mpitandrina rehefa lanin’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo. Araka ny rafitra dia tsy maintsy mitady Renin-toby iankinany izy vao azo ekena ho toby ara-dalana. Ny fomba fiasan’ny Mpitandrina izay MAHALALA NY HEVITRY NY NOFY NO MAMPISALASALA IREO TOBY LEHIBE (Soatanana – Manolotrony – Ankaramalaza – Farihimena). Toy izao no voalazan’Atoa Randrianatoandro Joseph Mpitandrina ny amin’ny fiantsoana azy hanao izao asa mahagaga izao : « Raha nisehoan’ny Tompo mivantana aho ka notendreny hanao izao asa izao…dia nangataka famantarana tamin’ny Tompo aho…dia namaly ahy ny Tompo hoe : «Amin’ny alalan’nyNOFY no hitenenako aminao sy hanehoako aminao ny zava-miafina rehetra», dia tanteraka tamiko ara-bakiteny tokoa izany. Fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo ahy ny fahalalana ny hevitry ny nofy sy ny iresahan’ny Tompo amin’ny alalan’ny nofiko… » Raha misy olona hirotsaka ho Mpiomana ohatra dia mitantara ny nofiny amin’i Pasteur Randrianatoandro izy dia raisina…. Raha misy marary mila dinidinika dia anontaniana ny nofiny ka omena vaha olana. Izany fomba fiasa izany dia nolovan’ny Mpiandry sasany ka nahatonga ny Toby lehibe 4 nitsipaka an’Andravoahangy Fivavahana tanteraka. Fiangonana FJKM ny Fiangonana Andravoahangy Fivavahana. Koa satria ratsy ve ny zanakao dia hariana ! Sanatria izany….Niantso an’i Manolotrony ny Foibe Sampana Fifohazana FJKM amin’ny maha-FJKM azy mba handray andraikitra hitaiza an’Andravoahangy Fivavahana. Nanao izany tamim-pitiavana feno fifaliana tokoa i Manolotrony. Nandritra ny roa taona no nanaovany izany fitaizana izany. Tamin’ny 6 Avrily 1988 dia nanao FANOKANANA MPIANDRY notarihin’i Papa Rabotojaona tao izy. Ny fahazoana manokana ao amin’ny toerana anankiray dia midika fa tena TOBY OFISIALY ilay nanaovana FANOKANANA (araka ny fitsipiky ny Fifohazana FFPM teo aloha). Tamin’ny 10 Oktobra 1989 dia natao indray ny FANOKANANA, lasa daty raikitra fanaovan’i Manolotrony Fanokanana ao Andravoahangy Fivavahana ny 10 Oktobra. Nahatratra 75 ny mpiomana natokana ho mpiandry tamin’ny 1990. Ary amin’izao fotoana izao dia maherin’ny 500 ny Mpiandry efa voatokana ao Andravoahangy Fivavahana. Misy eo amin’ny 400 kosa ny Mpiomana hatokana amin’ity 1991-1992 ity.
Lasa toerana mampahalaza an’i Manolotrony eto Antananarivo noho izy nitaiza sy mpanokana ao Andravoahangy Fivavahana.
Fehiny Mifamatotra tanteraka amin’ny tantaran’i Neny Ravelonjanahary ny Tobim-Pifohazana Manolotrony. Olona nantsoina tao anaty haizin’ny fahaverezana tanteraka i Neny Ravelonjanahary ka nampitafiana Masoandro mba hanazava sy hamindra aina hahavelona an’i Madagasikara. Vehivavy nandray ny fampianarana izay natolotra azy tany an-danitra ka tsy namihina samirery izany fa nizara tamin’ny fo feno fanetren-tena ambany dia ambany kosa. Ny zava-dehibe nasongadiny dia ny herin’ny FINOANA an’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Tahaka ny voa nafafy tamin’ny tany tsara izany hafatry ny FINOANA izany ka namoa avy zato heny. Ilay voatsinapy no indro misandrahaka mahenika ny Nosy manontolo…
Fifohazana fahatelo nitranga teto Madagasikara (1927 – 1936) tao Vatotsara Antsirabe Antananarivo izay notarihin’i Baba Rajaofera…. Zavatra roa lehibe no hojerena amin’izany.
Toko I. Ny Fiainany
Niavaka tanteraka tamin’ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo sy Ineny Ravelonjanahary i Baba Rajaofera.
A. NY FAHAZAZANY SY FAHATANORANY Zanaka « Pasteur » sady manan-drahalahy Pastora. Voataiza tamin’ny Filazantsara sy nilomano tao anaty fiainana kristianina. Mahafantatra tsara ny Soratra Masina ary mandray andraikitra feno teo amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana. Ireto avy ny andraikitra notanany tao amin’ny Fiangonana. - Mpampianatra sekoly Alahady - Mpampianatra Hira (Choral) - Mpitendry zava-maneno Tamin’ny hafanam-po no nanaovany izany andraikitra izany. Kristiana teo anatrehan’Andriamanitra izy sady nitondra tena tsy manan-tsiny araka ny didy sy fitsipika rehetra nomen’ny Tompo…Kristiana Mpandray Fanasan’ny Tompo, nitandrina ny didin’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany…. Nanao izay azony natao tokoa ireo Raiamandreny nitaiza sy nampianatra an’i Rajaofera ny finoana an’i Kristy. Afa-po ireo Raiamandreny satria tanterany ny fanekena nataony teo amin’ny Alitara Masina. Faly sy ravo mahita ny naloaky ny kibony mandany ny androny amin’ny fanompoana ny Fiangonana. Nidera sy nanakalaza an’Andriamanitra noho izao fahasoavana lehibe izao satria tsy nivaona tamin’izay nitaizana azy ny ankizy… Tsy dia izany loatra anefa ny zavatra tsapan’i Baba Rajaofera…Misy zavatra tsaroany fa banga ao anatiny…..Misy hetaheta tsy hay lazaina nampahory ny fanahiny. Toa tsy tena azony antoka ny fananany ny fiainana mandrakizay. Ny famonjena dia vitan’i Jesoa Kristy kanefa toa tsy tsaroany misy fiatraikany amin’ny fiainany izany. Raha teo amin’ny ara-nofo tsy dia nisy zavatra nampahory azy loatra satria tsy mba sahirana tamin’ny asam-pivelomana izy…..Manana talenta tamin’ny fakan-tsary, nanao ny asan’ny Polisy, niasa tamin’ny hopitaly (infirmier…) nanangona hajia… Taty aoriana dia nivaona tanteraka ny fiainany, satria nangetaheta te-hanakarena izy ka lasa nitady làlana hahazoam-bola. Nifototra tamin’ny fambolena indray izy. Tsy afa-po tamin’izany anefa izy ka lasa mpamboatra toaka gasy (18). Niha-nitombo ny hantsana nampisaraka azy tamin’ny Tompo. Nanana aretina nitaiza azy tao amin’ny kibony izy ka matetika nahavery hevitra azy izany. Voan’ny aretina atao hoe: rongatra koa izy ka tena nijaly fatratra ery. Nivavaka mafy ho azy ihany ny Raiamandreny sady nandatsa-dranomaso be. Ny zana-dranomaso toy izany dia tsy mba ho very mihitsy fa ny zavatra rehetra dia samy manana ny fotoanany avy.
B. NY FIOVAM-PONY Tamin’ny taona 1927 dia efa nielim-patrana hatrany Antsirabe ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo an’i Neny Ravelonjanahary. Hoy ny fitantarana tamin’izany: « any Atsimotsimo any, misy vehivavy anankiray mahasitrana ny aretina rehetra amin’ny alàlan’ny vavaka sy fametrahan-tanana ». «Nirohotra nankany Ambalavao ny olona. Feno mandrakariva ny taxi-brousse» avy any Antananarivo nitondra olona hanao fivahiniana masina any Manolotrony. Ny fitantarana dia niteraka fahalinana te-hahita tamin’izay rehetra nandre. Ny hafanam-po sy ny toetra zatra mihetsiketsika, ary ny saina tia karokaroka tao aminy no nahatonga azy hanapa-kevitra mba handeha hizaha izany zava-mahagaga tsy afaka ao am-bavan’ny maro izany. Nanantena koa izy fa hahazo fanasitranana amin’ny aretin-kibo nampahory azy sy ny nofy mampandehandeha azy amin’ny alina « somnambule ». Rehefa tonga tany Manolotrony i Rajaofera dia talanjona nahita ireo olona marobe milahatra miandry ny anjarany ahazoany miditra ao amin’i Neny Ravelonjanahary. Koa satria maro ny olona mangetaheta mila dinidinika sy mitady fanasitranana ary hihaona manokana amin’i Neny, dia voatery nilahatra koa izy niandry ny anjarany. Nandritra ny fotoana lava no niandrasany tao ivelany fa tsy mety nahazo an’ i Neny noho ny habetsahan’ny olona eo alohany…. Tsy tampotampok’izay dia rafitra nihira samirery izy, hira somary malefadefaka aloha vao nitombo nihamafy hatrany. Variana nijery azy ny olona rehetra teo noho ny feony kanto dia kanto.
Tapaka ny heviny ka nampianariny hira ireto vahoaka sasa-miandry ireto. Tao an-trano i Neny Ravelonjanahary finaritra nihaino ny hira nataony ka naminany hoe : «Iza loatra izany olona mihira izany…Antsoin’i Jesoa ho mpiara-miasa Aminy izany olona izany ka ampandrosoy izy». Rehefa noraisin’i Neny izy dia nametrahany tanana taorian’ny dinidinika… Nitamberina tao aminy avy hatrany ny fahatsiarova ny fitaizana rehetra nomen’ny Raiamandreny izay efa somary hadinony… Tsaroany fa ny tàna-maherin’ny Tompo mihitsy nitondra azy teo anatrehan’i Neny… Variana tamin’ny fihainoana ny fampianarana sy asa mahagaga nataon’i Neny izy.Niha-nazava taminy ny dikan’ny finoana kristiana. Sitrana tanteraka tamin’ny aretina nitaiza azy izy. Nahatsiaro fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana satria tsapany fa Ilay Jesoa Kristy lavitra azy teo aloha dia indro ankehitriny mandray anjara toerana ao anatiny. Feno ny Fanahy izy ka nidera an’Andriamanitra satria afaka tanteraka. Izay zavatra efa nampangetaheta azy hatramin’izay dia azony avokoa: ny fiadanam-po…ny firaisana amin’ny Tompo sy ny fiombonam-piainana Aminy. Foana tanteraka tao aminy ilay hetaheta te-hanan-karena. Nitsiry kosa ny faniriana te-hitory ny Filazantsara…te-hanolotra satria mahasambatra tokoa ny manome noho ny mandray. (Asa 20/35). Tsapany fa ny finoana nananany teo aloha dia ara-tsaina fotsiny. Nijanona teo amin’ny tokotanin’ny fahalalana ihany izy tamin’izany fa tsy nanova na inona na inona teo aminy ny fiainana kristiana nisalorany. Ankehitriny kosa sahy miteny tahaka an’i Paoly Apostoly izy hoe : «Tsy izao intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko» (Gal. 2/20) ; «Voarain’ny Tompo tamin’ny vozoko aho ka nahodiny hitodika amin’ny asa-panomanana olona ho any Aminy»…Rehefa izany, dia nitoetra teo anilan’i Neny Ravelonjanahary izy nandritra ny volana maro mba handray fampianarana taminy sy nanampy azy tamin’ny fandraisana olona ary nitan-tsoratra ny amin’ny fizotry ny raharaha tao Manolotrony.
Toko II. Ny Asany
Zavatra maromaro ihany no nanosika an’i Baba Rajaofera handeha tany Manolotrony. Tao ny hetaheta te-hahita zavatra fotsiny. Tao ny fanantenana hahazo fanasitranana. Tao ny fitiavam-bola satria tao aminy ny fikasana haka sary an’i Neny Ravelonjanahary mba hamidy amin’ny olona rehetra te-hahalala azy…Hafa anefa ny hevitry ny Tompo fa tonga «fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anaran’ny Tompo» (cf. Asa 5/15). Tamin’ny Paska 1928 dia nody tany antokantranony izy. Nanomboka tamin’izay ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo azy. Nanatona azy ny marary isan-karazany ka sitrana tamin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana. Tamin’ireny marary ireny nisy boka avy any Mangarano izay nadio tanteraka ka nampiaiky volana ny olona maro. Mpitoriteny feno ny Fanahy ka nampibebaka izay rehetra nihaino azy izy… Zavatra maro no nanehoany ny voninahitry ny Tompo ka nahatonga ny lazany ho fantatra manerana ny Nosy. 1) TAO MANDOTO Pastora Rajaonesa dia voan’ny «Pneumonie double». Efa lany aika ny dokotera fa tsy maintsy ho faty io Pastora io. Efa tena reraka tokoa ny marary sady efa antitra rahateo ka tsy misy fanantenana intsony. Nantsoina i Baba Rajaofera mba hivavaka ho azy mialohan’ny hahafatesany. Betsaka ny olona nanatri-maso teo ary anisan’izany ny Mpitsabo an’i Pastora… Nitari-bavaka i Baba, ko rehefa vita izany dia hoy izy hoe: « Makà rano mangatsiaka eran’ny siny… ka ampisotroy izy ary araraho aminy ». Taitra tampoka ny Dokotera ka niteny hoe : «Izaho tompoko dia dokotera ka mahalala tsara fa raha atao izany io marary io dia ho vita eo no ho eo ihany… vao mainka hanafainga ny fahafatesany ny zavatra toy izany ». Dia namaly i Baba Rajaofera manao hoe : « Izay zavatra tsy vitan’ny Dokotera dia vitan’Andriamanitra…Koa raha mino ianao dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra »…Akory ny fahatairan’ny besinimaro fa raha vao vita ny zavatra nirahin’i Baba natao dia sitrana soamantsara ny marary ka afaka niarina tamin’ny fandriany. Gaga koa ny dokotera ka loabolana hoe : «Izaho Dokotera manam-pahaizana dia niala maina nefa izao natrehiko maso izao ny fahasitranana mahagaga… ahoana izao ?»… Izao fahagagana izao no fitaovana nentin’ny Tompo hanova ny fon’ilay Mpitsabo. 2) TAO AMBOHIMANARINA (Antananarivo no nitrangan’ny tantara). Tamin’ny 8 Septambra 1929 nifanitsy indrindra amin’ny fankalazana ilay sampy malaza teto Imerina nitondra ny anarana hoe : Andriambodilova : Sampy maharo amin’ny loza samihafa sy ny aretina ; mampanan-karena (nefa mampalahelo koa) ; manome taranaka (nefa mampahamomba koa) sns… Efa nijanona fotoana naharitra teto Antananarivo i Baba Rajaofera ka niely fatratra ny lazany. Ambetin-dresaka tamin’izany ny raharaham-Pifohazana sy ny asa mahagaga nampanaovin’i Tompo tamin’ny alàlany. Nohararaotin’ny mpanao gazety ny maha eto an-toerana an’i Baba izay nifanindry indrindra amin’ny Alakaosy (= Vintana mahery, kanefa fotoana tsara fanandratana ny ody sy sampy sy fanaovana sorona mba hampitombo hasina azy). Fantatry ny mpanao gazety ny programan’i Baba Rajaofera ny 8 Septambra fa ho eny Ambohimanarina izay faritra misy ilay sampy malaza. Dia navoaka an-gazety ny lohateny miezinezina hoe : «… HAMPIADY ANDRIAMANITRA IOMBONIMANINA SY JAOFERA». Zavatra vaovao tsy mbola fandre ny toe-javatra tahaka izany ka vetivety foana dia ren-tany ren-danitra ary tonga hatrany amin’ny faritanin’ny Bezanozano ny resaka. Iombonimanana na Ramiaramanana dia mpisoron’ny fivavahana amin’ny sampy Andriambodilova izay nirehareha fatratra tokoa noho ny olona maro babony. Ny fandalovan’i Rajaofera teto Antananarivo sy ny asam-Pifohazana izay natao tao Ambatovinaky dia nahatonga olona marobe hahafantatra ny momba an’i Jesoa Kristy sy resy lahatra amin’ny heriny sy ny fahefany. Taitra tokoa i Baba Rajaofera raha nahita ny gazety. Ny fotoana tsy azo ahemotra intsony. Nitokana nivavaka izy, nangata-pamelana ho an’ny mpanao gazety. Tsapany mantsy fa tsy fahendrena ny mihantsy ny manao «défi» fa ny kendren’i Filazantsara dia hanova ny fon’ny olona mba handraisany an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy. Nivavaka naharitra tokoa izy mba ho tarihin’ny Fanahy ny amin’izay tokony hatao manoloana ny fotoana efa raikitra. Ny tsy fahatanterahana ny fotoana dia atahorana hanimba ny raharaham-Pifohazana!…. Resy lahatra i Baba Rajaofera «ADIN’I JEHOVAH AMIN’ANDRIAMANITRA TSY IZY IZAO». Nampandrenesiny avokoa ny Mpitandrina rehetra mba hiombonam-bavaka amin’izany andro lehibe izany. Herinandro nialohan’ny higadonan’ny fotoana dia natao fotoam-bavaka isan’andro ny momban’io 8 Septambra io mba hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny…Lasa resaka teto Antananarivo ny hoe: «Hanao ahoana re io Alahady 8 Septambra io? ? ?». Maraina mbola maizina ny andron’ny 8 Septambra efa feno olona nifanaretsaka ny lalana rehetra mankeny Ambohimanarina. Feno tanteraka ny làlana manomboka amin’ny gare Soarano ka hatrany Anosivavaka Ambohimanarina. Sahirana ny Polisy nandamina ny olona izay mifanitsa-kitro. Tsy afa-nandeha intsony ny fiarakodia satria feno ny làlana. Làlana mirefy 6 kilaometatra no indro itanjozoran’ny vahoaka analinkisa handeha hizaha…handeha hivavaka. Ny zavatra mahagaga tamin’izany dia ny hira izay nataon’ny andaniny roa dia nitovy hatrany; izay hoe: ny ao anaty Fiangonana Anosivavaka mihira hoe: «Avia Jehovah Tomponay» ny aty amin’ny gara Soarano koa manao io hira io. Miara-mihira ary miara-mijanona koa. Hita tamin’izany fa ny Fanahy mihitsy no mampihira ny olona. Toy izany avokoa ny hira nifandimbiasana rehetra tamin’izany….Feno hipoka ny Fiangonana Anosivavaka ka ny olona sasany lasa namonjy an’i Betafo sy Anosisoa ary Ambohimandroso. Ny sasany kosa nivavaka tao ala-trano. Nangotraka tokoa ny fanompoam-pivavahana tamin’izany. Tao ny nitondra marary…tao ny te-hivavaka…tao ny te-hahita zava-baovao sns… Etsy ankilany kosa ireo mpisoron-tsampy sy ny namany dia nanana ny azy. Marobe izy nizotra nankany amin’Andriambodilova. Nataony ny fomba fanasina rehetra: nively amponga, nandihy, nitsoka sodina, miteniteny sns….. Tao am-piangonana dia nandroso ny fanompoam-pivavahana. Nohiraina im-pito ny Antema voalohany hoe : «Masina masina, masina Jehovah Tompo! Feno ny voninahitrao, izao rehetra izao, ry Tompo ô ! Amena». Injay nisy mazava lehibe tonga avy any an-danitra ka nihohoka tamin’ny tany ny olona. Ranomasom-pibebahana no hita teo amin’ny fiangonana ary indro nisy tahaka ny setroka niala tamin’ny alitara nandeha moramora, niditra nankany amin’ny olona rehetra. Miadana dia miadana ny fandehany, nefa ny mahagaga dia izao, misy olona tsy tratrany. Nandalo azy fotsiny ilay setroka. Ny tany an-tokotany koa dia nahita maso avy eny amin’ny lanitra ilay hazavana miavaka sy mahagaga toa boribory lehibe sahala amin’ny sahafa. Nihorakoraka avokoa ny olona rehetra nijery izany hazavana mitarehin’ny havana izany ary nanome voninahitra an’Andriamanitra. Ireo mpanompo sampy ireo kosa tsy nahavanona ny raharahany ka nody maina satria votsotra ny omby saika natao sorona. Ny fitahiana tsy azo, ny tena reraka, ny harena very sns…
Fehiny Zavatra roa lehibe no nampiavaka azy: dia fahaizana mamantatra ny zava-miafina ao am-pon’ny olona sy fahasahiana milaza zavatra toa tsy mampino. Indray mandeha (ohatra) misy mpamosavy tonga hanakotaba azy mianakavy. Dia hoy izy tamin’ny vadiny : «Aza matahotra fa ho hitanao ao izy raha maraina». Dia tanteraka tokoa ka tsy afa-niala teo ilay mpamosavy. Ny fiainam-bavaka nananany no nahazoany hery lehibe sy nanatanterahany asa mahagaga hatramin’ny fananganana amin’ny maty aza. Isaky ny hitoriteny dia tsy maintsy niomana mandrakariva izy. Mialohan’ny hahafatesany dia naminany momba ny MDRM sy Pasteur Ravelojaona sy Dadatoa Rakotozandry Daniel ary Nenilava izy. Nodimandry tamin’ny 16 Aogositra 1936 izy rehefa nampanaovin’ny Tompo asa mahagaga tsy tambo isaina… Toko I. Ankaramalaza - View Photo Gallery
4.1.NY TOERANA Ankaramalaza dia ao anaty Firaisana Lokomby sy ny Fivondronana Manakara ary Faritany Fianarantsoa. Toerana an-tampokavoana sady saro-dalana araka ny anarany : Ankaramalaza : HARANA «Colline» malaza: «réputée». Ny lalana Manakara-Vohipeno-Ankaramalaza dia 63 kilometatra. Ny làlana Manakara Lokomby-Ankaramalaza dia 40 kilometatra.
4.1.1. NY MPONINA Miisa 100 tafo ny trano ao Ankaramalaza. Hita ao avokoa ny foko rehetra manerana ny Nosy. Ny maro an’isa amin’ny mponina ao dia ny Antambahoaka sy Antaimoro.
4.1.2. NY TOETR’ANDRO Tao anatin’ny ady lehibe faharoa ny nipoiran’ny Fifohazana Ankaramalaza. Nijaly fadiranovana ny mponina tamin’izany fotoana izany vokatry ny «crise mondiale». Natsangan’ny fanjakana ny antsoina hoe : «office de riz» izay nanangonana ny vary rehetra. Nanjaka ny varo-maizina isan-karazany izay nomena anarana hoe : «sikisiky»…Voaloto tanteraka ny ranomasina. Maro ny olona voan’ny ferifery hoe: «lagaly». Nitombo ny fifankahalàna teo amin’ny vahoaka noho ny fihetsiketsehana ho amin’ny fitadiavam-pahaleovan-tena. Ny nahazo tombontsoa tamin’ny mpanjanatany dia nanararaotra. Ny te-hikatsaka ny fahaleovantena dia nitondra faisana tokoa noho ny nataon'’reto voalohany. Nisy tsy fifankazahoana teo amin’ny Fifohazana Soatanana sy Manolotrony noho ny tsy fitovizan’ny fomba fiasa. Tsy mbola Sitrana ny hantsana mampisaraka ny Katolika sy ny Protestanta. Tao anatin’izany rehetra izany no niantsoana an’i Volahavana Germaine (Nenilava) mba hitondra ny hafatry ny Tompo hoe : «MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA» (Jaona 17/21).
Toko II. Nenilava (Rtoa Volahavana Germaine) - View Photo Gallery
Ramatoa Volahavana Germaine na Nenilava no angady nananana sy vy nahitana ny Toby Ankaramalaza vokatry ny fiantsoan’ny Tompo azy.
4.2. NY FIAINANY TALOHAN’NY FIANTSOANA AZY. Volahavana Germaine (Nenilava) dia Antaimoro taranaka mpanjaka tao amin’ny faritany nisy azy. Ny rainy dia ombiasa malaza tamin’ny faritra Manakara. Noho ny ody nananany dia hainy avokoa ny mampanankarena ; ny mahatonga ny olona ho vanona anaka. Mahalala ny zava-miafina rehetra ao am-pon’ny olona izy. Vavolombelon’izany rehetra izany i Nenilava sady voataiza tao anatin’izany rahateo. Misy fotoana anefa nanoherany an-drainy, noho ny zavatra notenenin’ny sikidy nataony. Tamin’ny faha 15 taonany dia nisy nangataka azy ho vady nefa nolaviny izay rehetra nandom-baravarana…Nihevitra ny rainy fa misy « fanahy » izay manambady azy no misakana azy tsy hanaiky ny fangatahan’ny olona rehetra izay tonga tao aminy. Nojeren’ny Rainy tamin’ny alalan’ny sikidy izao teo-javatra hafahafa izao. Taitra sy hatsatra ny rainy nahita fa misy FANAHY AMBONY noho ny fanahy rehetra nipetraka ao amin’i Volahavana Germaine. Nambaran’ny sikidy koa fa andevo izy rainy fa i Volahavana kosa no mpanjaka noho ny Fanahy ao aminy, koa rehefa manjaka roa taona i Volahavana Germaine dia ho faty izy (rainy). Tanteraka tokoa izany rehefa niasa roa taona i Volahavana Germaine.
4.2.1 NY FIANTSOANA AZY Vao folo taona monja izy dia efa nandre ny antson’ny Tompo. Tamin’ny alalan’ny nofy no nahitany zava-mahagaga mandrapahatongan’ny faha 12 taonany. Taorian’izay dia ny feon’ny Tompo no reny mivantana, fa ny tenany kosa mbola tsy hitany. Mandre izany feo izany izy isaky ny amin’ny 12 ora atoandro. Niovaova anefa izany fomba fiantsoana azy izany arakaraky ny fandrosoan’ny taonany.
Toy izao ny sasany tamin’ireo nofiny: Nanonofy nobatain’ny Tompo sy nosasany tongotra… Nanonofy nalaina tamin’ny harato lehibe ka nentiny niakatra tany an-danitra… - Tamin’ny faha-13 ny taonany dia mandre feo miantso azy mivantana izy. Noheveriny fa ny rainy no niantso azy ka matetika izy no mihazakazaka manontany an-drainy. - Tamin’ny faha-14 ny taonany dia niverina indray ny nofy : Nentiny teo amin’ny Fiangonana lehibe anankiray feno mpiangona izy. Teo ambony polipotra izy sy ny Tompo no nijoro. Ary ny Tompo no nitoriteny… Betsaka ny zava-mahagaga nofisiny toy izany mandritra ny herintaona. - Tamin’ny faha-15 ny taonany dia nisy fahanginana tanteraka sady tsy nisy feo no tsy nanonofy ihany koa. Rehefa feno 16 taona izy dia niverina indray ny feo niantso azy teo aloha. Vao tovovavy 17 izy dia voatery nanambady noho ny fankatoavan’ny tenin-dRay aman-dreniny. Nampianarina foto-pinoan’ny Fiangonana izy ka natao batisa vao notanterahina ny fanambadiany. Tamin’ny faha-18 ny taonany dia nitohy indray ilay feo niantso azy tamin’ny 12 ora atoandro. 4.2.2. NY FANOMANANA AZY Efa ela Nenilava no nantsoin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahitana mba hanao ny Asa Fitoriana Filazantsara, hampibebaka ny olona ary hanasitrana ny marary. Nolaviny avokoa izany rehetra izany. Na dia zanaka mpanompo sampy aza izy dia tsy mba nanao izany kosa teo amin’ny fiainany. Nazoto namonjy fiangonana ihany izy na dia tsy nisy zavatra mazava taminy aza. Indray andro dia narary ny zanany (zana-badiny tamin’ny vadin-drangahy efa maty io). Nanana devoly mahery vaika be io zazavavy marary io. Nirahin’i Jesoa mba hiasa avy hatrany izy : «Mitsangana ka miasa amin’io zaza io». Tsy tsaroan’i Nenilava akory izay nataony sy ny fialany teo amin’ilay toerana misy azy; fa toa nisy hery izany nibata sy nanosika azy ho amin-dRazazavavy ka nitolona taminy. Somary naharitra ihany ny fandroahana demonia tamin’ilay zazavavy. Rehefa nivoaka ny devoly dia dia niteny hoe : « handeha izahay fa tonga Ilay mahery noho izahay ». Dia sitrana tanteraka razazavavy sady hary saina tsara izy no nitafy lamba. Tamin’ny 01 Aogositra 1941 no nitrangan’izany. Ny alin’ny 01 Aogositra 1941 dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo manao hoe : «Mitsangana, mitoria ny Filazantsara eny tontolo eny, avoahy ny devoly. Miasà…aza mangataka andro. Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona eto amin’ity firenena ity.» Noho ny tsy fahaizany dia nandà izao antso izao izy. Nanery azy ihany ny Tompo ary nampanantena fa hampianatra sy hitari-dalana azy amin’ny asa hampanaovina azy. A. FAMPIANARANA Zavatra roa no nampianarin’i Jesoa azy :
1. FITENY TSY FANTATRA Nandritra ny telo volana izy no nampianarina fiteny tsy fantatra mba hahazoana mampianatra azy ny teny Soratra Masina. Jesoa Kristy Tompo mihitsy no nandray andraikitra mivantana nampianatra azy tamin’ny alalan’ny tabilao fotsy nahantona tao an-tranony. Tamin’ny tarehin-tsoratra tsy fantatra koa no nampianarana azy. Io fiteny tsy fantatra io no iresahan’i Jesoa aminy.
2. SORATRA MASINA Impito nakarina tany an-danitra izy mba hampianarina Soratra Masina. Tamin’ny alalan’ny fahafatesana andro vitsivitsy avokoa izany rehetra izany. Fantatra tokoa ny fahaizany ny tenin’Andriamanitra satria miantefa mivantana amin’ny mpihaino azy ny Teny rehetra maha-te hihaino sy manindrona ny fo mampibebaka notoriny. Isaky ny niarina tamin’ny fahafatesana izy dia nitsangana ka nitory ny I Kor. 15/55 manao hoe: «Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao?, Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao?» Aorian’izany, dia nohiraina ny hira faha 377.
B. ADY TAMIN’NY BIBIDIA Nolazain’ny Tompo tamin’i Neny fa ho mafy ny ady hatrehiny ka tsy maintsy hampiadiana amin’ny bibidia aloha izy. Miantoka ny fandresena rehetra main’ny ho avy ny fandresena azo amin’izao ady izao. Nandritra ny 03 andro izy no niady. Jesoa Kristy dia teo akaikiny mandrakariva sady nampianatra azy ny fomba fiady amin’ilay dragona. Nomen’ny Tompo hery tamin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana izy mialohan’ny hikatrohany amin’ilay bibidia. Hoy indrindra Jesoa taminy: «Aza matohatra fa Izaho no herinao» Nirahina mba handohalika i Nenilava rehefa niady… sary maneho ny tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra izao fihetsika izao. Raha misy ady mangotraka, dia ny lohalika no tokony hampiasaina voalohany indrindra izany hoe: ny VAVAKA. Na dia mahatsiravina sy mahatahotra ny tenan’ilay bibidia ka mampivarahontsana ny tena amam-panahy manontolo dia tsy mampaninona an’i Nenilava izany. Mafy ny ady, feno ratra ny tenany… trotraka sy vizana izy kanefa nandresy noho ny anaran’i Jesoa.
C. FIFADIAN-KANINA Nifady hanina nandritra ny roa volana sy tapany izy. Nandritra izany fotoana izany dia nomena zavatra avy any an-danitra izy mba ho solon-tsakafony. Tahaka ny mana na mofom-pandraisana izany zavatra nafahana azy izany…Nifady hanina nandritra ny 9 taona izy taty aoriana izany hoe : tsy navelan’ny Tompo nihinam-bary. Tahaka an’i Daniela sy Sadraka sy Mesaka sy Abednego (Daniel 1/5-16). Izay tsy nihinana afa-tsy sakafo manokana. Izany sakafo nohanin’ni Neny izany dia : mofo, mangahazo, vomanga, izay raisina mifandimby ary afangaro amin’ny ron’anamamy. Ny Tompo no mametra ny haben’ny sakafony amin’izany fa tsy navela ho voky izy. Ny hevitra fonosin’izany dia ny tsy hampatanjaka azy. Nandritra ny 9 taona nifadiany hanina dia tsy mba niteny izy afa-tsy amin’ny fiteny tsy fantatra ihany. Taty aoriana lasa fomba raikitra tamin’i Nenilava ny fifadian-kanina raha vao hampanaovin’ny Tompo asa lehibe sy mahagaga izy.
4.2.3. NY ASANY Ny fomba fiasan’i Nenilava dia mitovy tsy misy valaka amin’ireo Fifohazana teo alohany. - Vavaka - Tenin’Andriamanitra - Famoahana demonia - Fametrahan-tanana Akanjo didy mananjary fotsy lava no entina manao ny asa. Saingy ny an’ny vehivavy dia vaky an-damosina ary tsy maintsy misaron-doha. Betsaka ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo azy ka nanehoany ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy mba nisy kosa ny nitsangana tamin’ny maty satria nangataka ny tsy hanao izany izy... Ireto misy santionany amin'ireny zava-mahagaga ireny.
a) Famelan-keloka Maty tao amin’ny Hopitaly Vohipeno i Mosesy Tsirefo vadiny noho ny aretina nahazo azy (1949). Nandrasana ny faty araka ny fomba Antaimoro. Nofatorana, nasiana fehivava taorian’ny fampandroana azy. Taoriana kely dia nihetsika ny tanan’ny maty nanala ny fehim-paty. Taitra sy talanjona ny olona niandry izay hambarany. Dia hoy izy : «Tonga tao amin’ny vavahady anankiray aho, ny lohako tafiditra, fa ny tenako rehetra kosa tsy nety tafiditra, tsy omby.» Nihorirana aho mba ho tafiditra kanjo lasa nanoloana ahy hatrany ilay vavahady ka tsy nisy azo natao; dia niteny tamiko Jesoa hoe : «Miverena ianao, fa mbola misy alahelo napetrakao amin’ny vadinao» ka izany no antony niverenako izao. Rehefa nandre izany i Nenilava dia nanatsotra ny tànany; nifandray tànana izy mivady, ka hoy i Neny : «voavela ny helokao, raha ny aminay avao, tsy misy raha mampatahotra anao, azonao ny lanitra, voavela ny helokao !» Dia niteny koa i Mosesy vadiny. Rehefa vita izany dia tapitra indray ny ainy, ary dia maty izy.
B. FAMINANIANA Tamin’ny 12 Jona 1957 dia nihazo ny lalana mankany Port-Bergé i Nenilava sy ny mpiaraka aminy. Nony teny an-dalana dia nisy fahagagana nasehon’i Jesoa azy, dia ranobe mangeniheny. Raha nitoriteny tao am-piangonana i Neny dia naminany ny hanjo ity tanàna ity : «hisy ranobe hanafotra ity tànana ity ka dia hafindra toerana fa be loatra ny zava-dratsy natao teto ka tsy maintsy ho levonina». Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa dia betsaka ny nihomehy sy tsy nino. Tamin’ny taona 1959 dia safotry ny rano tokoa i Port Bergé ka rava ny tànana ary nifindra nanorim-ponenana tao amin’ny toeran-kafa ny mponina izay ao amin’ny Port Bergé vaovao ankehitriny. Tsy tambo isaina ny asa vita sy ny fahagagana nampanaovin’ny Tompo. Voatetin’i Nenilava avokoa i Madagasikara manontolo. Izany asa mahagaga izany dia tsy voatokana ho an’ny malagasy samirery fa ho an’izao tontolo izao manontolo. Tonga tany Norvège…Eropa…Amerika koa i Neny naneho ny fahalehibiazan’ny Tompo tany.
Toko III. Ny Fanokanana an’i Nenilava - View Photo Gallery
4.3 FANOMANANA Efa ela no nanomanan’ny Tompo azy ny amin’izao FANOKANANA izao ! - 1958: Hoy i Neny : «Nahita ny tenako toy ny ampiakarina aho, tsy hay tanterahina izany, ka nolaviko» Dia narary mafy izy, nefa tonga teo aminy i Jesoa nanasitrana azy sady nilaza fa misy zavatra lehibe tsy maintsy hatao aminy, «zavatra sarotra tsy ho vitako» hoy i Nenilava.
- 1973: Nanonofy toa fahitana izy; nametrahan’i Jesoa satroboninahitra « couronne » ny lohany. Nivavaka ho azy ny Tompo, nisy voromailala tonga teo aminy. « Misy zavatra izay hatao » hoy i Nenilava tamin’izay. «Ny fanekena hoy Jesoa, dia vita tombokase avy amin’Andriamanitra ka tsy azo ovàna…Andriamanitra dia hanosotra anao. . Tsy misy mahalala na iza na iza ny antony izany FANOKANANA izany». Naseho an’i Neny ny lokon’ny fitafiana amin’ny fanokanana azy dia mena, maitso, manga, fotsy.
- 1975: Hoy Neny : «Naboridan’ny devoly aho izay ela izay, fa izao kosa aho nampitafianao ny akanjon’ny mpanjaka. Iza no mpanjaka hanome ny akanjony ho an’ny mpanompony afa-tsy Ianao Jesoa? Voatolotra ny fanomezana. Hitako ny mason’Andriamanitra manolotra izany. Ny Fanahy Masina no manazava. Mazava tsara ny fahazavanao satria ny Fanahy Masina no mampiteny. Ny Fanahy Masina no masoandron’aina. Niboridana i Jesoa, ka ho fanakonana ny henatra no anton’izao fitafiana izao».
- 1980: Natao arak’izay hita ao amin’ny Eksodosy 28, sy ao amin’ny Apokalipsy 19 ny fanjairana ny akanjo. Lamba avy any Iran: rongony fotsy madio sy madinika izany. Nandritra ny roa taona sy tapany vao vita tanteraka ny zaitra. Toy izao ny mombamomba izany fitafiana izany : - Ny morotongotr’akanjo dia misy lakolosy, misarin’apongaben-danitra miloko manga, volomparasy ary mena. Vita tamin’ny volamena ireo lakolosy ireo. Tsy sary fe-sary ireo fa tena lakolosy natao tamin’ny tena volamena tokoa. Miisa 24 izany lakolosy volamena izany. Eo amin’ny tratran’akanjony dia nopetahana vatosoa 12, efatra isanandalany ary laharana telo misy ny anaran’ny Zanak’Israely 12 milahatra ara-pizokiany voasoratra amin’ny teny Hebreo. Eo amin’ny soroka misy vatosoa roa hafa koa: «Eméraude, beryl, amétyste, saphyr» no vatosoa nampiasaina tamin’izany.
- Ny satroboninahitra dia vita tamin’ny volafotsy tena izy misy sarin’ny ravin’ampanga ary misy miendrika ra mitete. Vola aman-tapitrisa no nolaniana nanaovana izany rehetra izany ka nampisy ady hevitra lehibe tamin’ny olona maro tamin’ny taona 1982 nahavitan’ny fanomanana rehetra… Ny endriky ny fitafiana natao nitovy toa an’ny Mpisoronabe (izay tsy misy intsony ankehitriny satria Jesoa Kristy no farany) dia miteraka resaka be teo amin’ny Fifohazana sasany sy ny mpitondra fivavahana maro sns… - 1982: Na dia tsy nomanina aza, vita soamantsara ny fanamboarana ny Fiangonana izay hanaovana ny FANOKANANA.
4.3.1 FANOKANANA
01 sy 02 Aogositra 1983 Tokony tamin’ny 10 ora sy 36 minitra niditra i Nenilava notronin’ireo vehivavy Mpiandry vitsivitsy. Be ny nitsangana mba hahatazana tsara. Tao ny nianika hazo mba hahita mazava. Napetraka teo amin’ny seza « fauteuil » i Neny. Natao ny fanompoam-pivavahana izay notarihin’i Dokotera Rasolondraibe Péri. Pastora. Dia nataon’i Dokotera Péri ny FANOKANANA Nohiraina ny hira faha 3 taorian’ny vavaka, ary nofaranana tamin’ny hira 1 ny fotoana. Nandray tanana azy ny teo akaiky rehetra mialohan’ny hiverenany any amin’ny trano fisainana. Nisy vehivavy iray izay nandohalika nanoroka ny tongony sady nitomany. Dia nanao ranolava niditra tao niarahaba azy sady nijery ny fanamiana ireo vahoaka marobe tonga tao Ankaramalaza.
Fehiny - View Photo Gallery
Na dia zanaka ombiasa malaza aza i Neny dia tsy mba nanaraka ny fomban-drainy. Efa tao aminy sahady ny antson’ny Tompo ho amin’izao asa mahagaga izao. Ny mampiavaka an’i Neny dia ny fanomezana an-dalan-tsoratra Masina ho an’ny olona rehetra izay manatona azy. Tsy manome fanazavana izy amin’izany fa avelany fotsiny ny olona handinika ny hevitry ny teny. Ny mpanoratra raha nihaona taminy dia notolorana ny Isaia toko faha-6, tamin’izay fotoana izay. Ireny teny ireny dia mifanandrify tsara amin’izay zavatra mampangetaheta ny olona manatona azy. Zava-dehibe taminy ny anjara toeran’ny mpitandrina ka hoy izy hoe : «Ento amim-bavaka aho fa be loatra ny feo miteny amiko ka mila tsy haiko intsony ny manavaka azy ireny». Misy fotoana mampangina azy tanteraka ka tsy mandray olona sady tsy miloa-bava koa. Noho ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo azy dia maro ireo olona midodododo manatona azy isan’andro. Mahazatra ny olona ankehitriny ny miantso azy hoe : MPAMINANIN’ANDRIAMANITRA. Ny fanokanana azy tamin’ny 1983 anefa no niteraka resa-be tamin’ny Fifohazana sasany. Nanjary somary nangatsiatsiaka ny fifandraisana!
Toko I. Farihimena 5.1. NY TOERANA Efatra amby roapolo kilometatra avy ao Betafo no misy azy. Avaratr’Antsirabe, faritany Antananarivo. Misy farihy hodidinin’ny harefo ao ambany andrefan’ny Fiangonana ankehitriny ka miteraka taratra mena ao amin’ny rano. Ny loko ananan’io farihy io no mahatonga ny anarany hoe: Farihimena. Toerana be hatsiaka noho izy tsy lavitra an’Ankaratra. Mamoro-potsy sy mandry ; tahaka ny fitaratra izy amin’ny ati-ririnina (May –Aogositra)
5.1.1. NY MPONINA Antsoina hoe: Vakinakaratra ny mponina ao Farihimena izany hoe: Merina. Saika tantsaha avokoa ny mponina; mpamboly ovy izay foto-tsakafo any rahateo ary mpiompy koa. Ny mponina dia somary sahirana ihany noho ny toe-tany karankaina onenany.
5.1.2. NY TEOTR’ANDRO Hafahafa ihany ny toetr’andro tamin’ny fotoana nipoiran’ny Fifohazana Farihimena. Tamin’iny faritanin’Ankaratra iny dia nanjaka tao avokoa izay mety ho faharatsiana rehetra: halatra, vonoan’olona, fanaovana toaka gasy, fitiavan-tena, fitiavan-karena, fahalianam-boninahitra, fidorohana zava-mahadomelina, fanompoan-tsampy, fijangajangana, tokan-trano imaso, sns…. Niteraka fahavoazana eo amin’ny fiaraha-monina manontolo ny vokatr’izany fahalovana izany. Niha-nitombo koa ny hetaheta te-hahazo fahaleovantena ka betsaka ny antoko Politika nipoitra tamin’izany fotoana izany. Nafana dia nafana tokoa ny resaka ny amin’ny fitiavan-tanindrazana. Lazaina tamin’izany fotoana izany fa MASINA NY RAZANA…MASINA NY TANINDRAZANA. Velona ny dina tamin’ny fitiavan-tanindrazana. Natao ny velirano isan-karazany ho amin’ny fiaraha-mitolona mba hahazoana ny fahaleovan-tena…Tamin’izay anefa dia nampiasaina ny Litorjy Kristiana sy ny fiantsoana razana. Toy izao ny fomba natao tamin’izany : - Amin’ny anaran’Andrianampoinimerina…amin’ny anaran’Ilaidama…amin’ny anaran-dRainandriamampandry …amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sns… Teo amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia nafangaro poti-tany nalaina avy tamin’ny fasana ny Divaim-Pandraisana sns… Tena fifangaroharoan’ny Fivavahana Kristiana tamin’ny fanompoan-tsampy no nitranga tamin’izany. Noho ny asa maro izay notanterahin’ny fanjakana ka nampitondra fahoriana ny vahoaka dia loa-bolana ny maro nanao hoe : «Angamba tsy mahay teny gasy intsony izao Andriamanitra izao». Maty ny aim-panahy ka dia nalemy ny Fiangonana. Lasa atao diniky ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ao am-Piangonana ny raharaham-pamadihan-drazana. Ny fanaovam-bokatra ao am-piangonana dia arahin-tehaka ho an’ny olona izay manao betsaka… Izany aizina mameno ny faritra Ankaratra sy mandrakotra ny faritra maro manerana an’i Madagasikara izany no tian’Andriamanitra hampiposahana ny mazava ka namohazana an’i Dadatoa Rakotozandry Daniel mba hitondra hafatra HAMPIBEBAKA NY OLONA REHETRA…
Toko II. Rakotozandry Daniel 5.2. NY FIAINANY Daniel Rakotozandry dia zanaka tantsaha avy ao Antanisarotra akaiky an’Isoavina fivondronan’i Betafo. Teraka tamin’ny 16 Aogositra 1919, ary farofy hatramin’ny fahazazany. Nanana aretin-dratsy kitoratorana izay nitaiza azy izy. Nampijaly azy sy ny raiamandreniny ny fisehoan’izany aretina izany. Tamin’ny faha-8 taonany dia efa nametrahan-tanana nanaovana asa-fampaherezana izy. Tao aminy sahady ny faniriana te-hahita maso an’i Jesoa tamin’izany fotoana izany. Rehefa feno folo taona izy dia nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly Fanabeazana Fototra an’i Misiona Norveziana tao Betafo. Noho ny aretina nitaiza azy dia voatery nentina nody mba hotsaboina any an-tanànany izy. Tamin’ny faha-12 taonany dia nentin-drainy tany amin’ny mpanao ody (mpimasy) izay tsy nahitam-bokatra akory izy. Indray andro dia torana naharitra fotoana ela izy ka efa nataon’ny rehetra fa maty mihitsy. Efa vita mbamin’ny dinika ny fandevenana sy ny fomba rehetra fanao amin’ny maty… Tamin’ny alàlan’izany torimasom-pahafatesana maharitra izany no nisehoan’ny Tompo taminy. Hoy indrindra ny fitantarany izany : «Indro hitako olona miakanjo fotsy lava, niforo teo anilako niteny tamiko hoe: «Raha matoky Ahy ianao, dia hositraniko amin’ny aretinao». Nanaiky ny teniny aho, ka dia taitra ary velona sady afaka tamin’ny aretiko.
Niverina nianatra indray izy ka nahita fahombiazana hatrany mandra-panalany ny fanadinana C.E.S.D. Ny tsy fahafahany fanadinana «1ère serie» hakana ny mari-pahaizana C.E.S.D no niteraka famoizam-po taminy ka nahatonga azy nikomy tamin’ny Tompo. Tonga nitsara an’Andriamanitra ka niteny hoe: «Mizaha tavan’olona izao Andriamanitra izao… koa raha tiany marina aho … nahoana no tsy nataony afa-panadinana… tsy handeha hivavaka intsony aho manombok’izao…». Dia notanterahany ara-bakiteny tokoa ny teniny ka tsy niraharaha Fiangonana intsony izy.
Niseho taminy tao anatin’ny torimaso indray ny Tompo ka nanontany azy hoe: «Rakotozandry, inona izao ataonao izao ?» Taitra tampoka izy sady niarina ka avy hatrany namely totohondry Ilay olona manao akanjo fotsy lava niteny taminy. Indrisy anefa, ny farafara indray no voan’ny totohondry nalefany ka nampanaintaina fatratra ny tanany. Taty aoriana dia mbola niseho sy niresaka taminy ihany Ilay olona miakanjo fotsy lava nefa tsy norarahiny akory ary nanaovany teny an’avona aza. Tsy nety nangina tao anatiny ny fiantsoana azy ka nanaiky tsy sazoka izy hampianatra tao amin’ny sekoly Misiona tao Tsaratanana na dia tsy sitrany ny ho mpiasam-piangonana. Nandray andraikitra tamin’ny fampianarana Sekoly Alahady izy ary notendrena ho Katekista ihany koa… Manana fanomezam-pahasoavana mamantatra ny zava-miafina ao am-pon’ny olona izy ka nanjary fitaovana nampandroso ny asa maha-Katekista azy izany. Mora taminy ny mandresy lahatra ny olona hanolo-tena ho an’Andriamanitra.
5.2.1 RAKOTOZANDRY NIANATRA PASTORA Tafiditra hianatra Mpitandrina tao Ivory Fianarantsoa izy tamin’ny 1942. Nisosa soamantsara ny fianarany ka tsy dia nisy zavatra nanahirana azy akory tamin’ny fianarana. Tamin’ny famaranana ny taona faha–3 dia narary mafy indray izy ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Nandritra ny 40 andro izy no notsaboina tao amin’ny Hopitaly. Na dia niaritra fangirifiriana mafy aza izy nandritra izany fotoana izany dia finaritra kosa noho ny herin’ny Tompo miasa ao anatiny. Tsaroany tamin’izany ny Tompo nalain’ny Devoly fanahy tany an’efitra 40 andro sy 40 alina mialohan’ny hirotsahany amin’ny asam-pamonjena an’izao tontolo izao. Raha nitantara ny aretina nahazo azy izy dia izao no nolazainy : «Misy rivotra mifofofofo mibosesika niditra eo amin’ny vavoroko ka sempotra tahaka ny olona nasitrika tao anaty rano aho. Rehefa lasa iny, dia nisy indray zavatra ngezabe sahala amin’ny tendrombohitra maintibe aseho ahy, ary ao anatin’io dia misy feo miteny hoe: «Ity ny fahotanao Rakotozandry; mbola manantena ho voavonjy ihany ve ianao amin’izao? Very ianao ka tsy azo vonjena intsony fa tsy maintsy lasa any amin’ny afobe ianao». «Tsy indray mandeha no nisehoan’izao tamiko hoy izy, fa matetika tokoa. Saika nandaitra tamiko ihany ireo zavatra nolazaina ahy ireo ka nahatonga fahaverezan-kevitra ho ahy izany. Ny fianarako no tena nahalasa fisainana ahy satria efa lasa lavitra ny programa nataon’ireo miray kilasy amiko». Fahagagana mahazendana ny nahavitan’ny fianarany. Nivoaka soamantsara izy ny 25 Janoary 1946 ary notendrena ho Pastora any Farihimena. 5.2.2. RAKOTOZANDRY Pastora. Ny Alahady 25 Mey 1946 dia natolotra ho Pastora hitondra an’i Farihimena izy. Somary nahakivy ny mpiangona ny fahitàna azy kaozatra mahia sady keliray koa. Noho ny herim-panahy tao aminy dia resy lahatra avokoa ny olona rehetra nihaino azy. Ny famangiana rehetra izay nataony dia nahazoana olona nibebaka avokoa. Ny olona sasany tao an-tanàna kosa dia nioko hamono azy noho ny toriteny nataon-dRakotozandry izay niantefa tamin’izy ireo. Noraisin’ireo olona ireo ho manalabaraka azy Rakotozandry. Na dia teo aza izany teti-dratsy rehetra izany dia tsy nampaninona azy velively. Indray andro dia nitomany nigogogogo tao an’efitrano izy. Taitra ny manodidina nony nandre izany ka lasa nanatona nanontany azy. Dia hoy Rakotozandry hoe: «Maty…Maty ny havako…» sady mbola misento izy niteny izany. Dia namangy azy tamin’ny fahoriana ny olona tonga teo sady mbola namotopototra ihany. Dia hoy ny navaliny: «Ianareo no havako ary ianareo koa izao itomaniako andatsahako ranomaso izao… Maty izao ianareo miresaka amiko izao… Ny olona tsy manana an’i Jesoa… ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra…ny olona tsy mety mibebaka… izany no olona maty…nefa matokia fa irahin’i Jesoa hanangana anareo amin’ny maty aho». Nony nandre izany ny olona dia nibebaka tamin’ny ranomaso. Indray andro dia talanjona ny olona manao raharaha tao an-tranony maheno azy mihira miaraka amin’ny anjely. Izy irery anefa no ao am-pandriana kanefa ny feo dia olona roa. Hira tsy tahaka ny fihiran’ny olona azy andavanandro fa kanto dia kanto noho ny feon’anjely miaraka aminy. Ny hira faha-372 no nataon’izy ireo tamin’izany.
Noho ny tsy fahasalamany dia matetika no tsy tonga niangona tao am-piangonana izy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tonga namangy azy ny mpiangona taorian’ny firavan’ny Fiangonana. Dia hoy izy tamin’ireto olona tonga tao an-tranony: «Ny Tompo efa nilaza tamiko teto fa ny devoly no nitoriteny androany». Dia nipotsipotsiriny avokoa ny toetran’izy rehetra tonga teo. Taitra sy nihanahana izy ireo ka rifatra nandositra ny ankamaroany. Ny sasany nijanona ihany….ireo izay nandositra dia nahatsiaro tena ka niverina tsikelikely ihany. Noraisin’i Pastora Rakotozandry ny Filazantsara ka nampianatra azy izy. Dia samy nibebaka ny olona, eny, na dia izay mafy fo indrindra aza. Hatramin’izay dia maro be ny olona tonga tsy tapaka nibebaka sady nanatitra izay zavatra noheveriny fa namitaka ny fony sy namonoany ny fanahiny: ny ody sy ny sampy isan-karazany… ny firavaka volamena izay nitarika tamin’ny fijejojejoana.. ny tongobolo nandaingana tamin’ny nihinanam-paraky ….ny damizana izay fanaovana toaka gasy nanapoizina ny fiainan’ny olona maro sns…. Ny 26 Aogositra no nitrangan’izany fibebahan’ny olona marobe izany ka lasa daty malaza tsarovana isan-taona izany…. 5.2.3. NY FIAINAM-PANAHY NANANAN’I DADATOA RAKOTOZANDRY Daniel
A) – ADY TAMIN’NY OMBIASA Narary mafy ny zanaka anabaviny tamin’izany fotoana izany. Rehefa tonga hamangy azy anefa izy dia tsy tratrany tao an-trano intsony fa efa lasa nentina ho tsaboina any amin’ny ombiasa…Noteneniny mafy ny raiamandreniny noho izao finoanoam-poana izao sady noraisiny teo anatrehan’ilay ombiasa ny zaza marary ka nobabeny. Teny an-dalana dia nivavaka sady nitomany Rakotozandry noho ny zaza nentina tany amin’ny ombiasa. Nony tonga tany an-trano anefa dia maty ny zaza. Tsy voamarik’izy ireo akory ny fanjohin’ilay ombiasa azy ireo avy ato aoriana. Mbola nanome toky azy ireo ilay ombiasa ka niteny hoe: «Tsy maty io fa raha maty dia haleviko eto an-tampon-kandriko». Nanao izay azony natao tokoa ilay ombiasa kanjo niala maina tsy nahavita na inona na inona intsony…. Nanandratra vavaka mafy dia mafy Rakotozandry mba ho ren’ilay ombiasa: «Andriamanitra ô aza omena ny hafa ny voninahitrao fa asehoy eto mba hampiaiky ity Jentlisa ity. Amena». Lasa rifatra nandositra ilay ombiasa tsy nahandry akory ny fiafaran’ny vavaka. Ilay zazakely kosa dia velona ka niarina ary niteny hoe: DADATOA, DADATOA, tamin’i Rakotozandry Daniel…. Hatramin’io fotoana nitsanganan’ilay zazakely tamin’ny maty io dia lasa anarana raikitra fiantsoan’olona azy ny DADATOA.
B) – NY VAVAKA Voalazan’ireo vavolombelona nanatri-maso fa nahatratra eninjato (600) ny tonom-bavaka vitan’i Dadatoa isan’andro. Tsy misy fotoana tsy ahitàna azy mivavaka. Saika isan’andro izy no mitokana mandohalika mivavaka ao an-tapon’i Farihimena. Ao amin’ny tendrombohitra tokony ho 4 kilometatra avy ao an-tanàna. Eo an-tampon’io tendrombohitra io dia misy lemaka antsoina hoe : an-tany malalaka; ka ary amin’ny sisiny atsinanana dia misy ilay toerana fitokanan’i Dadatoa atao hoe: Getsemane. Tao amin’ity toerana ity no mahavatra mivavaka ora maromaro izy. Isaky ny mivavaka izy dia latsa-dranomaso hatrany. Rehefa mitari-bavaka ao am-piangonana izy dia miara-migogogogo tsy ifandrenesana ny olona rehetra manatrika eo.
D)- FAMPIBEBAHANA «Ny hira rehetra hirainareo dia diniho tsara ny tonon-kira… Aza variana mijery fihirana fotsiny fa eritrereto lalina izay voalaza… Raha izao no mitohy dia ho maro no ho tonga any amin’ny helo….mifonà…mibebaha…ataovy izay hataonareo ahy, fa tsy maintsy mampiala anareo amin’ny fahotanareo aho… lelafiko ny faladianareo mialà amin’ny fahotanareo ianareo…. Ny Fifohazana dia fialàna amin’ny torimaso ka manatona sy mandray ny mazava».
E) – NY FAMPIANARANY Ny famakiana ny Baiboly no maminy sy tiany indrindra hatramin’ny fahazazany. Ny fampianarana rehetra izay nataony dia miorina amin’ny alàlan’ny Soratra Masina. Hoy indrindra izy: «Ry zanaky ny Filazantsara… hatony ny Pastoranareo ka mianara Soratra Masina aminy. Takio aminy ny hanokanany fotoana mba hampianatra anareo…. Tsy misy nampahiratra anareo afa-tsy ny Soratra Masina ihany. Ny Soratra Masina no hanitsy ny dianareo mba tsy hivilivily ary izy irery ihany no hahazoanareo hery ho enti-mandresy amin’ny zavatra rehetra… Raha tsy ny Soratra Masina no mamoha ny olona dia mifohafoha foana izy».
5.2.4. IREO ZAVATRA MITERAKA ADY HEVITRA AMIN’NY FIFOHAZANA ANAOVAN’I DADATOA TENY MANOKANA
1) FAMOAHANA DEMONIA Rehefa mandre sy mandray ny tenin’Andriamanitra ny olona dia mora avokoa ny mamoaka demonia. Samy mahavoaka ny demoniany avokoa ny olona rehetra rehefa mino ny Filazantsara. Kanefa tsy maintsy mianatra sy miomana ary voatokana marina vao mahazo mametra-tanana.
2) FANOAVANA Tena ara-Pilazantsara ny fanoavana ny mpitondra na ara-panahy na ara-nofo. Ny olona mifoha hoy izy dia mpanara-dalàna.
3) NY FANAFODY Raha inoanao fa hahasitrana anao ny fanafodin’ny dokotera hoy izy, dia sotroy araka izay, ary inoy fa na dia ao aza ny fahaizan’ny dokotera dia ao koa ny hevitr’Andriamanitra. Ny tenako hoy izy dia mba notsaboin’ny dokotera koa (Aogositra – Oktobra 1945) tao amin’ny hopitaly Antsirabe.
4) NY SAKAFO SY FITAFIANA Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinana na fisotroana (Roma 14/17). Tsy ny tarehim-pitafiana no maha-Kristianina nefa tokony ho maotina ny fitafiana.
5) FAMPIHAVANANA. «Tsy ampy ny fibebahana raha tsy hihavana sy hifamela heloka amin’ny namana».
6) NY FAHITANA SY NY NOFY «Aza maniry ny hahita fahitàna sy hanonofy fa betsaka ny voafitaka amin’izy ireny. Tsara ny mifikitra amin’ny tenin’Andriamanitra irery ihany.»
5.2.5. NY FIAFARAN’I DADATOA RAKOTOZANDRY DANIEL Tonga tao Farihimena nanao ny asa Pastoraly tamin’ny volana Mey 1946 izy. «Fantatro fa ny Filazantsara nampianarin’ny mpampianatro rehetra ahy no naha-toy izao ahy. Ary tsy Jesoa Kristy lavitra no nikarakara ahy fa Jesoa Kristy nampiasa ny fitiavany ahy tamin’izay rehetra nalehako. Tsy tia Azy aho, kanefa tia ahy Izy, ka resin’ny fitiavany aho. Ta-handao Azy aho kanjo tsy mba nandao ahy Izy. Namono Azy aho, nefa Izy nivavaka ho ahy ka tonga zanak’Andriamanitra aho. Fantatro izany ka tsy hiady Aminy intsony aho, fa hianatra Aminy kosa. Ho toy izany anie ny Malagasy namako rehetra hoy izy. Nitokana nivavaka tao an-tany malalaka ao an-tampon’ny Farihimena izy. Niseho taminy tao ny Tompo ka niteny hoe: «Rakotozandry malala ! miandry anao any am-piangonana ny olona… ka mankanesa any…» Dia namaly Dadatoa ka nanao hoe: «Inona no tianao ho lazaina amiko amin’izany Tompo ô fa vonona ny hanao ny sitraponao aho». Dia hoy indray Jesoa taminy: «Miandry anao ny olona fa mahay mitoriteny ianao… mahay manasitrana ianao… mahavita fahagagana ianao… te-hahita anao ny olona … Takona ny voninahitro fa tsy Izaho intsony no tadiavin’ny olona fa ianao… Aza malahelo Rakotozandry malala ô! hianao no hiaraka amiko, hiaraka isika roalahy izao ary ny asa tsy vitanao aty hataoko»
Rehefa tonga tao am-piangonana izy dia nananatra ireto vahoaka marobe niandry azy ary nandidy azy ireo mba hibebaka ka hitodika amin’ny Tompo. Tamin’ny faha-9 volana Novambra 1947 dia tsy afaka nampandray intsony Dadatoa Rakotozandry. Hoy izy hoe: «Telo andro sisa dia ho faty aho, kanefa mbola betsaka ny trosa mbola tsy voaefako. Teo anilany tamin’izany fotoana izany i Neny Ravelonjanahary niresaka taminy. Nanontany azy i Neny hoe: «Inona no nolazain’i Jesoa anao?» Dia namaly am-pitsikitsikiana izy hoe: «Andao…andao…avia aty hiala sasatra». Ary ny faha-13 ny volana Novambra dia afaka tamin’ny fahasambarana feno ny ainy. Fehiny Dadatoa Rakotozandry Daniel Pastora dia zatovolahy nafana fo tamin’ny fitoriana ny Filazantsara ho fampibebahana ny olona. Ny masony dia miantefa amin’ny olona tsirairay mihaino azy teo am-pitorianteny ka nahatonga ny olona ho voatsindrona mandrakariva tao am-pony ary nibebaka. Ny fahoriana mafy nianjady taminy no nananany herim-panahy mahagaga izay nahavitany ny asa mampitolagaga notanterahin’ny Tompo tamin’ny alàlany. Tao anatin’ny aretina mafy indrindra no nahatsapany fa tena akaiky azy tokoa ny Tompo. Naminany ny amin’ny ho avin’ny Fiangonana sy ny Fifohazana izay efa tanteraka avokoa izy. |