November 20, 2007 -
NY TANTARAN’NY FIFOHAZANA SOATANANA
January 27, 2009 -
NY FIFOHAZANA MANOLOTRONY
January 27, 2009 -
BABA RAJAOFERA
VATOTSARA - ANTSIRABE
January 27, 2009 -
Toko I. Ny Fiainany
January 27, 2009 -
Toko II. Ny Asany
January 27, 2009 -
Fehiny
January 27, 2009 -
NY FIFOHAZANA ANKARAMALAZA
(Volahavana Germaine)
January 27, 2009 -
NY FIFOHAZANA FARIHIMENA (RAKOTOZANDRY
Daniel)
January 27, 2009 -
Toko I. Farihimena
January 27, 2009 -
Toko II. Rakotozandry Daniel
January 27, 2009 -
Fehiny
View Photo Gallery
Toko I. Soatanana
Print
November 19, 2007
1.1/ FAMARITANA ANKAPOBENY
Soatanàna no anaran’ny Foiben-toerana misy ny fifohazana. Tsy tongatonga ho azy
anefa izany fa antony maro izay nikotrehin’ny tantara no nampiharihary ny tsy
fivadihan’Andriamanitra teo amin’ny Fanekena efa nataony. Ny zavatra maro
mifamahofaho ao anatin’izany tantara izany ka nampisy ny atao hoe tantara no
maneho fa Izy Andriamanitra no Tompon’ny tantara sady miasa ao anatin’izany
tantara izany.
1.1.1/ NY TOERANA SY NY MPONINA
A/ Ny toerana:
Eto Madagasikara, ao amin’ny Faritany Fianarantsoa, 51 Kilaometatra
miankandrefana somary mianatsimo kely no misy ny Firaisam-pokontany Soatanàna (taloha
dia tao anatin’ny Firaisana Isorana no misy azy, fa ankehitriny noho ny
fahabetsahan’ny mponina dia novàna ho Firaisam-pokontany. Fokontany 6 no miaraka
aminy: Ampolatany (na koa Ampolotany na Ampelatany), Ambalalovana (na
Ambalalalovana), Iandemoka (na Iandremoka), Iarinarivo, Soanjoandrano,
Ambalamarina. Ao anatin’ny Fivondronan’i Fianarantsoa II, dia ao amin’ny
Faritr’Isandra izay faritra tena Betsileo.
B/ Ny mponina:
Azo lazaina ho isan’ny faritra be mponina indrindra amin’ireo tanàna manodidina
azy i Soatanana ankehitriny. Izany fahamaroan’ny mponina izany dia nateraky ny
asam-PIFOHAZANA avokoa. Ny mponina 6 000 ao anatin’ny Firaisam-pokontany dia 4
500 no monina ao Soatanàna avokoa. Malagasy avokoa ny mponina ao Soatanàna nefa
na dia izany aza dia hita ao avokoa ny foko rehetra manerana an’i Madagasikara
noho ny tantaran’ny Fifohazana.
1.1.2/ NY FIDIRAN’NY FILAZANTSARA TAO SOATANANA
Toy ny faritra rehetra eto Madagasikara koa i Soatanàna izay nilomano tanteraka
tao anatin’ny fanompoan-tsampy talohan’ny fidiran’ny fivavahana Kristianina.
Làlana 3 no azo tondroina ho nahatongavan’izany fivavahana izany tany amin’iny
faritra iny :
a) Ny Manamboninahitra
- Efa noraisin’ny tany Imerina ny fivavahana notorian’ireo Misionera voalohany.
Betsaka ireo miaramila manamboninahitra no babon’ny Filazantsara. Ny fanendrena
azy ireny hipetraka tany Fianarantsoa no nampiely ny fivavahana Kristiana tany
amin’ny manodidina rehetra tany. Nohon’ny fifangaroharoan’ny raharaham-panjakana
(politika) sy ny raharaham-pivavahana vao mainka nanamora ny fihanaky ny
Kristianisma. Ny manamboninahitra sy ny miaramila miaraka aminy dia sady
mitondra fitaovam-piadiana no mivimbina ihany koa ny Filazantsara. Sady
mpampandry tany no mpitory ny Filazantsara. Sady manitatra ny fanjakan’ny
Mpanjaka no maneho koa ny Fanjakan’Andriamanitra. Tafiditra vokatr’izany ny
fivavahana Kristiana.
b) Ny fanenjehana
- Rehefa tonga ny fanenjehana tamin’ny andron-dRanavalona I (1828 – 1861) dia
maro ireo Kristiana nijoro hatramin’ny farany ka namoy ny ainy ho maritiora. Tsy
vitsy koa no nandositra avy any Antananarivo sy ny manodidina ka niparitaka
mieli-patrana manerana an’i Madagasikara. Na dia nandositra tahak’izany aza izy
ireny, tsy navelan’ny Fanahin’Andriamanitra ka notereny mba hijoro
vavolombelon’i Jesoa Kristy, tao ny nanenina noho ny fandosirany ka nitory an-karihary,
tao kosa ny nanao izany tamin’ny miafina ka rehefa nitsahatra ny fanenjehana dia
mora tamin’izy ireo ny nanorina ny Fiangonana ka niha-fantatry ny Betsileo ny
fivavahana Kristianina.
d) Ny Asa Misiona
Ny fitoriana Filazantsara nataon’ireo Misionera dia nanamafy orina ny
fijoroan’ny fivavahana Kristiana.
- Ny L.M.S ( London Missionary Society)
Fikambanana mpandefa Misionera avy any Angletera izay niorina tamin’ny taona
1795 no mpamakilay voalohany taty Madagasikara. Rehefa tonga teto M/kara izy
ireo tamin’ny taona 1818 dia nidina nianatsimo taty Fianarantsoa tamin’ny taona
1870. Ny Misionera M. Richardson no iraka niasa tao sy teo amin’ny manodidina
tamin’izany fotoana izany.**
** Ny faritany Fianarantsoa dia tena zanaky ny L.M.S izay
lasa FJKM tamin’ny 1968. Ny tantaran’ny fidiran’ny Filazantsara tamin’iny
faritra iny na tamin’ny alalan’ny Manamboninahitra na tamin’ny alalan’ny
fanenjehana , indrindra fa tamin’ny alalan’ny Misiona L.M.S dia mampiseho fa avy
amin’ny FJKM no nipoiran’ny Fifohazana voalohany. Vokatrin’ny fifanarahana teo
amin’ny fizaram-paritany nataon’ny Misionera no nahatonga an’i Soatanàna ho
sahan’ny Loterana.*
Tamin’ny 1871 dia tonga taty Betsileo ny Misiona Katolika nefa tsy dia nahomby
firy ny asany tamin’izany ary saiky niala maina mihitsy aza. Taty aorian’ny 1896
vao namirapiratra tany ny fivavahana Katolika vokatry ny fanenjehana ny
fivavahana Protestanta (ho hitantsika aoriana kely ny tantaran’izany).
Tafiditra teto Madagasikara ny Misiona Norveziana tamin’ny taona 1866, ka
tamin’ny taona 1875 vao afaka nitsofoka tany Betsileo ary tamin’ny taona 1877
niditra tao Soatanàna.
1.1.3/ NY TOE-JAVATRA NITRANGA TAMIN’NY FOTOANAN’NY FIFOHAZANA
Tsy nisaraka tamin’ny tantaran’ny Fiangonana ny andro mahory , kanefa
tamin’ireny rehetra ireny no maneho ny heriny sy ny fahefan’Andriamanitra satria
Andriamanitra miasa Izy. Zavatra 5 lehibe no nanahirana sy nandiso fanantenana
ary nampamoifo ny olona mialoha sy tamin’ny vanim-potoana nipoiran’ny
Fifohazana. Ireo ZAVATRA 5 LEHIBE IREO NO ANTONY NAMPISY NY FIFOHAZANA. Tsy
izany akory no niteraka ny Fifohazana fa ny toe-javatra no mitaky ny Fifohazana.
1) Ny Fanjanahana nataon’ny Fanjakana Merina
Ireo manamboninahitra sy ny miaramilany dia nanery ny vatan-dehilahy 10 taona no
ho miakatra mba handoa hetra, vola ariary isan’olona no tsy maintsy naloan’ny
tsirairay tamin’izany (tokony ho 7 arivo ariary izany raha amin’ny vola
ankehitriny). Tsy nisy afa-niala tamin’izany afa tsy ny andevo sy ny miaramila
ihany. Ny tsy nanan-kandoavana an’io hetra io dia namidy ny fananany. Nanampy
an’izany koa ny FITIA TSY MBA HETRA, izay entina hanaovana ny asa sosialy kanefa,
mbola nisy fanerena an-kolaka ihany ny famporisihana ny olona handray anjara
amin’izany. Lany fananana ny olona sady tsy nanana fahafahana ary nahantra
indrindra ka feno sento lava.
2) Ny Asan-dahalo
Mitovy amin’ny habibiana ataon’ny dahalo ankehitriny ny zava-misy tamin’ny taona
1870. Halatr’omby, fambaboana fananana, famonoana olona, fandoroana tanàna,
fakana ankeriny ny vehivavy, sns… Izay tanàna nandalovan’ny dahalo dia feno
fatin-dehilahy miapatrapatra tamin’izany ary lasa haolo tanteraka. Ny tanàna
sisa tsy voatafika tamin’izany dia niaina tao anatin’ny tahotra sy tebiteby
mandrakariva. Malagasy samy Malagasy no nifampifahavalo sy mifamono. Mandry
andriran’antsy ny faritr’i Betsileo indrindra fa ny faritra andrefana. Koa na
andro na alina dia tsy nisy fiadanana fa horohoro lalandava. Tsy nisy hery hafa
azo antenaina mba hanavotra izao andro mahory loatra izao.
3) Ny areti-mandringana
Tsy ny fanjakana sy ny asan-dahalo ihany no naha very hevitra ny olona
tamin’izany fotoana izany fa tao koa ny aretina izay tsy nahitam-panasitranana
nandritry ny taona maro. Namely ny tazo mahery vokatry ny fisian’ny moka be
loatra sy ny kirihitr’ala mbola natevina tamin’izany. Vokatry ny fahantrana sy
ny tsy fahampian-tsakafo dia tsy nahatanty izany aretina izany ny olona ka toy ny fatim-balala no fijery azy ireo mitsitsitra eny ho eny. Nanjary niakaran’ny
ferifery toy ny habokana ny olona sasany. Simba tanteraka ny tontolo iainana
satria tamin’y toerana sasany indrindra teo anelanelan’ny taona 1893 ka
hatramin’ny 1895 dia betsaka ny faty tsy voalevina intsony, ary maimbo koa ny
fery eny amin’ny olona. Nanjaka ny fanendrikendrehana mosavy tamin’izany.
Antsoantso-mpitarainana arahin-dranomaso no nipoitra tamin’ireo hany sisa velona
: indrisy….indrisy…ringana izahay mianakavy !
4) Ny Katolika
Anisan’ny toe-javatra niteraka ratra mafy tamin’ny Kristiana dia ny
nafitsok’ireo pretra sasany nanararaotra ny fahazoan’ny Frantsay an’i
Madagasikara ho zanatany (30 Sept. 1895p. Niezahan’izy ireo ny hamono tanteraka
ny Fiangonana Protestanta noho ny tsy nahazoany toerana firy tamin’ny andron’ny
Mpanjaka. Noheverina ho fivavaham-panjakana mihitsy ny protestanta tamin’izany
faha-mpanjaka izany ka tsy afa-nipoitra mihitsy ny Katolika. Koa satria malaza
ho Katolika ny maro an’isa any Frantsa dia niezaka nanao valifaty izy ireo mba
hamongotra tanteraka ny protestantisma. Betsaka ny trano Fiangonana protestanta
no nobodoina fotsiny izao. Ny Mpitandrina sasany vokatry ny tondro molotra
fotsiny dia nogadraina sy novonoina koa ary nampangaina ho mpiray tetika
tamin’ireo Menalamba mpikomy. Ny samy Kristiana indray no nifampifahavalo ka
nanjakan’ny fankahalana feno…Ny fitsofohan’ny L.M.S an-tsehatra nifandray
nivantana tamin’ny M.P.F (Mission Protestante Française na Société des Missions
de Paris) izay nandefa misionera Frantsay no nampitony ny raharaha.
5) Ny Menalamba
Raha vao lasa zanatanin’i Frantsa i Madagasikara dia nipoitra sahady ireo
antokon’olona maromaro nanao ady anaty akata hanohitra ny mpanjanaka. Nalahelo
fatratra tokoa ireo antokon’olona maromaro ka nanao velirano sy nilefona omby ho
amin’ny dinam-pitiavan-tanidrazana. Zavatra 3 lehibe no nanehoany firaisan-kina
tamin’izany :
- Raha tsy terak’Andrianampoinimerina sy Ilaidama no manjaka amin’ity tany
Madagasikara ity dia lavintsika ;
- Raha ny fivavahana Kristiana no hatao dia lavintsika
- Raha ny sivilizasiona frantsay no hatao eto dia lavintsika fa aleo maty
manaraka Ombalahibemaso toy izay manompo ny Frantsay ka izay tsy mety manaraka
izao fiarisan-kina ataontsika izao dia ny tenany no vonoina ho faty ary ny
fananany ho baboina satria tsy tia ny tanindrazany(2).
Nahazo vahana tanteraka ny fanompoan-tsampy. Niatrika fanenjehana indray ny
Kristiana rehetra. Maty ny Misionera tao Arivonimamo Atoa W. JOHNSON 3 mianaka
tamin’ny 22 Novambra 1895. Kristiana maro no nanara-dia azy ka lasa maritiora
indray. Trano Fiangonana maro no may kilan’ny afo. Naely tamin’izany fotoana
izany ny hoe : « Tetika nampiasan’ny Misionera ny fivavahana Kristiana mba
hahavariana ny Malagasy sady lalàna nomanin’ny vazaha mba hahazoana maka an-keriny
an’i Madagasikara ho zanataniny ». Tena nandaitra tokoa izany tsaho izany ka
tsy vitsy ny Kristiana voarebireby ary miray tsikombakomba tamin’ireo Menalamba
nivadika ho fahavalon’ny Kristianisma indray.
Raho mainty mitatao sy aizina mikitroka no indro manarona ity firenena mahantra
ity sady nanamparan’ny satana ny heriny sy ny fahefany. Ilay fandravana no
nanaram-po tanteraka ka nampijaly, namono, nandringana, nampisaraka, nandranitra
fankahalana saika manerana ny Nosy manontolo. Toa tsy misy fanantenana intsony
fa nilentika tamim-pitarainana tsy nahazoam-baliny ny maro. Izany toe-javatra sy
toetr’andro izany no nanehoan’Andriamanitra ny heriny ka namohazana lehilahy
malagasy iray hampaherezana an’i Madagasikara.
back to top
View Photo Gallery

Toko II.
Dada Rainisoalambo
November 19, 2007
1.2. AMBATORENY
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy (Mpit. 3/1)
Ny fotoanan’Andriamanitra anefa no miafina amin’olombelona, satria samihafa ny
fiheveran’Andriamanitra y ny fiheveran-dRaolombelona (Isaia 55/8). Misy
vanim-potoana toa mangina tanteraka Andriamanitra ary amin’ireny indrindra no
misy manazimbazimba sy manao vava-manakatra ny lanitra ((cf.Salamo 73). Matetika
amin’ny fotoana maha-lany aiky ny olona ka tsy ahitana mangirana intsony satria
tapi-dalan-kaleha no indro mitsofoka Andriamanitra. Miharihary amin’izany fomba
fiasan’Andriamanitra izany ny maha-Tompon’ny teny farany Azy. Tsy mifarana
tamin’ny ZOMA MASINA tsy akory ny tantaran’i Jesoa Kristy Tompo fa mbola misy ny
marainan’ny Alahady… Efa nanaovan’Andriamanitra Fanekena tamin’ny alalan’ny
fanirahana ny MISIONERA ity Madagasikara ity…Efa nisy olona namoy ny ainy ho
maritiora noho ny fitiavana an’i Kristy , ka tsy hafoin’Izy Tompo na hoviana na
hoviana mihitsy. Na dia nanarona ny tany aza ny aizim-pito, Andriamanitra dia
mbola namela SISA. Ny vavaka mangina, ny fo torotoro sy mangorakoraka tsy mba
ataon’Andriamanitra tsinotsinona (cf . Sal 51/17). Ao anatin’ny ranomaso sy
sento lava noho ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena (cf. Ezek. 9/14-11), misy sisa ONENA (mahatsiaro maharary). Kanefa kosa mbola mifaly amin’ny
fanantenana… Dia hoy Jehovah « Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko…efa reko ny
fitarainany…fantatro ny alahelony dia efa nidina Aho izao hamonjy… » (Eks.
3/7-8) Andriamanitra anefa tsy miasa irery fa miantso sy mifidy olona mba
hataony fiasam-pamonjena hitondra ilay DIDY VAOVAO ho an’i Madagasikara
manontolo. Tao Ambatoreny andrefan’i Soatanana no misy tanàna kely atao hoe : Ambalavato no nonenan’Ingahy Rainisoalambo. Tao amin’io tanàna io
miendri-dohasaha ambany andrefana somary mianatsimo kelin’Ambatoreny io no
niandohan’izany tantara izany.
1.2.1 RAINISOALAMBO MPANOMPO SAMPY
Marambasia (na olona madio tànana na koa olona voatokana mahazo
mifampikasokasoka amin’ny andriana) sy mpanompo sampy nitokian’ny andriana ho
mpitaiza (=mikarakara sy mitsabo) ny zanany, ny raiaman-drenin-dRainisoalambo.
Noho izany dia nobeazina niaraka tamin’ny zanak’andriana koa Rainisoalambo.
Nandimby an-drainy tamin’izany andraikitra izany izy rehefa lehibe. Nankamamy
ody sady nanana ody maro nataony ho fiarovan-tena izy. Lehilahy manan-tsaina
sady nikoizana teo amin’ny fahaizana adi-kabary (don-tany, kapo-tandroka :
kabary feno fandripandrika). Matetika izy no nirahin’andriana mba ho mpitondra
ny teniny. Noho ny lazany dia maro ny olona tonga niangavy azy mba ho mpamaly
kabary. Noho ny fahaizany dia noraisin’ny olona ho toy ny mpisolo vava izy teo
amin’ny raharaha sarotra rehetra ; tamin’ny toerana rehetra nalehany dia saika
nitampim-bava avokoa ny mpifanandrina kabary taminy sy niaiky azy ny mpihaino
ary resy lahatra ny andriana. Lehilahy tsy mba nety afa-po tamin’ny toerana nisy
azy izy ka nony efa zokinjokiny dia tsy nanao intsony ny asan’ny marambasia fa
nitady làlana indray hahazoam-bola amin’ny fambolena vary.
Toerana mahavokatra rahateo ny faritra nisy ny fonenany ka nihevitra izy fa ho
vetivety foana dia hanan-karena. Teo ampanatanterahana izany fambolena izany dia
notandremana fatratra ny andro fady atalata sy alakamisy.
Nafafy teny an-tanim-bary ny fanafody fiarovana amin’ny havandra. Nantsoina
ny razana hitahy ny asa mba hahazoana vokatra betsaka.Taranaka mpilalao ody
mahery sy mpanao sikidy rahateo izy. Lalim-paka tsy azo ozongozonina ny
finoan’ny olona ny sikidy tamin’izany fotoana izany ary miainga avy aminy avokoa
ny zavatra rehetra atao. Ny sikidy no fototry ny fihetsehana rehetra. Raha misy
zavatra mampanahy ny olona dia manatona an’i Rainisoalambo izy ireo mba hila
hevitra, ohatra : mpanonofy ratsy. Noho izany raha mampanao zavatara izy, na
dia sarotra aza dia tsy maintsy ataony ihany. Ohatra: milaza ny sikidy hoe : mpamosavy dadanao, ialao ny vadinao fa manao ody ratsy, ialao ny tanimbolinao fa
misy tsiny. Mitondrà omby fa raha tsy manao izany dia maty ianao sns...Dia
rafitra manantanteraka miaraka amin’izay ilay olona manatona azy na dia sarotra
sy manahirana aza. Hamorona tanimboly ve? sa hanori-trano, sa hampakabady, sa
handeha lavitra sns...Ireo rehetra ireo dia anontaniana sikidin’i Rainisoalambo
avokoa hoe: mahasoa sa tsy mahasoa ? Mety sa tsy mety? Koa izay voalazany dia
tsy maintsy ekena na sarotra na mora.
Amin’ireo ody maro nananan’i Rainisoalambo dia ireto no manana ny maha-izy
azy manokana:
- odi-tolaka: atolaka, atosika, hozonina. Asiana ody ilay olona tiana ho
faty ka ozonina amin’ny alalan’izany ody izany mba ho faty hohanin’ny voay na ho
faty any anaty rano sns…
- odi-vorika: ody mosavy na fanefitra mosavy. Rehefa misy olona nahiana
nahiana ho nahazo mosavy dia omena odi-vorika dia sitrana soamantsara.
- odi-andro: fanalana vitan-dratsy:
fanadiovana olona sendra nanota fady ka tsy nahatandrina ny andro fady (atalata
sy alakamisy). Omena odi-andro ilay nanota fady mba tsy hiharan-doza.
Nandritra ny taona maro no nilalaovan’i Rainisoalambo ireo ody ireo. Na dia
betsaka aza ny olona nanatona sy nanome vola azy dia tsy nahitany fanambinana
akory izany. Ny hetaheta te-hisondro-piainana no nahatonga azy hanaraka indray
ny fivavahana kristiana.
1.2.2. RAINISOALAMBO KRISTIANA SADASADA
Efa nahenika ny faritr’i Betsileo ny fivavahana Kristiana. Niorina ny
fiangonana vokatry ny asan’ny L.M.S. Miavaka tanteraka ny kristiana sy ny
mpanompo sampy; samihafa ny fomba amam-panaony. Hita soritra eo amin’ny
kristiana ny fandrosoana. Ny tokantranony sy fitafiany dia ahitana taratra ny
fisondrotan’ny fari-piainany. Ireo misionera ireo koa mihoatra lavitra noho ny
andriana. Nitsiriritra fatratra ireo i Rainisoalambo. Nifanojo indrindra
tamin’ny hetahetany ny famporisihan’ny olona azy hiova ho kristiana. Niaky ny
talenta nananany ny manodidina azy ka nanoro hevitra azy mba hanaiky hatao
batisa sy hirotsaka ho mpitondra fivavahana (Katekista = Solom-pitandrina).
Nanaiky amim-pifaliana tokoa izy satria nanantena hahazo vola be amin’ny
misionera. Noho ny fahaizany dia moramora taminy ny nanatanteraka izany ka tonga
katekista tokoa izy. Indrisy anefa, fivavahana! eny, nefa tsy ilay tena
fivavahana na fitiavana an’Andriamanitra Fanahy Izay tsy maintsy hivavahana
amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, fa nivavaka kosa tamin’ny fomba ivelany hita
maso fotsiny. Nandà ny herin’ny Filazantsara sy ny rà soan’i Jesoa Tompo ho
mahavotra amin’ny ota. Ny maha-kristiana salorana eny ivelany ihany fa ny
fombany sy odiny ary sikidiny kosa mbola miafina ao anatin’izany anarana
katekista izany. Marina loatra amin’ny tenin’ny Soaratra Masina hoe : « manajà
Ahy amin’ny molony fa ny fony kosa lavitra ahy » (Matio 15/8).
Diso fanantenana tanteraka tokoa i Rainisoalambo satria tsy nisy ilay vola
karama. Tsy hitany ilay voalazan’i Paoly Apostoly hoe: « Raha amin’izao fiainana
izao ihany no anantenantsika an’i Kristy dia mahantra indrindra noho ny olona
rehetra isika ». (I Kor. 15/19). Feno korontantsaina tanteraka izy. Ny zavatra
natao tsy nisy vanona. Nanampy trotraka ny fahavoazany ny vesatry ny hetra sy
fandroban’ny dahalo ary ny aretina. Tao anatin’izany fahantrana izany indrindra
no namely mafy azy koa ny aretina. Narary mafy izy ka tsy nahavita niasa intsony
fa nandamaka irery tao am-pandriana. Feno fery ny tenany manontolo. Namely azy
koa ny tazo mahery. Maharary azy ny faritra rehetra amin’ny tenany. Tahaka ny
nokapohina tamin’ny « marteau » ny lohany. Na dia izany aza dia mbola tsy very
fanantenana izy. Notohaviny ny odiny, nohamasininy ny sampy, nalahatra ny sikidy
mba hijerena ny fototr’aretina. Nantsoina ny zanahary ambony sy ny zanahary
ambany. Nangatahina ny fanampian’ny razana. Natao ny ala-dika volohazo (=
ala-faditra mba tsy hiharan’ny fahafatesana). Nalàna ny tsiny (=
karazam-panahin’olona maty efa elabe izay tena masiaka ka ampiasain’olona ho
enti-mamosavy, mamono olona, mamparary, sns...). Ireny rehetra ireny anefa dia
tsy nahitam-bokatra na dia kely akory aza fa vao mainka nihamafy ny aretiny ary
nitombo ny fahantrany. Lasa tsy vanonko olona sy maimbo noho ny vay ratsy feno
ny tenany izy. Niala tsy niraharaha azy koa ny havany. Tsy naharin-tena intsony
izy. Feno fisalasalana, nanjakan’ny tahotra sy tebiteby, very hevitra, namoy fo
ary miandry fahafatesana izay làlana tsy maintsy hizorana no hany sisa natao.
1.2.3
RAINISOALAMBO NIOVA FO
Ao anatin’izao raho-mainty mitatao izao, injany misy feo malefaka
arahim-pitarainana toa miendri-bavaka manao hoe : « Dia ny manao akory soasoa,
Andriamanitra ô ! » izany hoe : Inona loatra re no anton’izao loza mahazo ahy
izao Andriamanitra ô ? » Mba afaho re izao, andriamanitra ô ». Tsy ilay
Andriamanitra nahazatra azy ka nantsoiny miaraka amin’ny razana. Tsy ilay
andriamanitra andriananahary. Tsy ilay andriamanitra zanahary efa ninoan’ny
razany hatramin’izay. Fa Andrimanitra ao amin’ny Kristy Jesoa. Andriamanitra
nitoriny nefa tsy fantany no nitodihany indray ka nantsoiny eto. Toa zavatra
tongatonga ho azy tao am-bavany izany. Mahagaga ny asan’Andriamanitra be fitiavana «Ny fanahy no mamonjy ny fahalementsika, fa tsy fantantsika izay
vavaka tokony hataontsika, fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo
tononina » (Rom. 8/26). « Hataoko ahoana re ny fahafoy anao ry Efraima.»
(Hosea 11/8) Fahagagana no niseho tamin’iny alina iny nanaovany vavaka iny.
Nahita torimaso tsara izy. Nanonofy izy nahita olona nitafy lamba fotsy madio
mangatsakatsaka nitsangana teo anoloany, nijery sady onena azy. Mampahatsiaro ny
fomba nataon’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanakarena : «Ary Jesoa nijery azy
tsara, dia tia azy » (Marka 10/21). Dia nandidy azy mba hiala amin’ny odiny
Ilay olona niseho taminy tamin’ny alalan’ny nofy ka nanao hoe: Ario daholo ireo
ody sy sikidy rehetra ireo ». Rehefa nifoha izy dia nahatsiaro sahady fa afaka
niarina nibaiko azy tamin’ny alàlan’ny nofy. Tsy tahaka ny mahazatra azy
andavan’andro ny fiainany fa nahatsiaro fiadanana sahady ny saina amam-panahiny.
Izany tokoa ny toerana andalovan’ny Mpamonjy.
Tapaka tanteraka ny heviny hamory ny herim-batana rehetra naka ny sikidy sy
ireo harona feno ody mba hariana any anaty lavaka fivoahana (WC). Ilay ody sy
sampy ary sikidy nitokiana sy nohajaina fatratra ary noheverina fa andriamanitra
no indro nariana any amin’ny maloto indrindra. Ilay nataony ho fiainana
hatramin’izay no nafoy any amin’ny maimbo sy feno olitra. Tsy mba nisy fanahiana
na fiheverana izay ho vokatr’izao fahapahan-kevitra hentitra izao fa noraofina
avokoa ny forongon-tsampy rehetra ka natao veloma mandrakizay.
« Fifaliana, fahasambarana no nameno ahy izay tsy mbola hitako teo amin’ny
fiainako eny na dia tamin’ny fotoana izay nampilamina ahy indrindra tao anaty
lapan’andriana teo anatrehan’ny raiamandreniko aza ». Fifalian’ny olom-boavotra
nafahana tamin’ny enta-mavesatry ny fahotana.
Famonjena tolo-botsotra no nomen’i Jesoa azy. Fanasitranana ny tenany
amam-panahy manontolo. Tanteraka ara-bakiteny teo aminy ny teny nampitondraina
an’Isaia mpaminany hoe: «. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra
ny fahotantsika. » (Isaia 53/4). Niverina tanteraka ny heriny, natanjaka ny
sainy, nahery ny fanahy, velona ny fanantenany. Nanjary maminy loatra ny
famakiana sy fandalinana ny Soratra Masina. Nahatsiaro sambatra izy noho ny
fahaizany vakiteny satria ny famakiana ny Filazantsara dia nahitany mivantana
an’i Tompo Jesoa. Matetika feno sento sy latsa-dranomaso izy, raha sendra mamaky
ny an-dàlana sasany milaza ny fitiavan’Andriamanitra. Nahatsiaro ho lany fotoana
tamin’ny zava-poana sy tsy misy antony izy ka niezaka nanohitra izany. Mitokana
mivavaka, misaotra ny Tompo noho ny famonjeny ary mangataka Aminy. Tsy mba
novakiny fotsiny ny Soratra Masina fa nohenoiny koa ; izany hoe : hitany fa
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka miteny mivantana aminy. « Raha
misy olona ao amin’ny Kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha,
indro efa tonga vaovao ireo ». (II Kor. 5/17). Indro, Rainisoalambo vaovao
zanak’Andriamanitra mitoetra ao amin’i Jesoa sady itoeran’ny Fanahiny no
mandohalika miresaka tsy an-kijanona amin’Izy Tompo ary manao voady fa hisotro
ny aleoko maty hitory ny Filazantsara.
1.2.4. RAINISOALAMBO MPIANATRY NY TOMPO
Tahaka ny mpianatr’i Jesoa izay manaraka ombieny ombieny ny mpampianatra azy i
Rainisoalambo nazoto sy naharitra amin’ny famakiana ny Soratra Masina. Tsy mba
nibaikoin’ny fihetseham-po fa noraisiny ho fiainana ny tenin’i Jesoa. Mpianatra
manara-dia an’i Kristy izy eo amin’ny Soratra Masina vakiny ka variana sy
zendana toa mahita zava-baovao isan’andro. Mpianatra tena resy lahatra tahaka
an’i Petera sy Jaona taorian’ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty ka vonona
hamindra iana ho an’ny mpiara-belona aminy. Amin’ny fo tsotra no nandraisany ny
hevitry ny teny rehetra ao amin’ny Baiboly. Ohatra «Mandehana ianareo, dia
ataovy mpianatra ny firenena rehetra» (Matio 28/19). «Efa nahazo
maimaim-poana hianareo koa manomeza maimaim-poana » (Matio 18/18). Noraisiny
ho valin’izany ny tenin’i Paoly Apostoly hoe: «Lozako raha tsy mitory ny
Filazantsara aho» (I Kor. 9/16). Avy hatrany dia tsy nangatak’andro fa
natombony tao amin’ny fianakaviany ny asa fitoriana ny Filazantsara ary nitatra
teo amin’ny manodidina azy. Araka ny efa voambara tany aloha, mbola namely mafy
ny aretina. Olona ferena sady resin’ny tazo mahery no manodidina azy. Saika
isan’andro misy mitomany faty foana ao an-tanàna. Tao anatin’izany fahorian’ny
vahoaka izany indrindra no nijoroany ho vavolombelona ny amin’ny asa mahagaga
nataon’ny Tompo taminy. Nantsoiny ny olona mba haka tahaka ny nataony ka hanary
ny ody sy ny sampy rehetra. Nantsoiny koa ho amin’ny fibebahana mba hitodika
amin’Andrimanitra velona ka handray fanasitranana avy amin’i Jesoa Mpamonjy.
Lehilahy be herim-po sy be fitiavana izy ka niantsoantso isam-baravarana fa tsy
menatra satria fantany izay inoany (cf. II Timoty 1/12) «Ario…poteho…foano…ny
ody rehetra eo aminareo fa te-hanasitrana anareo ny Tompo Jesoa». Nanao
izany isan’andro izy. Niresaka ombieny ombieny tamin’ny havany rehetra. Tamin’ny
alàlan’ny dinidinika (tahaka ny nataon’i
Jesoa tamin’ilay vehivavy Samaritana (Jaona 4/7-18) tao amin’ny fatsakana tao
Sykara) no nentiny nandresy lahatra ny isam-batan’olona. Tamin’ny alalan’ny
fitondrana amim-mbavaka ny olona noresahany no namaranany ny dinika rehetra.
Zava-dehibe tamin’ny fananarana rehetra nataony dia ny fanentanana ny olona
hiankina tanteraka amin’Andriamanitra irery ihany. Betsaka ny olona resy lahatra
ka nibebaka sy nanolo-tena ary nanary ny sampiny. Notanterahin’i Rainisoalambo
ara-bakiteny ny tenin’i Jesoa hoe : «Hametra-tanana amin’ny marary izy, dia
ho sitrana ireny» (Marka 16/18).
Tamin’ny alalan’ny fampibebahana sy vavaka ary fametrahan-tanana no nanehoany ny
voninahitr’Andrimanitra ka betsaka ny olona nadray fanasitranana feno
tamin’izany.
Ireto no voaloham-bokatra tamin’izany, izay lasa-mpanampy akaiky an’i
Rainisoalambo taty aoriana sady nomena koa ny anarana hoe : «Mpianatry ny
Tompo».
1) RAJEREMIA: Narary mafy feno vay ny tenany manontolo, raha nibebaka
dia sitrana
2) RAINITIARAY: Narary nandritra ny 16 volana, nandray ny Filazantsara
nanary ny odiny sy ny sikidiny dia sitrana
3) RAZANABELO: Narary nandritra ny 4 taona, nibebaka dia sitrana
4) RAMONGO: Narary sivy volana, nanolo-tena ho an’i Jesoa dia sitrana
5) RASOARIMANGA: Narary sady nitaraina vokatry ny fangirifirina nandritra
ny 11 volana, nandray an’i Jesoa dia sitrana.
6) RATAHIANA: Narary voan’ny tazo isan’andro ary feno fanaintainana ny
tenany manontolo. Sitrana vokatry ny tonom-bavaka natao ho azy.
7) RAINIESITERA: Narary noho ny tazo mahery ka rehefa nibebaka dia
sitrana.
8) RALOHOTSY: Narary nandritra ny 5 taona, nametraka tanteraka ny
fanantenany ao amin’i Jesoa dia sitrana
9) RASAMY: Narary tapaka lalan-dra (malemy) nanaiky an’i Jesoa ho
mpamonjy azy dia sitrana tanteraka ary nahavita indray ny asa-amandraharahany
10) RAMANJATOELA: Narary tsy afaka niarina intsony ary miandry
fahafatesana no sisa natao ka rehefa nibebaka dia sitrana.
11) RAZANAMANGA: Narary voan’ny tazo, feno vay, manaintaina ny tenany
manontolo, nivoady hanaraka an’i Jesoa dia sitrana.
12) RASOAMBOLA: Narary mafy noho ny tazo ka nitady vonjy tamin’i Jesoa
dia sitrana.
Tsy mba nihataka tamin’i Rainisoalambo ireo Mpianatry ny Tompo ireo. Koa satria betsaka ny nandray an’i Jesoa dia niara-nihevitra tamin’i Rainisoalambo
ireo 12 mianadahy ireo ny amin’izay lalan-kizorana hitondrana sy handaminana ary
andrindrana ny fiainam-baovao noraisiny tamin’i Jesoa izao. Nafana fo tokoa
ireto mpianatry ny Tompo ireto ka vonona sahady hitory ny Filazantsara kanefa
hoy ny Soratra Masina : «Mitoera eto an-tanàna mandrapanafiana anareo amin’ny
hery avy any amin’ny avo» (Lioka 24/49)
1.2.5. RAINISOALAMBO SY NY ASAM-PIFOHAZANA
Nisy fandaminana tsy maintsy hatao. Efa resy lahatra sahady izy fa tsy maintsy
ilaina ny fitsipika satria «Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana fa
tompon’ny fiadanana» (I Kor. 14/33). Ny zavatra milamina no
ankasitrahan’Andrimanitra . Ny korontana dia avy amin’ny devoly sady
mpanakorontana na nampisaraka rahateo ny anarany. Ny fitsipika dia natao mba
hampiray aina ny mpianatry ny Tompo rehetra.
A. ALAHADY 9 JONA 1895
Nantsoin’i Rainisoalambo mbo hivory ao an-tranony izy 12 mianadahy voalaza teo
aloha. Natomboka tamin’ny alalan’ny vavaka ny dinika. Novakiana ny tenin’ny
Soratra Masina. Taorian’izany dia nivavaka i Rainisoalambo, nisaotra
an’Andriamanitra, noho ny fahagagana nataony tamin’ny fanasitranana azy ireo sy
ny famonjeny ary ny halehiben’ny fitiavany. Nangataka tamin’i Jesoa mba hanampy
azy hanao izao asa fitoriana ny Filazantsara izao. Izy rehetra manatrika dia
niombom-panahy tamin’ny alalan’izany vavaka izany, feno sento, nangorakoraka,
nahatsiaro fiadanana sy fifaliana satria misy hery vaovao indray ao anaty. Dia
nihorohoro ny trano nisy feo niteny mivantana tamin’izy ireo hoe : «Hianareo
no hitory Fibebahana amin’ny oloko fa hamonjy ny oloko aho». Ary feno ny
Fanahy Masina izy ireo ka nifanaiky hiombom-piainana. Nifanarahany koa fa
hamboarina ny fiaraha-monina. Ireto no fanekena nifanaovany tamin’izany :
1) Mianatra vakiteny sy marika
2) Maotina sy mendrika ary tsotra
3) Madio
4) Miasa
5) Mivavaka
(mialoha ny zavatra rehetra)
Ny ampitson’iny ihany dia nanomboka nampianatra azy 12 mianadahy i
Rainisoalambo niampy Solompitandrina tonga isaky ny Alatsinainy sy Alakamisy ary
Mpitandrina izay tonga tsy indraindray nitondra fitaovana ho azy.
Natao ny asam-piraisana: ny lehilahy miasa tany, ny vehivavy mandrary. Isaky ny
tonga tao an-trano dia mandany ny androny tamin’ny fandinihana ny Soratra Masina
sy resaka ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra ary vavaka sy hira izy ireo.
Nanokana fotoana koa izy ireo mba hanaovana Tafika Masina teo amin’ny tanàna
manodidina azy.
Nohamafisina tamin’ny fampinarana rehetra izay natao ny amin’ny Fitiavana sy ny
fifankatiavana. Lasa HAFATRA LEHIBE sady Fanevan’ny Fifohazana ny DIDY VAOVAO (Jaona
13/34-35).
Zavatra 10 loha no nanankinana ny fampianarana :
- ny fibebahana : Mat. 4/16-17
- ny Fivavahana : Lioka 21/34-36
- ny finoana : Jaona 14/12-17
- ny faharetana : Lioka 21/19
- ny fanetretena : Mat. 18/1-4
- ny firaisana : Jaona 17/21-23
- ny fahamasinana : I Petera 1/13-16
- ny fitiavana (didy vaovao) : Jaona 13/35-35
- ny fitsarana : Matio 25/31-46
- ny fanantenana : I Timoty 3/1-17
B. NY FOMBA AMAM-PANAO ANDAVAN’ANDRO
Ankoatran’ny fiteny mihaja izay tsy maintsy tandrovin’ny Fifohazana dia nomena
fampianarana momban’ny zavatra maro hafa koa ny mpianatry ny Tompo.
1. FITAFIANA
Manana ny fomba fitafiny manokana izay saika itovizan’izy rehetra ny Fifohazana,
dia ny akanjo fotsy atao didy mananjara, toy irony akanjo atao ambony tohi-tena
lava-manasa-dranjo, mivaky anoloana, mitapaka mifanitsy amin’ny tratra sady misy
kentrona : (---) antoka fa manana anjara any amin’ny fiainana mandrakizay, ka
dia natao hoe : « didy mananjara » ny fitafiana.
Tsy maintsy fotsy mba ho mariky ny fahadiovana sady taratry ny fahamasinan’ny
fanahy. Taratry ny fahazavana ny loko fotsy, noho izy nifanohitra amin’ny mainty
izay endriky ny fahamaizinana. Koa ny Fifohazana dia tsy maintsy mitondra
fahazavana ho an’izao tontolo izao. Ny fanaovana izany akanjo fotsy izany dia
fomba iray iavahana amin’ny jentilisa. Satria taizan’andriana i Rainisoalambo,
mariky ny fahamboniana ny fanaovana akanjo didy mananjara fotsy. Tamin’izany
fotoana izany, ny olona ambony sy manankarena no afaka mitondra fitafiana didy
mananjara fotsy sy mitafy lamba koa. Fomba anankiray itaizana ny Fifohazana ho
amin’ny fitandroana ny fahadiovana. Ny lamba fotsy noho izy mora andairan-doto
dia mampitandrina ny Fifohazana mba hanao ho zava-dehibe ny fahadiovana. Tsy ny
fo ihany no ilaina ho madio fa ny tena manontolo. Ny fomba fitafy avy aty
ivelany dia mety manambara koa ny ao am-po tsy miloaka.
2. NY TAOVOLO
Ny vehivavy dia manao tananivoho. Ny tananivoho dia bango volo fanao teto
Imerina. Toy izao izany : Soritana hizara roa mitovy ny volo, randranina, ary
afatotra ao an-katoka. Mitory fahatsorana sy fahamaotinana. Mampiavaka indrindra
ny Fifohazana amin’ny mpanompo sampy ny tananivoho. Ny vehivavy mpanompo sampy
tamin’izany fotoana izany dia mirandrana avokoa ny volony manontolo sy natao
dôdôko (=soritsoritra be dia be ary bangoina kely ny voasoritra).
Ny lehilahy kosa tsy maintsy mihety volo, ary hetezana fohy ary tsy azo asiana
sanga. Tamin ‘izany fotoana izany, dia fanao ny manafina ody tao anaty volo
lava. Koa rehefa niova ho Fifohazana dia tsy maintsy afoy ny toetra teo aloha
rehetra. Ny fanovana fomba amam-panao anankiray dia midika ho fanasarahana ilay
olona tamin’ny tontolo misy azy teo aloha.
3. NY SAKAFO
Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny sakafo ka tsy azo ariana. Tandrivina noho
izany mba tsy hisy voambary latsaka rehefa mihinam-bary. 4. NY
VOAN-TSINAPY
Fanokanana voam-bary iray sotro isaky ny handrotsaka ka tsy azo hanina izany fa
angonina an-kitapo kely ary rehefa bebe dia aterina miaraka any am-piangonana,
ary dia avadika ho vola mba ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.
5. NY ASAM-PIRAISANA
Fomba fanao rakitra isaky ny Alarobia ny asam-piraisana eo amin’ny Fifohazana.
Ny fambolena no atao amin’izany asam-piraisana izany.
6. NY FANASAN-TONGOTRA
Fampiharana ara-bakiteny ny teny no ao amin’ny Jaona 13/14 manao hoe : «Koa
raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, hianareo koa mba
tokony hifanasa tongotra». Natao indrindra izany eo amin’ny
fandraisam-bahiny. Endriky ny fanetren-tena eo amin’ny Fifohazana ny
fanasan-tongotra.
7. FIOMPIANA
Noraràna ny olona mba tsy hiompy ao an-tanàna mba hitandrovana ny fahadiovana.
Ny fomba amam-panao amin’ny maha-biby azy koa dia manahiran-tsain’ny Fifohazana
koa raha misy olona te-hiompy dia tsy maintsy natao ivelan’ny tanàna izany.
C. NY FOMBA SAMIHAFA
i. Ny fisaronan-doha
Tsy maintsy misaron-doha ny lehilahy rehefa hanao asa-fampaherezana sy
fandroahan-demonia. Mba ho fihatahana amin’izay tsy masina (7) no antony
anaovany izany. Mampiavaka azy amin’ny sokajin’olona mbola tsy masina mandritra
ny fotoana izay anaovany ny asa voatokana ho azy. Eo amin’ny vehivavy dia ny
volo no efa saron-dohany ka tsy manao izany intsony izy.
ii. Famoahana demonia
Olona iray ihany no miteny mafy ka mandidy ny demonia mba hivoaka amin’ny
anaran’i Jesoa Kristy. Tsy mandehandeha. Mandritran’ny fotoanan’ny fampaherezana
dia tsy mahazo mihira fa mivavaka ao am-po ny rehetra.
iii. Fahafatesana
Tsy azo atao ny migogogogo raha misy maty na maneho alahelo. Fanomezan-tsiny an
‘Andriamanitra ny fanehoana alahelo. Tsy azo atao ny manao fandaniana be amin’ny
maty. Tsotra ihany no fomba fanao amin’ny maty : ampandroina, ampiankanjoina
fotsy madio ary dia fonosina lamba fotsy madio. Tsy azo afindra na ketsehina
amin’ny toerana nandevenana azy ny maty. Heverina fa maloto sy tsy misy hasina
ilay vatana mangatsiaka, satria tsy mba toy ny fanahy izay afaka ho velona
mandrakizay ka ho tody any am-paradisa. Izany fiheverana ny amin’ny
fahalotoan’ny vatana izany no mahatonga ny Fifohazana hidio na handro isaky ny
avy miditra amim-paty. Ny mpiandry dia didiana mba tsy hitondra lamba masina
amin’ny trano misy faty. Tsy maintsy mandro rehefa avy miditra avy ao amin’ny
trano misy faty.
D. NY 10 AOGOSITRA
Ho fandaminana ny raharaha momba ny Fifohazana dia notapahana fa hasiana
fivoriana hihaonan’ny solontenan’ny Mpianatry ny Tompo izay efa ielim-patrana.
Marihina fa izay toerana rehetra mandray ny Filazantsara dia misy olona nofidina
ho mpikarakara ny mpianatra namany hampirisika azy handroso sy hianatra ho
amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Natao hoe : MPIANDRY ireny mpikarakara
isan-toerana ireny.
Saika i Rainisoalambo irery no nitarika ny raharaha rehetra nadritra ny 10
taona. Nanomana sy nanokana ary naniraka ireo Apostoly (=Iraka). Mandray ny
tatitra nentin’izy ireo rehefa niverina avy namita Iraka Nitombo ny isan’ny
nirahina ka nikaroka izay hanampiana azy ireo hatrany Rainisoalambo. Tsy tambo
isaina ny olona nifoha vokatry ny asan’ny Iraka. Taona 1904 dia feno 50 ny
Apostoly na Iraka voatokana. Manoloana izao fitaran’ny asa izao dia nihevitra
izy fa tsy maintsy ilàna fitandremana mafy. Noraisiny ny teny ao amin’ny Lioka
21/36. «Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra
izany zavatra ho avy rehetra izany, ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona».
Noho izany dia voatendry ny fotoana raikitra dia ny 10 Aogositra sy ny andro
manaraka ho fotoam-pivoriana hanaovana fanentanana sy fandaminana momba ny
asam-pifohazana. TENY 15 LOHA NO HORESAHINA TAMIN’IZANY », izay samy
nankatoavin’ny mpivory avokoa.
Tsy afaka nitarika an’io fivoriana io anefa Rainisoalambo satria nodimandry
talohan’izany. Be ny zavatra nanahirana azy izay tsy maintsy nandraisany
andraikitra mivantana : fanaovan-trano, fanomanana sy fandraisana Iraka, fanomezana
toro-hevitra isan-karazany,, fanomanana ny 10 Aogositra. Noho ny faharerahana be
loatra dia voan’ny aretin-tratra izy, voan’ny gripa lava, nikohaka tsy
ankijanona. Tamin’ny fotoanan’ny faha-60 taona no nitrangan’izany taminy. Na dia
izany aza mbola natanjaka izy ka nahatsangana tsara nanara-maso ny raharaha
rehetra. Tao an-tsaina aman’eritreriny manontolo ny Fifohazana mandrapialan’ny
fofon’aina. Toy izao ny fiafarany : «Hariva ny andro, mihira malefaka ny
mpanatry maso, elanelan’ny vavaka. Nivavaka Rainisoalambo izay efa tsy maharina
intsony, ary ny vavaka farany nataony dia tsy mba ho an’ny tenany intsony satria
miantoka azy Jesoa Kristy. Tsy misy intsony ny fisalasalana fa mitsena
hampandroso azy any amin’ny fahasambarana mandrakizay ny Tompon’ny voninahitra.
Nivavaka ho an’ny raharaha rehetra, ary ho amin’ny fandrosoan’ny Filazantsara
koa. Dia nakipiny kelikely ny masony ; nihiratra tampoka indray izy sady
nijerijery. «Ny kitapo», hoy ny teniny efa malemy dia malemy. Dia naseho
azy ny kitapo misy ny volan’ny Fifohazana. Dia napetrany tamin’iny kitapo iny ny
tànany sady hoy izy tamin’ny teny vitsy : « Volan’ny Fifohazana, vola masina,
tandremo ». Dia nifandray tànana nifanao veloma farany tamin’olona teo izy dia
nakipiny ho amin’ny torimaso farany ny masony.
Vita ny ady. Lada nody Rainisoalambo tamin’ny 8 ora, ny 30 Jona 1904 (8).
«Efa niady ny ady tsara aho nitahiry ny finoana aho, hatr’izao dia tehirizina
ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo, Mpitsara
marina, jho ahy amin’izay andro izay, ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra
tia ny fisehoany koa» (II Tim. 4/7.8).
«Ary nahare feo avy tany an-danitra aho anano hoe : Soraty : Sambatra ny maty
dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao. Eny hoy ny Fanahy, fa hitsathatra
amin’izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy» (Apok. 14/13).
back to top
View Photo Gallery

Toko III. Ny Fifohazana taorian'ny Dada Rainisoalambo
November 19, 2007
1.3. Ny zava-manahirana
Rainisoalambo dia lehilahy nikoizana teo amin’ny fankamamiana ody ratsy.
Voasarika tao anaty afon’ny fahaverezana izy ka notendrena mpitily hanaitra sy
hitondra hafatra ho an’i Madagasikara : «DIDY VAOVAO NO OMEKO ANAREO, DIA NY
MBA HIFANKATIAVANAREO KOSA» (Jaona13/34).
Izany fitiavan’i Jesoa izany no antony nisoloany anao teo ambony hazofijaliana
mba hanana fitiavana ny hafa koa. Tsy hoe mpitondra hafatra fotsiny
Rainisoalambo fa mpandray sy mpanatanteraka ny hafatra. Izay rehetra nananany,
na andro, na fotoana, na hery, na fahaizana, na fananana dia natolony ho
fampiharana ilay fitiavana vonon-kanolotra mandrakariva. Tahaka ny voa nafafy ny
asam-pifohazana. Tao ny voafafy teny ambony vatolampy sy ny tany marivo, sy
tamin’ny tsilo sy teo amoron-dalana. Tao kosa ny voafafy tao amin’ny tany tsara.
Na dia voafafy tamin’ny tany tsara aza ; dia tsy mitovy ny vokatra azo. Tsy ny
mpamafy na ny voa no ratsy fa ny toerana namafazana no misy olana. Ilay
Andriamanitra fitiavana anefa mamafy na dia amin’ny toerana tsy tokony
hamafazana aza. Ary izany ny fahasoavan’Andriamanitra natolony an’ity
Madagasikara ity.
Ao anatin’izany asan’Andriamanitra feno fitiavana izany no itsofohan’ilay
Ratsy, ka amafazany tsiparifary indray. Ny fandrosoan’ny asa anefa tsy mba
nisaraka amin’ny olana maro izay manahirana ny Fifohazana.
Zavatra telo ihany no hasian-teny taorian’ny fahafatesan’i Rainisoalambo.
1.3.1. NY OLANA TEO AMIN’NY FITONDRAM-PANJAKANA
- 1904: Tanteraka soamantsara ihany ny fivorian’ny 10 Aogositra ka
nahatratra 3.000 ny mpivory. Noho ny lazan’ny Fifohazana izay efa fantatry ny
faritany maro dia nisy tamin’ireny mpivory ireny nandeha an-tongotra 800
kilaometatra mba hamonjy izao fihaonamben’ny mpifoha izao. Nitombo isan-taona ny
mpamonjy fivoriana ka nahatratra 5.000 hatramin’ny 6.000 ny olona tamin’izany.
- 1911: Noraràn’ny fanjakana tsy ho azo atao intsony ny fivorian’ny 10
Aogositra. Natahotra mantsy ny Frantsay noho io fivoriana io mahavory olona
betsaka tokoa. Ireo olo-mangan’ny firenena dia saika olona taizan’ny misionera
avokoa ka nanahy ny frantsay sao dia fanomanana olona ho amin’ny
fitiavan-tanindrazana izao fivoriambe isan-taona izao. Tao ambadik’izao
fandraràna izao koa ny katolika (Jésoita) izay te hampien-danja ny herin’ny
protestanta.
Ny fisakanana nataon’ny fanjakana anefa vao mainka nanamafy orina ny 10
Aogositra satria nampirisihina avokoa ny Faritany rehetra mba samy hankalaza ny
9 Jona sy ny 10 Aogositra any aminy. Mba hampiray aina ny Fifohazana rehetra
manerana an’i Madagasikara dia naely ny fandaharam-potoana iraisana izay mbola
hazonina mandrak’ankehitriny.
Ny rakitra rehetra sy ny vidim-bokatra rehetra azo amin’izany dia tsy maintsy
alefa any Soatanana ho fanohanana ny asa atao eny. Izany dia vokatry ny
fanapahan-kevitry ny 10 Aogositra tamin’ireo teny 15 loha novolavolain’i
Rainisoalambo.
Toy izao izany :
1. – Inona no
atao anaran’ity fivoriana lehiben’ny Mpianatry ny Tompo ity. VALINY:
Fivorian-dehiben’ny Mpianatry ny Tompo isan-taona (na 10 Aogositra)
2. – Aoka izao fivoriana izao hanapaka amin’ity Fifohazana ity ka hanendry ny
raharaha atao rehetra. Valiny: ENY
3. – Hangataka olona 10 lahy voafidin’ny fivoriana ho Solombavany sy handahatra
ny raharaha hanaovana fanekena atao: Valiny: ENY
4. – Ny zavatra miditra amin’ity 10 Aogositra ity dia ny Fivoriana no manapaka
azy. Valiny: ENY
5. – Ny 10 Aogositra dia tsy mandray ary tsy mamoaka raha tsy isan-taona :
Valiny: ENY
6. – Ny Mpianatry ny Tompo dia samy mahazo mampiasa ny volany amin’izay tiany
hiasan’ny volany Valiny: ENY
7. – Amin’ny herintaona toy izao, dia angatahina hianareo Zanaky ny Fifohazana,
hoy ny 10 Aogositra mba hanatitra zavatra eto amiko, na vola, na lamba, na
akanjo, na pataloha, fa manana zanaka tsy mitafy aho, hoy ny 10 Aogositra.
Ilaiko koa ny vary, na mofo, na kajaha (mangahazo) na vomanga, indrindra fa ny
biby fiompy toy ny omby na kisoa, na ondry, na akoho, na vorona sns…satria
manana zanaka maro avy amin’ny Filazantsara aho Valiny: ENY.
8. – Ahoana ny hevitrareo ny amin’ny 9 Jona 1895?
Valiny: Ny 9 Jona dia fotoana hiaraha-mivavaka isam-paritany sy
hifamangiana amin’ny telegrama.
9. – Inona no hatao handrosoan’ny Fahaleovantena efa nataon’ny Apostoly (Iraka)
amin’ny fitoriana ny
Filazantsara ? Valiny: Hanao izay hampaleotena ny kristiana amin’ny
fivavahana ao an-tokantrano tsirairay sy hanendry fotoam-pivavahana hikambanana
araka izay azo atao, na an-trano na ao am-piangonana. Hiasa tany sy hamboly ary
hanao izay hahabe ny rakitra. Hampiomana olona hilatsaka an-tsitrapo ho Iraka.
Hampandroso ny fahaleovantenan’ny Fiangonana eto Madagasikara.
10 – Inona no raharaha hifaneken’ny Fivoriana fa hamoahana ny vola ? Ary aiza no
mpitahiry vola nahoratra ny miditra sy mivoaka ? Valiny: Izay voalazan’ny
toko faha-9 no ho raharahany. Ny mpitahiry vola dia M. Thunem, Rainitiaray sy
Radaniela, izy ireo no mikarakara ny amin’y famoaham-bola araka izay hevitra
tapaka hifanarahan’ny fivoriana.
11. – Moa hatao amin’ny toerana tokana mandrakariva ve ny fivoriana, sa azo atao
amin’izay mangataka ? Valiny: Ny fivoriana dia eto Soatanàna ihany nefa
azo atao raha misy mangataka, araka izay hifanarahan’ny Fivoriana
12. – Aiza no hanaovana ny fampianarana ny Apostoly (Iraka) sy ny mikasa ho
mpianatra, ary iza no hampianatra ? Valiny: Ny toerana hampianarana dia
eto Soatanàna ary izay ho mpampianatra dia Rainitiaray sy Rajeremia, ary
Radaniela. Izay ho entina manatanteraka izany dia adidin’ny Fivoriana sy izy
folo lahy komity.
13. – Atao ahoana ny fitoriana amin’ny tany maizina, ary inona no hevitra ny
amin’ny Betsiriry ? – Izany hoe: handray fampianaran-tsekoly tahaka izay efa
natao ve, sa hitory tsotra ny fibebahana tahaka izao atao aty afovoan-tany izao
? Valiny: Ny amin’ny Betsiriry dia mbola ho tohizana ihany.
14. – Ity fivorian’ny 10 Aogositra ity no miadidy ny Fifohazana sady mandidy ny
Fifohazana. Izy no hangatahan’izay hangataka Iraka ary haniraka ny Iraka
amin’izay mangataka. Valiny: ENY
15. – Ny vokatra izay aterina dia ho an’ny Filazantsara. Valiny: ENY
Na dia teo aza ny fandrarana nataon’ny fanjakana dia tsy mba nisakana ny
fandrosoan’ny asa izany satria efa nisy lasitra mazava tsara niainana. Ny
zavatra nanahirana rehetra dia nodinihina araka ny teny 15 loha notapahin’ny 10
Aogositra. Tahak’izay nataon’i Rainisoalambo na dia to teny sy mamy hoditra teo
anatrehan’ny olona aza izy tsy mba nanao didy kofehy ho lehibe fa niara-niasa sy
nidinika tamin’ireo 12 mianadahy namany no filamatra narahin’ny faritany rehetra
nisy mpifoha.
1.3.2 OLANA TEO AMIN’NY MPIFOHA
Ny fahafatesan’i Rainisoalambo dia nampiraviravy tànana ny mpifoha maro. Nanahy
be ihany izy ireo ny main’ny ho avin’ity Fifohazam-panahy ity. Tsy mbola nisava
tanteraka ny aizina nanafotra an’i Madagasikara. Raha mandroso ny asan’ny Tompo
dia indro tamy mandrakariva ny Devoly manao « contre-attaque ». Efa mihavitsy
ireo Raiamandreny nanatri-maso nahita ny niandohan’ny Fifohazana, fa mitombo
kosa ny olona manolo-tena hiomana Mpiandry sy Iraka. Indraindray hadinodino ilay
DIDY VAOVAO. Nanjary misy « ekipa » tao Soatanana. Nisy fifampiandaniana izay
nitatra tany amin’ny Faritany. Izany korontana tamin’ny 1925 izany anefa tsy
naharitra satria nodimandry ny iray tamin’ireo nahatonga izany. Niezaka ihany
koa ny misionera nandamina ny raharaha ka niseho tokoa ny
voninahitr’Andriamanitra.
Ny taona 1936 dia misy fivoriana natao hoe : Fivorian’ny Mpiandry sy ny
Raiamandreny, isaky ny 17 Septambra ary taty aoriana lasa isan-kerintaonan’ny
Fifohazana Soatanana. Manoratra teny midina ny Komity ka nalefa isam-paritany
izany ho fampandrenesana sy ho tanterahiny. Boky kely izany teny midina izany ka
mitondra ny anarana hoe :
«NY FIFOHAZAN’NY MPIANATRY NY TOMPO MIRAY AMIN’I SOATANANA»
Izao no anisan’ny
zavatra henjana voasoratra ao amin’izany boky izany :
«Ny Fifohazana ny Mpianatry ny Tompo dia miray amin’ny Soatanana ity, dia
mijoro eo am-povoany, ka miditra amin’izay mandray azy ary mandray izay manatona
azy, fa tsy azo akambana ho Loterana na L.M.S, na M.P.F, na Anglikana, na
F.F.M.A, na akambana amin’izay FIFOHAZANA VAOVAO…Misy atao hoe : Fifohazana nefa
hita fa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Soatanana…»
Tsy mitsaha-mitombo ny fandrosoan’ny asa, betsaka ny Iraka efa nirahina
hitoriteny any amin’ny faritany. Nitombo ny isan’ny mponina eto Soatanana,
mitombo ny herin’ny Fifohazana. Namirapiratra manerana ny Nosy ny fahazavana
nentin’ny Fifohazana.. Nefa, indrisy tandindomin-doza indray izany noho ny
fisarahana.
1.3.3. NY FISARAHANA
Ny tantara teto amin’izao tontolo izao dia azo lazaina fa tantaran’ny
fisarahana avokoa. Tsy mba avy amin’Andriamanitra mihitsy ny fisian’ny
antokom-pinoana be dia be eto ambonin’ny tany. Ny devoly no tia fisarahana sady
mpampisaraka rahateo ny anarany. Ny fahasoavana sy famindrampon’Andriamanitra
anefa no andeferana amin’ireny toe-javatra ireny ka ao anatin’ny fahalemena no
maneho ny voninahiny Izy.
Tsy maintsy misy ny fanavaozana na fanovana vokatry ny toetr’andro. Raha mbola
eto ambonin’ny tany dia tsy misy tanteraka sy tsy azo ikianina. Miroborobo tsy
ankijanona ny Fifohazana. Miasa ny Fanahy Masina kanefa miasa ao anatin’ny
olombelona malemy. «Fa fantantsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia
miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny, ary
tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana voalohambokatry ny Fanahy aza, eny,
isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganananaka, dia ny
fanavotana ny tenantsika». (Romana 8/22, 23). Tamin’ny taona 1950 dia
manapaka ny amin’izay Fitsipika sy Foto-dalàna itondràna ny Fifohazana ny
Komitin’ny 17 Septambra. Navoaka ho boky haely manerana ny Nosy izany, ny taona
1951. Betsaka ny Iraka tsy mankasitraka io boky io, ka nanda tanteraka ny
zavatra voasoratra tao. Ireto farany ireto, dia nandefa « trakta » samihafa
naely any amin’ny isam-paritany ho enti-manohitra ny boky navoakan’ny 17
Septambra mba hisorohana ny tabataba mety hitranga. Izany fampiatoam-pivoriana
izany anefa dia nadikan’ny sasany ho zavatra hafa ka nanaovan’izy ireo filazana
tsy marina any amin’ny Faritany. Toy izao ny FANAZAVANA natao taorian’izany
FISARAHANA IZANY:
Efa fantatra mazava ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo.
Olomboafidin’Andriamanitra ka nandray ny Fanahy Masina. Nanana fahendrena
ara-tsaina koa izy, izay nahazoany nitondra raharaha lehibe araka ny
nitarihan’ny Fanahy Masina azy. Ao Ambalavato-Ambatoreny no fonenany ary
malalaka ao ka ampy hitondrany ny raharaha nifidianan’Andriamanitra azy, sady
tsy voahelingelina.
Nefa nifindra aty Soatanana izy, mba ho ao ambanin’ny fitondrana sy ny
fiarovan’ny Misionera ary hikambana amin’ny Fiangonana. Fahendrena lalina,
voatariky ny Fanahy Masina no nahatanterahany an’izany. Dia tafaorina teto
Soatanana ny:
« FOIBEN-TOERAN’NY FIFOHAZANA »
Ny fivorian’ny Komitin’ny 17 Septambra, hatramin’ny taona 1936 dia nanao
fifanarahana momban’ny raharahan’ny Fifohazana anakapobeny. Ary tamin’ny 17
Septambra 1950 dia nanapa-kevitra io Komity io ka, nampanangoniny ny Komite eto
an-toerana ny fifanarahana rehetra nataon’ny Komite teo aloha momba ny
hitondrana ny Raharaham-Pifohazana, ka hatao boky.
Dia voangona izany, amin’ilay boky atao hoe : « Fitsipika sy Foto-dalàna »
itondrana ny Fifohazana. Nadika mialoha ao koa ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo
ka hita fa mifanaraka tsara amin’io tantara io ity Boky ity. Ny Raiamandrany
Dada Rajoelina dia naman’ny Komite eto an-toerana, ka niara-nanaiky sy nanao
sonia tamin’ny fahavitan’ny boky «Fitsipika sy Foto-dalàna».
Rehefa navoaka ny boky tamin’ny 1951, dia nandà sy nanohitra ny ankamaroan’ny
Iraka. Ary hatramin’io taona io dia niseho ny hevitra samihafa. Ny Misionera
Korner Hansen, sy ny Komite eto an-toerana dia nitana ny hevitra tapaka
voasoratra ao amin’ny boky izay tsy hevitry ny Misionera irery na an’ny Komite
eto an-toerana ihany akory, fa an’ny Komitin’ny 17 Septambra manontolo.
Ny ankamaroan’ny Iraka kosa dia nandà sy nanohitra ny hevitra tapaka. Manaraka
izay, dia nisy TENY sy TARATASY ary BOKY niely, tsy avy amin’ny Misionera sy ny
Komite eto an-toerana ihany, fa avy amin’ny olona samihafa sy ny toerana
samihafa. Isan’ireny ny TENY midina navoakan’ny Komite 10 Aogositra Antananarivo
(nivoaka Jolay 1954) sy ny BOKY «HAFATRAFATRA» nataon’i Dada Rajoelina
Raiamandreny (1953). Ireo no nahatonga ny Misionera sy ny Komitin’ny DISTRY
Soatanana hampiato ny fivorian’ny 17 Septambra 1954 aloha, fa nahiana sao misy
tabataba io fivoriana masina io.
Be ny teny niely, aelin-dry zareo ankilany momba io fampihatoam-pivoriana io,
izay tsy marina akory. Lazain’ny olona maro izao zavatra izao :
1. –Ny trano Fiangonana dia narindrina ka tsy navela hidiran’ny Mpianatry ny
Tompo. FANAZAVANA: Tsy marina izany, ny Mpianatry ny Tompo dia nahazo niangona
maraina sy hariva, araka ny fanaony ao am-piangonana, fa ny 17 Septambra no
nampiatoina ary efa nanaovana filazana mialoha.
2. –Naongana rodombe ny Mpianatry ny Tompo. FANAZAVANA: Tsy marina koa izany.
Efa tsy niangona tao am-piangonana hatramin’ny 17 Septambra ry zareo. Ary
tamin’ny faran’ny Novambra 1954 ny Komitin’ny Distry Soatanana dia nanao
filazana miantso azy ireo hiverina amin’ny Fiangonana. Nomena fotoana
hatramin’ny 1-31 Desambra 1954, ka izay tsy miverina ao anatin’izany fotoana
izany dia nanongan-tena ka tsy naman’ny Fiangonana eto Soatanana intsony, efa
nasehon-dry zareo tamin’ny rapaoro navoakany koa izany. Jereo: Rapaoro nataon’ny
Mpianatry ny Tompo nivory tao Soatanana tamin’ny 17 Septambra 1954 pejy 21 manao
hoe:
a. Hatramin’ny 17 Septambra 1954 dia tsy mikambana amin’ny Fiangonana Loterana
eto Soatanana intsony ny Mpianatry ny Tompo.
b. Efa nametrahana taratasy any amin’ny biraon’ny «CHEF DE DISTRICT de
Fianarantsoa» fa tsy mambra ao amin’ny Fiangonana Loterana Soatanana intsony
Mpianatry ny Tompo ary tsy hiverina ao intsony. (9)
Dia nivaky roa tanteraka io Soatanana. Nisy ny ATSIMO SY AVARATRA. Ny AVARATRA
nanao tsy miankina ka niangona ao amin’ny Trano Firaketana amin’ny Alahady sy
fotoam-pivavahana maraina sy hariva, ary ny fivoriana samihafa sady manao ny «
acte pastorale » rehetra tao izy ireo. Ny Atsimo miaraka amin’ny Fiangonana
Loterana sady manaraka ny Fitsipika sy ny Foto-dalàna navoakan’ny 17 Septambra.
Natao ny fananarana sy famerenana ireo niendaka mba hiverina indray ao amin’ny
Fiangonananefa indrisy nidiridiry tamin’ny heviny izy ireo ka tsy niverina
intsony. Ny zava-doza dia lasa nitsangana ho fahavalon’ny Fiangonana indray izy
ireo. Tsy natao indray mandeha ny famerenana sy Fampihavanana fa nandritran’ny
taona 1955 ka hatramin’ny 1962 dia Raiamandreny maro, Filoham-piangonana
isan-tokony, Tompon’andraikitra tao amin’ny Comité-Intermissionnaire, FFPM,
Foibe, Mpitondra Fanjakana sns, dia samy niezaka araka izay azony natao nefa
indrisy niala maina avokoa.
FAMINTINANA NY ANTONY NAHATONGA FISARAHANA
Nandeha tsy an-kijanona tamin’ny làlana efa nitarihana azy hatramin’ny
voalohany ny Fifohazana. Niara-niasa tao amin’ny Fiangonana hatramin’ny
voalohany. Rehefa afaka 40 taona taorian’Ingahy Rainisoalambo dia niezaka nitady
làlana hampaleotena azy tanteraka ireo Iraka maromaro. Izany indrindra no antony
nanaovana fanambarana tamin’ny 1936.
Tsapa anefa fa ireny Iraka marobe mielim-patrana manerana ny Nosy ireny dia
miasa tamin’ny hafanam-po tokoa. Maro tamin’izy ireny koa anefa ny nanimba
zavatra satria tsy mahay Soratra Masina fa variana amin’ny fombafomba ivelany
fotsiny. Resy lahatra tanteraka ny Misionera fa tokony ho tezaina haverina
hampianarina indray ny Iraka. Hapetraka amin’ny toerany tsara ny Fifohazana. Tsy
maintsy ao anatin’ny Fiangonana ary tsy maintsy manaraka sy mankato ny Fitsipika
sy ny Foto-dalàn’ny Fiangonana. Ny teny 15 Izay napetraky Ingahy Rainisoalambo
dia tsy maintsy hazonina ara-bakiteny indrindra fa ny andininy faha-10 izay
manendry ny Misionera eto Soatanana ho «Trésorier». Ny litorjy ampiasaina eto
Soatanana dia ny an’i F.L.M. ihany fa tsy azo atao vary amin’anana. (Fanao
tamin’izany fotoana izany ny mampiasa ny Litorjy LMS). Izany sy toy izany no
antony niteraka ny Fisarahana :
-) Tsy mila fitsipika satria ambany Fahasoavana
-) Tsy mila fampianarana satria tarihin’ny Fanahy
-) Tsy mila Misionera satria mbola tsy nifoha ny Misionera
-) Tsy mila fifehezana avy amin’ny Fiangonana satria ny Fifohazana no tokony
hifehy ny Fiangonana satria izy no manohana azy sns….sns….
back to top
View Photo Gallery

Fehiny
November 19, 2007
Teo amin’ny tantaran’dRainisoalambo no nahitana fanavaozana mahery vaika teo
amin’ny lafim-piainana rehetra ka nahatonga ny olona mora babon’ny
Fifohazam-panahy.
1. FAMPIANARANA
Maro ny olona tsy nahay namaky teny sy manoratra. Saika voataiza tamin’ny
alàlan’ny angano mbamin’ny ankamantatra fanao amorom-patana ny ankizy. Isan’ireo
izay nangetaheta fianarana i Rainisoalambo satria mba maniry hivoatra ara-tsaina
izy. Ny fahaizany dia nanampy azy betsaka tokoa teo amin’ny fampivoarana ny
fiainany.
Noho izany nantsangany ho didy mihitsy ny tsy maintsy hianarana marika sy
vakiteny ho an’ny Mpianatry ny Tompo.
2. NY FIARAHA-MONINA
Maro ny zavatra nitranga tamin’ny androm-piainan’i Rainisoalambo :
fampihorohoroan’ny dahalo, valan’aretina izay nandripaka olona maro, fangejana
ny fiainam-bahoaka ka nahatonga ny fahantrana.
Nitady fomba samihafa mbo hivoahana tamin’izay ny olona. Nampiasaina ny ody, ny
sikidy, ny sampy, sns …nefa tsy nahitam-pamonjena. Ny fivavahana kristiana izay
noraisin’i Rainisoalambo ihany no afaka namaha ireo olana rehetra ireo.
Tamin’izany no nahazoany famonjena. Tamin’ny alalan’ny fivavahana kristiana dia
nisy fampianarana ara-pahasalamana sy fahadiovana izay nataon’ny Misionera. Nisy
koa ny fampianarana ny fifankatiavana sy ny fifanampiana ary ny fandeferana
(10). Ny fitsiriritana ny fiainam-bazaha no nanamora ny fampiharany izany tao
amin’ny Mpianatry ny Tompo. Ny fitandroana fahadiovana no anokanana ny biby
fiompy any ivelan’ny tanàna, fandiovana ny trano sy tokotany, fanaovana akanjo
madio sns,. Fanorenana sekoly, fikarakarana ny marary sy ny mahantra ary
fiezahana hitory ny Filazantsara.
3. NY TOE-KARENA
Famporisihana ny fambolena tamin’ny alàlan’ny asam-piraisana. Fanafoanana ny
andro fady izay vato misakana ny famokarana. Fampianarana ny Mpianatry ny Tompo
mba tsy hanao fandaniam-poana eo amin’ny fahafatesana satria nampahantra ny
olona ny fikarakarana ny faty halevina tamin’izany fotoana izany : toy ny
famonoana omby…fividianana lamba mena sns… Fampiorenana ny finoana
an’Andriamanitra mba hanankina izay rehetra atao hahazoana fitafiana.
4. FIVAVAHANA
Tarigetra lehibe ny fanevan’ny Fifohazana :
- NY FITIAVANA (Jaona 13/34-35)
- NY FIRAISANA (Jaona 17/21)
Fahafaham-baraka lehibe teo amin’ny Fifohazana Soatanana ny Fisarahana
tamin’ny 1954. Ratra nampalahelo tsy voakosoky ny tantara mandrak’ankehitriny ny
tarazon’izany fisarahana mampalahelo izany. Adidy sy andraikitra miandry ny
mpamaky izany mba ho entina eo anatrehan’ny Tompo.
back to top
Toko I. Manolotrony sy ny
fomba amam-panaony
Print
January 27, 2009
Raha fombam-pivavahana na fivavahana no resahina dia tsy maintsy
resahina aloha ireo olona manatanteraka izany. Noho izany mialohan’ny
resaka momba ny Fifohazana izay fombam-pivavahana iray dia hofaritana
aloha ny momba ny Manolotrony amin’ny ankapobeny sy ny toetry ny fiaraha-monina
ao aminy.
2.1. FAMARITANA ANKAPOBENY
Raha sendra tanàna iray dia betsaka ny fanontaniana tonga ao an-tsaina
avy hatrany, toy ny tantaran’ny toerana, izany hoe : Inona no nahatonga
na nihavian’ny anarany….aiza ny faritra onenany…ahoana ny mponina ao ? …
2.1.1 NY ANARANY
Ao amin’ny Faritany Fianarantsoa amin’ny faritra atsimo no misy an’i
Arindrano izay ahitàna an’i Tsienimparihy izay toy ny lamba ifonosan’ny
tanànan’i Manolotrony. Noho izy ao ampitan’ny ony Mananantanana dia
natao hoe : tànana manolotra ny ony ka lasa raikitra ho anarany izany :
Manolotsony na Manolotrony.
2.1.2. NY MPONINA
Ny foko Betsileo no monina ao. Betsaka ireo mpihavy avy any Antananarivo
izay efa ela nipetrahana tao ka sarotra ny manavaka azy ireo amin’ny
tena zanatany. Misy vitsivitsy ihany koa ny Tanala monina ao. Mponina
tsy dia sahirana loatra noho ny toerana izay manana ny harena ankibon’ny
tany sy ahitana fanenonan-damba arindrano sy lamba landy. Mponina
miavaka amin’ny foko hafa noho ireto zavatra ireto :
A. FINOANY
Mamaritra ny fiainan’ny olona iray na ny vahoaka manontolo eo amin’ny
fiaraha-monina misy azy ny finoana. Fa avy amin’io finoana io no
mahatonga ny olona ho afaka mivelatra eo amin’ny ara-tsaina na eo
amin’ny fomba enti-miaina an-davanandro. Mampivelatra sy mampikororosy
fahana ny olona ny fiainana ara-pinoana. Mibaiko ny maha-olona ny
finoana satria avy amin’ny fo no isiany ka ametrahany ny mikasika ny
fiainana manontolo, ka izay zavatra mbola ho avy tsy takatry ny sainy
rehefa izay no ekeny nohon’ny finoan ivelomany dia ekeny ho marina
tanteraka.
1). AMBONDROMBE
Havoana mirefy 1925 metatra eo ho eo no hahavony. Rakotra ala mikitroka
ny tendrombohitra manontolo. I Mahatsinjo tendrony dia tsy tazana loatra.
Ao an-tampony ao dia misy « ranovory » izay tsy mbola nisy olona
tafakatra teny afa-tsy ireo olona « fairin-draha » na olona entin-javatra.
Toerana masina hono io Ambondrombe io satria tany fady tsy azo kasihina.
Raha misy olona manazimbazimba an’io toerana io dia iharan-doza ka
miolana ny hatony na mety ho faty eo no eo mihitsy aza. Raha misy olona
te-ho eny, ka vao eny ampototry ny tendrombohitra dia manjary tonga
tampoka ny oram-baratra. Misy hery miafina amin’io tendrombohitra io ka
izany no anomezana azy koa ny anarana hoe : IRATSY. Ao amin’io toerana
io no iangonan’ny fanahin’ny olona maty rehetra. Rehefa tonga eny ilay
fanahy dia mbola manohy ny asa fanaony andavan’andro ihany. Noho izany
dia laza toerana atahorana sy masina ho an’ny mponina rehetra
Ambondrombe ka ivavahana sy anaovana voady sns…
2). OMBIASA NA OMASINA
Manana anjara-toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina ny Ombiasa na
Omasina. To teny eo anatrehan’ny vahoaka rehetra sy hajain’ny olona
fatratra tokoa. Na inona na inona baikoiny hatao dia tsy maintsy
tanterahina na sarotra toy inona aza. Ny mponina vokatr’izany dia
mametraka ny fo tamin’ny sampy sy ny sikidy ary ny ody fiarovan-tena
isan-karazany…Nohajaina fatratra ny fady napetraky ny razana. Ny aretina
rehetra dia avy amin’ny fahasivy avokoa hoy ny fampianaran’ny obmiasa ka
tsy maintsy omeny fanafody fanafana vao sitrana.
B. FIARAHA-MONINA
Na dia manan-karena sy toa milamindamina ny fahitaàna ny mponina ety
ivelany dia endrika ivelany fotsiny izany. Miaina ao anaty tebiteby lava
eny, mivarahontsana mihitsy raha sendra misy maty satria toa misy feo
heno avy hatrany mipoitra eny Ambondrombe. Tahotra matoatoa (lolo)…tahotra
mosavy…tahotra voatsinin’ny razana. Heverina ho hery lehibe mahafaty sy
manimba ary mahasakana ny soa rehetra mety ho azo ny tsiny raha tezitra.
Noho izany ; dia tambatambazana mandrakariva sao tezitra ka mampidi-doza
amin’atambo. Eo anatrehan’izany dia tsy misy filaminany ny fiaraha-monina.
Lany andro amin’ny fanalana faditra sy fanaovana lanonanan ho
fanambatambazana ny zanahary sy ny razana.
back to top
Toko II.
Manolotrony sy ny toetrandro
January 27, 2009
Ny fipoiran’ny Fifohazana tao Manolotrony dia mifamatotra tanteraka
amin’ny toe-javatra izay niseho teto amin’ny firenena. Zavatra roa
lehibe no nanamarika ny tantara tamin’izay fotoana izay. 2.2 NY
FITORIANA FILAZANTSARA
Tamin’ny taona 1880 dia efa tonga tao Tsienimparihy sahady ny Asa
Fitoriana Filazantsara izay notanterahin’ny Misiona L.M.S.. Tamin’ny
1887 dia niorina tao sahady ny toby Misionera «Station missionnaire».
Niorina ny Fiangonana sy ny Sekoly. Niezaka nanao ny ainy tsy ho zavatra
ny Misionera nitory an’i Jesoa Kristy Mpamonjy izao tontolo izao.
Nandroso ny asa ka nahatratra ny foko Tanal ny Asan’ny Misionera. Tsy
nisy fandàvana mihitsy teo amin’ny mponina saingy tsy tena babon’i Jesoa
ny fiainany. Jesoa Kristy tsy navelany hanapaka ny fiainany. Eny Jesoa
Kristy ivelan’ny fony ka tsy manam-pahefana taminy sy ny ataony. Jesoa
Kristy mandondona mandrakariva mangata-dalana te-handroso satria tiany
sy maminy loatra ny nahazo toerana ao amin’ny fon’ny olona. Nefa indrisy
Jesoa Kristy atao ho Mpanjaka kanefa lavina fadifady ary sikidy sy toro-hevitry
ny ombiasa no mibahan-toerana ao am-po. Olona manao tanan-droa sady
mitoky amin’ny ombiasa no tsy manapaka andro Alahady amonjena Fiangonana.
2.2.1. NY FAHASAHIRANAN’NY MPONINA
Ny 96 isan-jaton’ny mponina dia tsy mahay mamaky teny sy
manotratra ka mora nambakaina tokoa. Mbola mitohy ihany ny asan’ny
Menalamba mampihorohoro ny mpivavaka ka nahatonga fihemorana tamin’ny
olona. Mbola namely ny areti-mandringana isan-karazany. Betsaka ny
zavatra tsy nazava tamin’izany fotoana izany satria nanjary tsy
nitokian’ny olona intsony ny hopitaly sy ny fanafodin-dokotera. Mitovy
isa ny olona matin’ny pesta sy ny matin’ny tsindrona. Ny vanim-potoana
nipoiran’ny Fifohazana Manolotrony koa dia tao anatin’ny ady lehibe
voalohany izay fotoana nanahirana an’izao tontolo izao manontolo ka nisy
akony tany Manolotrony noho ny fanararaotam-pahefana teo amin’ny
mpanjanatany. Nisy karazana demonia izay nanahirana sy nahatonga olona
ho lasa adala atao hoe «BILOMBARA» no nahavery hevitra ny maro.
Lasibatra tamin’ny fanenjehan’ny Katolika koa Manolotrony noho i
Tsienimparihy misy « station missionnaire » L.M.S. Maro ireo kristiana
nampangaina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny Menalamba. Tsy misy
filaminana ny tany sy ny fanjakana ary ny Fiangonana. Iza no
hiantsapazana…Aiza no hahazoana vonjy…Inona no hatao ?…Tahaka ny
Sambokely tratry ny rivo-doza eny ambony ranomasina i Tsienimparihy izay
misy an’i Manolotrony. Mitsena onja mahery, mampiraviray tanana ny
vahoaka rehetra ao anatiny. Tsy tazana akory ilay toerana manondro ny
fitodian-tsambo. Injay toa manako ao anatin’ny rivotra mifofofofo ny
fanontaniana manao hoe : «Aiza ny finoanareo ?» (Lioka 8/25). Ary
manangana tandrom-pamonjena ho antsika amin’ny alalan’ny famohazana
vehivavy Malagasy iray mba hitondra hafa-PINOANA ho an’ny Malagasy
namany.
back to top
Toko III. Neny Ravelonjanahary
January 27, 2009
Mizara telo ny tantaran’i Neny Ravelonjanahary dia ny fiainany
talohan’ny niantsoan’ny Tompo azy sy ny fanomanana azy, ary ny asany.
2.3. NY FIAINANY TALOHAN’NY NIANTSOANY AZY
Zanaka Ombiasa nikoizana tamin’ny faritra Arindrano ny Rain’i
Ravelonjanahary. Noho ny ody teny aminy tsy mba resy an’ady «morengy» na
ady miaraka amin’ny tafika ny rainy. Malaza ho mahay mibaiko voay, izany
hoe na dia masiaka toy inona aza ny voay dia tsy mba mikasika azy sy ny
olona tezainy noho ny ody fanidi-voay eo am-pelatanany. Mahay manohana
ny avandra tsy ho latsaka amin’ny voly. Mpanasitrana olona main’ny
alàlan’ny ody isan-karazany. Mamantatra andro tsara sy ratsy ka
nilàn’olona hevitra tamin’ny zavatra hatao toy ny : hanao famorana, ny
fanambadiana, fandehanana lavitra…fandevenana. Sns…Vavimatoa notezaina
fatratra tamin’ny fomban-tsampy Renilahy (izany no tena anarany…) ka
lasa olon-doloina nitoeran’ny fanahin’ny maty na tsanganan-drazana izany
hoe: Miteny amin’ny alàlan’ny olona maty izy, mitovy feo aminy, ary
afaka mamantatra ny zava-miafina.
Noho izy olon-doloina (= olona misy lolo) dia lasa mpanasitrana
sy mpanafana (= manala faditra na manala tsiny olona). Nijaly sy
fadiranovana izy noho io fanahy mitoetra ao anatiny io. Betsaka ny
zavatra notandremany fa tsy azony kasihina satria fady azy. Ny sotro sy
ny viliany dia tsy azo nakambana tamin’y vilian’olona na iza na iza
satria saro-piaro loatra ny fanahy nitoetra ao aminy. Ny sakafo
tsaratsara rehetra dia saika fady avokoa: henakisoa, akoho, amalona,
omby bory, voanjobory sns…Voafetra ny zavatra sy fihetsika azo atao, ary
matetika miandry baiko avy amin’ny fanahy ao aminy avokoa vao manao
zavatra… Ankoatr’izany olona malaza tamin’ny fahaizana tenona koa izy…Manambady
an’i Razafimahailaza na Rainiboto na Rainidalo izy ka niteraka iray izay
maty mbola tanora nefa namela zazavavy kely iray. Estera no anaran’io
zafikelin’izy mivady io. Maty koa io zaza io taty aoriana . Efa nanan-janaka
hafa ray Ramatoa talohan’ny nanambadiany an-dRainidalo, Rasoja no
anarany, nefa rehefa nivady kelikely ry zareo, dia maty koa io zanany io.
Tsy mba nahavonjy azy ireo ny sampy sy ny ody rehetra tao aminy. Voatery
nanangana ny zanak’anadahiny izy mivady mba tsy ho irery loatra. Olona
tsotra sy tian’ny mpiara-belona taminy izy mivady. Ilay devoly nipetraka
tamin’i Renilahy dia fetsy satria mody niseho manasoa sy manao zavatra
tsara izy kanefa fatorany amin’ny zatra maro. Ny fitazonany ody mahery
sy ny fanahin’ny maty mitoetra ao aminy no mahatonga azy ho maty anaka
foana. Ny fomba fiasan’ny devoly dia tahaka izany hatrany, mody omeny
fahefana hanao zavatra mahagaga kanefa tsy maintsy misy tambiny dia
fahafatesana sy fanandevozana tanteraka ho an’izay olona manaiky hiasany.
Firifiry moa ny olona ampanaovin’ny devoly zava-mahagaga mahazendana ny
fiaraha-monina manontolo kanefa aty aoriana dia ivadihany ka ilazany hoe
: « Mahery loatra io ody an-tananao io…ka raha tsy ny havanao no omenao
atao sorona dia ny ainao no manefa. » Aty aoriana dia ny zanaka mihitsy
no takina amin’ilay olona mpilalao ody. Ilay ody koa tsy mamela azy fa
mangeja azy mba tsy ho afa-miala aminy…Tsy hafa noho izany i Renilahy,
ny vozony miravaka ody, ny lohany itoeran’ny vola tsy vaky, tsy azo
nesorina tao ambany fotobolony voarandrana izany… «Indrisy: olo-mahantra
aho ! hoy Paoly Apostoly: Iza no hanafaka ahy amin’ity fahafatesana ity
?» (Rom 7/24). Tsy mba mahatsiaro tena…Tsy mba niantso vonjy…Jamba
tanteraka ao anatin’ny aizim-pito…Hoy ny tononkira hoe : «Fantatrao
very aho, nefa tsy mba nilazanao an’i Jesoa»… Mahagaga anefa ny
fitiavan’Andriamanitra fa any amin’izay tsy maniry sy tsy mitady Azy no
hirotsahany antsehatra mivantana. Izy Tompo no misahirana mikaroka,
mamonjy olona iray mba hataony ho fiasam-pamonjena hanavotra ny mpiara-belona
aminy. Hoy Jesoa : «Tsy misy olona mahay manatona Ahy raha tsy
nomen’ny Ray azy izany» (Jaona 6/65). Izany indrindra no
nahafatesan’i Jesoa teo ambony hazofijaliana mba hisolo ny olona satria
tsy mahay manatona Azy ny olona.
2.3.1. RAVELONJANAHARY NIOVA FO
Tokony tamin’ny taona 1900 no niantsoan’ny Tompo azy. Teo amin’ny faha-60
ny taonany nefa tena mbola matanjaka sy tomady tsara izy tamin’izay
fotoana izay…Raha mandinika ny fomba niantsoan’ny Tompo azy, dia toy ny
olona mihaino angano sy arirarira satria feno zavatra mahazendana sy
mampitolagaga tokoa. Fa hoy Paoly Apostoly : «Fa ny olona izay araka
ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra fa
fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no
amantarana izany» (II Kor 2/14). Sarotra raisina amin’ny fisainana
efa zatra mandalina sy manao lojika anefa azo takarina amin’ny alalan’ny
finoana. Fa hoy ny Soratra Masina : «…Indro Izaho no Jehovah
Andriamanitry ny nofo rehetra, moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va
?» (Jer. 32/27). Tsy dia mahery vaika loatra ny fiantsoana an’i
Renilahy fa nandeha tsikelikely.
1) FAHITANA TEO ANTOKANTRANONY
Indray alina raha nanadio landihazo (hasy) tao an’efitranony izy, dia
nahita mazava lehibe, dia nisy tovolahy tsara tarehy nitaona ankizy maro,
ary Rainisana zanany mba isany tamin’izany. Taitra mafy izy ka
niantsoantso hoe : «Maty ny zanako fa fairin-draha (na entin-javatra)».
Namaly azy niaraka tamin’izay ilay olona ka nanao hoe : «Aza
matahotra ary aza mitabataba fa izaho no Jesoa». Rehefa nilaza
izany izy dia lasa.
2) FAHITANA TANY ANTSAHA
Raha teny an-tsaha naka voankazo via izy telo mianaka dia niseho taminy
indray ilay fahazavana efa hitany taloha. Tazany indray ilay tovolahy
niaraka tamin’ireo ankizy marobe. Tovolahy tanora dia tanora, tsara
tarehy, tsy misy volom-bava, miakanjo fotsy lava. Nidina nanatona azy
telo mianaka. Noraisiny tamin’ny sandriny i Rainisana zanak’izy mivady
ka nentiny niakatra teny amin’ny habakabaka. Ireo ankizy niaraka taminy
kosa dia nanaraka nifampitantana avy aty aoriana. Taitra sy natahotra i
Renilahy ka niantsoantso vonjeo…Vonjeo rey olo fa tangan-draha ny zanako…kanjo
mba naveriny ihany rehefa avy nentiny teny ambony teny.
Amin’ny maha-mpanompo sampy azy dia tsy nipetra-potsiny izy fa tsy
maintsy nojerena tamin’ny alàlan’ny sikidy izao toe-javatra hafahafa
izao. Efa nanahy be ihany izy satria ny nateraka rehetra dia maty avokoa,
ity zaza natsangana ho mpamelo-maso indray toa lalaovin-javatra ! Tsy
nahita na inona na inona anefa ny sikidy ka dia niasa fatratra ny lohany
nieritreritra izao zava-miafina tsy nahitam-baliny izao.
3) FEO MIVANTANA
Hoy ilay feo : « Renilahy mitady olona hiasa ho AZY Andriamanitra ka
anisan’ny voaantso ho amin’izany ianao. Ny asa ampanaoviny anao
amin’izany, dia ny hamaha ny olona amin’ny fatorana rehetra mahazo azy,
koa na inona na inona aretin’ny olona, raha mety mino ny
herin’Andriamanitra izy dia ho sitrana. Koa raha tsy mety manaiky izao
antso izao ianao, hoy ilay feo dia ho vonoin’Andriamanitra ho faty ».
(Tsy misy zavatra fantratr’i Renilahy akory momban’izany famahana ny
olona amin’ny fatorana mahazo azy izany. Tsy mbola nandray an’i Jesoa
Kristy na ny Filazantsara akory izy talohan’ireo zava-mahagaga ireo).
4) NY DIDY FOLO
Taorian’ny sakafo hariva, raha niaraka nipetrapetrak teny antokotany izy
sy ny anadahiny dia nahita mazava mamirapiratra indray nanatona azy ireo.
Natahotra izy ka lasa niditra tao an-tranony haingana. Nosasany ny
masony sy ny tanany. Niaraka tamin’izay dia nahare feo indray izy
nibaiko azy mba hijery ny tanany. Gaga izy fa feno soratsoratra ny
rantsan-tanany 10. Dia nohazavain’ilay feo fa : « ny didin’Andriamanitra
ireo voasoratra ireo. Izay rehetra nino an’Andriamanitra noho ny teny
izay hambaranao aminy dia ho sitrana amin’ny aretiny rehefa hametrahanao
ny tananao ».
Nanomboka resy lahatra Renilahy, nitaiza sy nampianatra azy koa ny Tompo.
Ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra no hahaizan’ny olona manaiky Azy.
Amin’ny maha-Tompo sy Mpanjaka an’i Jesoa izay manam-pahefana amin’ny
fiainan’ny olona dia tonga mahay manaiky Azy ny olona antsoiny. Tahaka
ny niantsoan’ny Tompo ny Apostoly 12 lahy dia nobaikoina fotsiny hoe :
«Manaraha ahy» (Mat. 2/22, Marka 2/21, Lioka 5/27, 9/59 ; 18/22,
Jao. 1/43 ; 21/19-22) dia nandao ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i
Jesoa. Izany ny fahefan’ny Tenin’i Jesoa : baikon’ny Tompo amin’ny
mpanomponao.
Nasehon’ny Tompo taminy ny elanelana mampisaraka azy amin’ny fahotany.
Niasa tao aminy ny Fanahy Masina ka nanjary tsaroany avokoa ny fahotana
rehetra izay nataony, eny fa na dia hatramin’izay madinika indrindra aza.
Nanenina tamin-dranomaso izy ka tonga olom-baovao. Ny mahagaga anefa dia
mbola teny aminy ihany ireo odiny sy ny vola tsy vaky tao amin’ny
fotobolony ary mbola nohajainy ihany ny fadifady isan-karazany. Tahaka
ny zaza mbola miana-mandeha anefa izy ka nobaikon’ny Tompo indray handao
ny fombafomba sy ny fady rehetra.
Fitaizana amin’ny alalan’ny sary an’ohatra no nentina nampianatra azy
noho izy tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Toy izao izany : Ny fomba
amam-panaon’ny mpanompo sampy dia fady avokoa. Tahaka izay nitandremana
ny fady rehetra fony mbola tao anatin’ny maizina dia tahak’izany koa ny
fitandremana ny didin’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Ny mpisoron-tsampy
(ohatra) mitafy akanjo mena sy mainty dia noraisin’i Renilahy ara-bakiteny
ka nataony ho zava-pady ny akanjo menamena sy maintimainty. Nanjary foto-pampianarana
ho an’ny Fifohazana Manolotrony ny tsy fitiavana loko mainty sy mena.
Lazaina mivantana ho lokon-devoly ny mainty sy mena. Raha mbola nilomano
tamin’ny fanompoan-tsampy i Renilahy dia nitandrina fatratra ny andro
Atalata sy Alakamisy ho andro fady tsy azo anaovana raharaha sy tsy azo
amoaham-bola. Nampiharihary indray tamin’ny fitandremana ny andron’ny
Tompo koa izany, ka na dia ara-tSoratra Masina aza ny fanaovam-bokatra
andro Alahady (I Kor 16/1-2), dia natao ho fitsipika ho an’ny Fifohazana
Manolotrony ny fandrarana ny olona tsy hanao na handray anjara amin’ny
vokatra Alahady. Sarotiny ery ny Fifohazana amin’ny fampiasana ny zava-manitra
satria fanao amin’ny fiantsoana tromba ny ranomanitra…sns…sns…
Marihina fa rehefa nobaikon’ny Tompo hanary ny odiny i Renilahy
dia tapaka ho azy ny ody teny amin’ny vozony sy ilay vola tsy vaky
nifatotra tao amin’ny foto-bolony. Na dia voarandrana tsara niaraka
amin’ny volony aza ilay vola dia nanjary tsy hita ny nanjavonany, nefa
na singam-bolo iray aza tsy nisy tapaka. Fahagagana lehibe tamin’ny
havany izao fiovana mahery vaika izao. Somary raikitahotra ihany ny
havany nahita azy nikambana vilia sy sotro tamin'ny vadiny. Avy hatrany
anefa dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny fianakaviana izy ny amin’izao
asan’Andriamanitra nanova azy izao.
2.3.2. NY ASA NATAONY
A/ FANOMANANA
Mialohan’ny hirotsahany feno amin’ny asam-pifohazana dia mbola
nampianatra sy nanomana azy aloha ny Tompo. Tahak’izay nataon’ny Tompo
tamin’ireo Apostoly 12 lahy dia nomanina nadritran’ny 7 taona i Renilahy.
1) Fahafatesana nandritra ny 6 andro
Tonga taminy ny feon’ny Tompo nilaza fa tsy maintsy ho faty izy kanefa
fahafatesana 6 andro monja izany. Hoy ny Tompo taminy : «Ilazao ny
vady aman-janakao mba tsy handevina anao fa amin’ny andro fahafito dia
hitsanga-ko-velona indray ianao».
Tanteraka tokoa izany ka maty i Renilahy. Tamin’ny fo tony feno
fanantenana tanteraka no nikarakaran’ireo havany ny fatiny. Nandrasana
tamin’ny alalan’ny hira sy fivavahana ny faty. Tamin’ny andro fahadimy
anefa nanomboka kivy ny fianakaviana satria nivonto sy vaky ary maimbo
tanteraka ny faty. Tsy laitra nijanonana ny tao an-trano vokatry ny
fofona. Nivory ny fianakaviana. Hoy izy ireo hoe : «Angamba nanonofy i
Renilahy…fa izao fahitantsika azy izao dia tsy «possible» ho velona
intsony» Tapaka ary ny hevitra fa ho entina any amin’ny fasan-drazana
halevina izy. Noho ny halavitry ny toerana anefa dia niandry ny ampitso
vao niainga (andro fahaenina). Hariva ny andro vao tonga tany an-toerana
ny mpandevina. Koa satria tsy mba fomba ny mandevina andro alina dia
voatery nandrasana indray alina ny faty. Ny ampitson’iny (andro faha
fito) vory ny vahoaka rehetra…feno ny Fiangonana…natao ny fanompoam-pivavahana
fanao amin’ny fandevenana. Raha mbola nikipy nivavaka ny olona dia indro
velona i Renilahy nitsangana tamin’ny maty. Tao ny raiki-tahotra…tao ny
nihanahana…tao kosa ny faly nidera sy nankalaza an’Andriamanitra.
Tanteraka ny tenin’ny Tompo hoe: «…ny alahelonareo hody fifaliana»
(Jaona 16/20). Akory ny fahatairan’ny maro fa ilay fofona maimbo sy
mantsina teo dia nivadika ho fofo-manitra mamerovero mameno ny
Fiangonana manontolo. Niaraka tamin’izay dia tonga saina avokoa ny
rehetra ka samy nidera sy nankalaza an’Andriamanitra. Vokatry ny
fifaliana be loatra dia maro ny latsa-dranomaso. Tao koa ny nitomany
nifona noho ny tsy finoany. Gaga ny olona nandinika an’i Renilahy fa
ilay tenany nivonto sy vaky ary simba tanteraka teo nanjary niova toy ny
hodi-jazakely indray…Nalaza tamin’ny manodidina rehetra izao zava-nitranga
tsy mbola nisy na taiza na taiza izao ka tonga maro ny vahoaka mba
hizaha sy hihaino.
Notantarain’i Renilahy fa nakarina tany an-danitra ny fanahiny
nampianarin’i Jesoa Soratra Masina sy nampahafahantariny ny
zava-miafin’ny lanitra…Novan’i Jesoa ny anarany fa tsy atao hoe :
Renilahy intsony fa atao hoe : RAVELONJANAHARY kosa :
novelomin’Andriamanitra na tsy velona raha tsy Andriamanitra, izany hoe
: Andriamanitra no antom-pisiany, na olona tsy misy mihitsy raha tsy
Andriamanitra, olona tsy afaka misaraka amin’Andriamanitra mandrakizay.
Niova fo…niova fiainana…niova fomba amam-panao…niova anarana. Ny
fanomezana anarana dia mifanaraka amin’ny toetoetra na ny anjara-toerana
raisina. Fialàna amin’ny toerana anankiray ho amin’ny toerana vaovao
indray.
2) Fanamasinam-panambadiana
Tonga taminy indray ny tenin’ny Tompo ny amin’ny hanaovana fanamasinana
ny fanambadiany. Toy izao ny fomba nanaovana izany : « Apetraho eo
amin’ny rindrina ny tananao havanana ary atsindrio eo ambonin’ny
tànan’ny vadinao, ary ny Ahy kosa hoy ilay feo ataoko eo ambonin’ny
anareo mifanongoa, dia asaivo tondrahan’ny zandrinao rano mangatsiaka ny
tanantsika mifanindry » (15). Dia mitsodrano azy Jesoa fa hitahy sy
homba azy mandrakariva raha tsy mivadika amin’ny fanekeny izy roa.
3) Telo volana tany an-danitra
Tonga taminy ny tenin’ny Tompo nilaza hoe : «Ny fanahinao dia
hakarina any an-danitra, ary omena fanahy hafa kosa ianao mba tsy
hahafaty anao». Nandritra ny telo volana dia tsy mba nisakafo izy fa
rano mangatsiaka fotsiny no nosotroiny. Nampianarina : vakiteny…marika…hira…didin’Andriamanitra.
Nomena ireto anarana mpamarin-toetra ireto izy hoe : Mpaminany…Mpanetry
tena…Mpangataka. Rehefa tsy mianatra izy dia miara-monina tamin’ireo
anjely sy ny olom-boaavotra. Saika mianatra isan’andro izy ary mazava
taminy ny fampianarana rehetra saingy tsy mba hitany maso Izay
mampianatra azy na dia akaiky azy aza ny feony. Ny hiran-danitra izay
reny dia tsy hay hazavaina ny hakantony sy ny hatsarany. Ny feon-java-maneno
faran’izay tsara indrindra eto ambonin’ny tany aza tsy azo ampitahaina
aminy.
B/ ASA MAHAGAGA
Ny olona rehetra nandre ny toriteny sy ny fampianarana nataon’i Neny
Ravelonjanahary dia samy nahatsapa fa tena olona ampitenenin’ny
Fanahin’Andriamanitra izy. Kristy tokoa no velona ao anatiny. Nijoro
vavolombelona tamin’ny fony rehetra izy. Ny zava-dehibe tamin’ny hafatra
nampitondraina azy dia ny fanentanana ny olona hino an’i Jesoa Kristy
Tompo. Ny FINOANA no mahavonjy. Raha MINO dia tsy maintsy sitrana.
Finoana iainana isan’andro.
- 1908: Mbola tsy niala tamin’ny sikidy sy ny odiny ny Rainy, ka
nohatonin’ny olona satria nihantona nandritra ny fotoana ela ny orana ka
simba tanteraka ny voly. Nohasinina ny ody, natokony ny sikidy nefa
niala maina fa vao mainka nigaingaina ny andro. Dia nanatona azy
Ravelonjanahary ary naminany ny amin’ny hiavian’ny oram-be mivatravatra
aorian’ny vavaka izay nataony. Tanteraka tokoa izany ka dia resy lahatra
ny rainy fa mahery tokoa Ilay Andriamanitr’i Renilahy hoy izy loabolana.
Dia nanary ny sampiny ny rainy ka nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra.
- 1912: Volana Desambra dia tonga taminy indray ny feon’ny Tompo
nilaza ny hahafatesany indray. Mandritran’ny telo andro izany
fahafatesana izany . Natao mitovy tamin’ny fahafatesan’ny Tompo. Maty
andro Zoma ary tsy maintsy mitsangana ny andro fahatelo dia ny Alahady
izy. Koa satria Krismasy ny andro tamin’izay dia nampisafidianan’i
Ravelonjanahary ny fianakaviany na hijanona na handeha hamonjy ny
Fiangonana. Nafarany ny Evanjelistra mba ho tonga any Manolotrony rehefa
mirava avy mivavaka ny olona. Tsy nandao azy anefa ny fianakaviany fa
iraka no nalefa tany am-piangonana hilaza ny vaovao. Nino tanteraka ny
olona ka tsy nisalasala intsony. Niombom-bavaka tao amin’ny efitrano ny
olona niandry izay zavatra hitranga. Tamin’ny telo ora tolak’andro dia
nisy hery tsy hita nibata ka nanipy azy teo amin’ny rindrina naka
endriky ny Tompo nihantona teo ambony hazo fijaliana. Nihevaheva teo
amin’ny rindrina izy, ny tanany mivelatra. Taitra sy talanjona avokoa
ny olona rehetra teo. Minitra fohy taorian’izany dia nidaraboka tamin’ny
tany izy ary efa tsy misy aina intsony fa maty tanteraka. Napetraky ny
olona teo ambony tsihy madio ny faty. Nitohy indray ny vavaka sy ny hira.
Tonga avokoa ny olona avy nivavaka tany am-piangonana. Natao ny fiaretan-tory
tamin’ny alina : Hira…Vavaka…Famakiana Soratra Masina…Toriteny tamin’ny
hafanam-po sy fanantenana feno no natao tamin’ny fotoana malalaka teo am-piandrasana
ny faty. Ny Alahady maraina, samy liana te-hahita izay fomba
fiverenan’ny ainy avokoa ny olona. Hoy indrindra izy ireo tamin’izany :
«Manao ahoana re ny fiverenan’ny ainy e ! Hievona ve izy…sa avy hatrany
dia mipetraka, sa ahoana ?». Niaraka tamin’izay dia lasa sondrian-tory
tampoka teo izy rehetra…Ravelonjanahary efa mihira hoe : «Ry Tompo
zanaharinay. Manati-tsaotra izahay. Fa efa novelominao…» vao taitra
avokoa izy rehetra. Dia zendana sy gaga ary nidera ny Tompo tamin’ny
fifaliana feno dia feno. Dia nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro
fahatelo tokoa Ravelonjanahary araka Ilay fenon’ny Tompo.
FOMBA FIASA
a) Fampiorenana – Finoana
Maro ny olona nanatona azy ka nampianariny Soratra Masina mba hino an’i
Jesoa ary hanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Ny marary rehetra sy ny
demoniaka dia sitrana avokoa. Indray andro dia nahazo taratasy avy any
Antsiranana (Diego) i Ravelonjanahary. Ny votoatin’io taratasy io dia
fangatahana vavaka noho ny zanaky ny mpanoratra ampahorian’ny demonia
loatra…Avy aty Manolotrony i Ravelonjanahary no nikiaka mandroaka ny
demonian’ilay zaza. Tamin’izay ora izay (araka ny taratasy taty aoriana)
dia sitrana tanteraka ilay zaza. Tena zava-dehibe taminy tokoa io
FINOANA io. Hoy i Jesoa : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa :
Izay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho
izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray» (Jaona 14/12). I
Jesoa Ilay fahamarinana dia tsy mandainga na oviana na oviana. Tena
marina ny fanambarany eto. Sao dia isika no tsy mino. Minoa dia hanao
asa lehibe tokoa ianao. Ny finoana dia mitaky firaisana amin’i Jesoa. Ny
firaisana amin’i Jesoa no ahazoan’ny Fanahy Masina mitoetra ao am-po,
hoy ny fanazavana nataon’i Ravelonjanahary. Noho izany, na inona na
inona karazan’aretina nentina teo anatrehan-dRavelonjanahary dia sitrana
tamin’ny anaran’i Jesoa avokoa (kilemaina…jamba…Sampona hatrany an-kibondreniny
….olona misy bilo sns…)
b) Fanetren-tena
Tamin’ny fanetren-tena no nanaovany ny asan’i Jeso. Raha misy olona
manantona azy nangataka mivantana aminy mba ho sitranina dia miteny izy
hoe «Tsy mahay manasitrana aho tompoko, fa raha mino an’i Jesoa ianareo,
dia Izy no hamaly ny hetahetanareo.»
Ny filazana sy ny fitantarana ny fanambarana rehetra voarainy indrindra
fa ny zavatra nolazain’ny Tompo mivantana tamin’ny tany an-danitra dia
nataony tamin’ny fanetren-tena avokoa. Hoy indrindra izy raha nilaza
izany : «Matahotra aho…sao dia tsy voaveriko….sao diso ny zavatra
nampitondrain’ny Tompo ahy.»
Ny fanetren-tenany dia niseho indrindra tamin’ny fikarakarana sy
fanadiovana ireo marary ferena. Indray mandeha dia nisy marary feno vay
hatreo an-tampon-doha ka hatreny am-paladia. Mibotsimbotsina, masamasaka
feno nana ary maimbo velona. Hoy ny Tompo tamin-dRavelonjanahary : «potsipotsiro
amin’ny tànanao avokoa ny fery». Maimbo sady feno nàna ny tanany
rehetra, rehefa vitany izany. Dia nibaikona avy hatrany izy hamaofy
voasary teo akaikiny sady hihinana izany miaraka amin’izany tsy misasa
tanana akory.
Dia rafitra nanao tokoa i Ravelonjanahary nefa nony hihinana ilay
voasary izy dia hoy ny Tompo : «Aoka izay…aza hohanina…fantatro ny
fanetren-tenanao sy ny fankatoavanao ny teniko».
c) Fampiasana zavatra
Ny zavatra nampiavaka an-dRavelonjanahary dia ny fampiasana zavatra hita
maso ho fitaovam-pahasoavana. Somary hafahafa ihany izany kanefa
antonon’ny lanjam-pisainana tamin’izany fotoana izany kosa.
1/ Tehina
Rehefa avy nampianarina ka nibebaka ary nandray an’i Kristy dia
notondroiny amin’ny tehina ny marary dia sitrana eo noho eo. (Nosakanan’i
Jesoa izany taty aoriana noho ny olona tafintohina taminy.)
2/ Rano
Ny fampiasana rano eny an-doharano na renirano no nataony indray
rehefa nijanona tsy nampiasa tehina intsony izy. Izay nibebaka dia
nirahina nisasa dia sitrana tanteraka rehefa mankato ny fanirahana azy.
Taty aoriana tsy nalefa tany an-doharano intsony ny olona fa nofafazana
rano na nampandroina dia sitrana. (Noraràna indray izy satria niteraka
resabe tamin’ny olona izany).
3/ Tanana
Safoin’ny tanany ny marary rehetra dia sitrana avokoa. Betsaka ny
fitsikerana sy ny fanenjehana azy noho izany fomba fiasany izany, ka dia
nivavaka amin’ny marary no sisa nataony fa tsy nampiasa na inona na
inona intsony.
4/ ANJARA
«Izy ity dia bitsiky ny Fanahy Masina amin’Ineny Ravelonjanahary. Baiko
manambara zavatra hataon’ilay marary eo no ho eo, na ho tanterahiny
rehefa tonga any aminy izy. Ny marary izay tena mametraka ny fony sy ny
fiainany eo am-pelatanan’ny Tompo no mahazo ny «anjara». Ny «anjara» dia
marika ivelany ihany hitarika ny finoan’ilay notolorana azy. Tsy misy
hery hafa, tsy mahavita fahagagana ho azy raha tsy eo ny finoan’ilay
nandray azy. Ny herin’ny Tompo sy ny tanam-pahasoavany no hita
niharihary amin’ny alalan’ny zavatra hita maso…Ny «anjara» dia tsy misy
hafa tamin’ny tenin’i Elisa mpaminany tamin’ilay Komandin’ny miaramila
Syriana. Boka izy io ary nitady fanasitranana, tsy nisy na inona na
inona nomena azy fa dia nisitrika im-pito tao amin’ny ranon’ny Jordana
ihany dia ho sitrana iz. Rehefa notanterahan-dRalehilahy izany dia
sitrana izy (II Mpanjaka 5). Fampiasana rano amin’ny marary ny «anjara»,
mety ho rano mangatsiaka na matimaty na mangotraka koa aza. Atao amin’ny
fotoana samihafa na toerana samihafa. Ao ny mandro, ao ny manasa tanana
fotsiny dia asafo ny loha, ao koa ny manasa loha sy misotro…Izany «anjara»
izany dia atolotra izay tonga ao Manolotrony. Ny avy lavitra tsy afa-mandeha
dia maniraka olona haka «anjara» ho azy, na ireo any lavitra ka dia
soratra no ifanakalozana. Izay manao amim-pinoana ny « anjara » dia
afaka amin’ny aretiny avokoa. Ny tsara ho marihina eto dia ny tsy
maintsy ho famehezan-tena amin’ny zavatra rehetra. Tsy mandeha amin’ny
ratsy intsony fa mivelona sy mandroso ho aminy kosa. Koa raha sanatria
minia mamerina ny ratsy efa nahavoa azy izy dia hitapody aminy indray ny
fahavoazana ary mety ho mafy noho ny voalohany aza ny hanjo azy.
FANENJEHANA
Maro ny fanakianana sy fanenjehana natao taminy noho ny fomba fiasany.
Tao koa ny fialonan’ny olona azy manokana. Adim-panahy mafy tamin’i Neny
Ravelonjanahary izany fanenjehana azy izany.
Nanomboka tamin’ny vady andefimandriny izany fanenjehana azy izany. Izao
asa ataon-dRavelonjanahary izao dia tsy ahazoam-bola aman-karena, ny
vola ao an-tokantrano indray no omena anasoavana ny hafa. Ny asa
famonjena dia tsy vita intsony satria lany fotoana amin’ny fandraisana
olona. Izay toe-javatra izany no nampimenomenona ny fianakaviany…Karazan’olona
maro no nanenjika azy : dokotera…mpanao fanjakana…ny manodidina…ny
fifohazana Soatanana…ny mpitondra fivavahana…ny mpanompo sampy sns….
Nolazaina fa manana demonia izy ka mamitaka ny vahoakan’ny Manolotrony.
Niakatra fitsarana izy tao Ambalavao tamin’ny 11 Novambra 1928. Teo am-pidirana
ny tanàna dia nisy nitora-bato azy. Tamin’izany rehetra izany dia
manoatra noho ny mpandresy izy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Raha nifotorana i Neny Ravelonjanahary ka nirahin’ny manam-pahefana
hitory ireo olona nitora-bato azy sy nanala baraka azy dia tsy nety izy.
Hoy izy « Fantatro fa tia ahy i Jesoa » ary izany no zava-dehibe amiko…Adidiko
ny mivavaka mangata-pamelana ho an’ireo olona ireo. » Ny fibanjinany sy
ny fiheverany ny fitiavan’i Jesoa azy no tsy niraharahiny ny fanenjehana
azy. Fantany fa ny devoly fahavalo no mpanenjika porofo miharihary izany
fa miasa ao anaty ny Fanahy Masina….
back to top
Toko IV. Ny
Fifohazana Manolotrony taorian'i Neny Ravelonjanahary
January 27, 2009
NY FIFOHAZANA MANOLOTRONY TAORIAN’I NENY RAVELONJANAHARY
Efa antitra tanteraka i Ravelonjanahary…efa tsy afaka manao zavatra
intsony. Ny feo sy maso dia mbola matanjaka tsara. Na dia efa 130 taona
aza izy mbola mahatafiditra kofehy amin’ny fanjaitra ihany. Fantany fa
ho faty izy dia nanafatra mafy ny FIFOHAZANA mba tsy hiady hevitra na
hiavonavona na hiala Fiangonana. Aoka ho tsotra sy feno fanetren-tena…Ny
8 Novambra 1970 dia nanolotra ny fanahy eo am-pelatanan’ny Tompo izy…
Nitohy ny asa ary nandray andraikitra ireo vato namelan-kafatra, dia
ireo niantefan’ny antso ho mpiara-miasa tamin’i Neny Ravelonjanahary.
2.4. NY IRAKA
Ny fiantsoana an’i Neny Ravelonjanahary dia tamin’ny alalan’ny fahitana
sy feo mivantana. Ny an’ireto Iraka kosa tamin’ny alalan’ny «Tsindrimandry».
Nantsoina hoe : RAY AMANDRENY izy ireo. Ny Fifohazana dia miantso azy
ireo hoe : «Papa R…» rehefa mifandray aminy.
Ireto avy izy ireo :
1) Randrianaivo Justin: natokana ho Iraka tamin’ny 26 Novambra
1950, maty tamin’ny 22 Janoary 1988
2) Rabotovao Emile: notokanana ho Iraka tamin’ny 26 Novambra
1951, maty tamin’ny 6 Mai 1986
3) Rabotojaona: natokana ho iraka tamin’ny 22 May 1960, maty
tamin’ny 9 Janoary 1991
4) Rasolondraibe: notokanana ho Iraka tamin’ny 10 Martsa 1963,
maty tamin’ny 20 Avrily 1976.
2.4.1 NY FITARAN’NY ASA
Natao hoe: Toby lehibe na Reni-toby i Manolotrony. Ireto avy ireo Iraka
notokanana taty aoriana :
- Mama RAMANAMPISOA
- Mama Line (vadin’i Papa Rabotojaona)
- Ratsimbazafy
- Rajohanesa
- Rajaonarison Louis
- Rakotoarison
- Rasamindimby Stephan
- Ralaivao Justin
- Razafindraolanjy
- Randrianatoandro Joseph.
Ireto avy ny zana-toby miankina amin’i Manolotrony sy ny fotoana
raikitra nanaovany ny isan-kerintaona:
- Ambohimasina: volana Janoary
- Ankaritsiananana: volana Martsa
- Avaratr’Ivatoavo: volana Martsa
- Ankarinarivo: volana May
- Ambatofotsy: volana Jolay
- Antanifotsy: volana Septambra
- Toamasina: volana Oktobra
- Andravoahangy Fivavahana: volana Oktobra
- Ambatomalama: volana Novambra
Ny isan-kerintaona ao amin’ny Reni-toby Manolotrony dia iombonan’ny
rehetra isaky ny 15 Aogositra. Tonga eny an-toerana avokoa ny zanak’i
Manolotrony rehetra.
2.4.2 ASA IVELANY
Tsy ato amin’ny Faritany Fianarantsoa ihany no nielezan’ny Fifohazana fa
tonga tany Toamasina ary naka vahana tao Antananarivo.
A/ TOAMASINA
Notarihin’ny Iraka Rtoa Ramanampisoa tao an-tokantranony ao Tanambao V.
Anisan’ny Toby malaza indrindra ao anatin’ny Faritany Toamasina noho ny
asa mahagaga maro nataon’ny Tompo tao. Fifohazana niankina tamin’ny FJKM
Tranovato Anjoma Toamasina izy hatramin’ny volana Mey 1990. Nanana
fotoana fiaraha-mivavaka isaky ny Alarobia hariva amin’ny 6 ora tao
amin’ny Fiangonana. Mandray marary isan’andro ao an-Toby. Manomana
Mpiomana sy Mpiandry ary manao asa fampaherezana an-toby. Noho ny
habetsahan’ny olona resy lahatra babon’ny Tompo tonga mamonjy fotoam-Pifohazana
isaky ny Alahady hariva (afa-tsy ny Alahady fahatelo izay atao ao
amin’ny FJKM Tranovato) dia nohalehibiazina ny tranon-dRatoa
Ramanampisoa. Natao ny fanitarana ny trano nefa mbola tsy omby ihany
noho ny habetsahan’ny marary sy ny olona tonga ao an-toby. Matetika tsy
afaka mihetsika ao an-toby mihitsy i Mama. Indraindray aza amam-bolana
maro tsy tonga mivavaka na mandray Fanasan’ny Tompo any am-piangonana
noho ny raharaha betsaka ao an-toby sy ny fandrosoan’ny asam-Pifohazana
ao.
B/ ANDRAVOAHANGY FIVAVAHANA
Atoa Randrianatoandro Joseph, Mpitandrina no nanorina ny asam-pifohazana
tao tamin’ny 1975. Nandroso sy niroborobo fatratra tokoa ny Fiangonana
noho ny fisian’ny asam-Pifohazana tao. Ankehitriny dia mahatratra 6200
ny mpiangona isaky ny Alahady ary miditra in’efatra. Ny Alarobia izay
fotoam-Pifohazana manokana dia in-droa miditra ka mahatratra 3 600 ny
olona tonga amin’izany. Noho ny fandrosoan’ny asam-pifohazana tao dia
nihevitra ny hanao ny Fiangonana ho Toby ny Mpitandrina rehefa lanin’ny
Mpandray Fanasan’ny Tompo. Araka ny rafitra dia tsy maintsy mitady Renin-toby
iankinany izy vao azo ekena ho toby ara-dalana. Ny fomba fiasan’ny
Mpitandrina izay MAHALALA NY HEVITRY NY NOFY NO MAMPISALASALA IREO TOBY
LEHIBE (Soatanana – Manolotrony – Ankaramalaza – Farihimena). Toy izao
no voalazan’Atoa Randrianatoandro Joseph Mpitandrina ny amin’ny
fiantsoana azy hanao izao asa mahagaga izao : « Raha nisehoan’ny Tompo
mivantana aho ka notendreny hanao izao asa izao…dia nangataka
famantarana tamin’ny Tompo aho…dia namaly ahy ny Tompo hoe : «Amin’ny
alalan’nyNOFY no hitenenako aminao sy hanehoako aminao ny zava-miafina
rehetra», dia tanteraka tamiko ara-bakiteny tokoa izany. Fanomezam-pahasoavana
nomen’ny Tompo ahy ny fahalalana ny hevitry ny nofy sy ny iresahan’ny
Tompo amin’ny alalan’ny nofiko… » Raha misy olona hirotsaka ho Mpiomana
ohatra dia mitantara ny nofiny amin’i Pasteur Randrianatoandro izy dia
raisina…. Raha misy marary mila dinidinika dia anontaniana ny nofiny ka
omena vaha olana. Izany fomba fiasa izany dia nolovan’ny Mpiandry sasany
ka nahatonga ny Toby lehibe 4 nitsipaka an’Andravoahangy Fivavahana
tanteraka.
Fiangonana FJKM ny Fiangonana Andravoahangy Fivavahana. Koa satria ratsy
ve ny zanakao dia hariana ! Sanatria izany….Niantso an’i Manolotrony ny
Foibe Sampana Fifohazana FJKM amin’ny maha-FJKM azy mba handray
andraikitra hitaiza an’Andravoahangy Fivavahana. Nanao izany tamim-pitiavana
feno fifaliana tokoa i Manolotrony. Nandritra ny roa taona no nanaovany
izany fitaizana izany. Tamin’ny 6 Avrily 1988 dia nanao FANOKANANA
MPIANDRY notarihin’i Papa Rabotojaona tao izy. Ny fahazoana manokana ao
amin’ny toerana anankiray dia midika fa tena TOBY OFISIALY ilay
nanaovana FANOKANANA (araka ny fitsipiky ny Fifohazana FFPM teo aloha).
Tamin’ny 10 Oktobra 1989 dia natao indray ny FANOKANANA, lasa daty
raikitra fanaovan’i Manolotrony Fanokanana ao Andravoahangy Fivavahana
ny 10 Oktobra. Nahatratra 75 ny mpiomana natokana ho mpiandry tamin’ny
1990. Ary amin’izao fotoana izao dia maherin’ny 500 ny Mpiandry efa
voatokana ao Andravoahangy Fivavahana. Misy eo amin’ny 400 kosa ny
Mpiomana hatokana amin’ity 1991-1992 ity.
Lasa toerana mampahalaza an’i Manolotrony eto Antananarivo noho izy
nitaiza sy mpanokana ao Andravoahangy Fivavahana.
back to top
Fehiny
January 27, 2009
Mifamatotra tanteraka amin’ny tantaran’i Neny Ravelonjanahary ny
Tobim-Pifohazana Manolotrony. Olona nantsoina tao anaty haizin’ny
fahaverezana tanteraka i Neny Ravelonjanahary ka nampitafiana Masoandro
mba hanazava sy hamindra aina hahavelona an’i Madagasikara. Vehivavy
nandray ny fampianarana izay natolotra azy tany an-danitra ka tsy
namihina samirery izany fa nizara tamin’ny fo feno fanetren-tena ambany
dia ambany kosa. Ny zava-dehibe nasongadiny dia ny herin’ny FINOANA an’i
Jesoa Kristy Mpamonjy. Tahaka ny voa nafafy tamin’ny tany tsara izany
hafatry ny FINOANA izany ka namoa avy zato heny. Ilay voatsinapy no
indro misandrahaka mahenika ny Nosy manontolo…
back to top
Fifohazana fahatelo nitranga teto
Madagasikara (1927 – 1936) tao Vatotsara Antsirabe Antananarivo izay
notarihin’i Baba Rajaofera…. Zavatra roa lehibe no hojerena amin’izany.
Toko I. Ny Fiainany
Print
January 27, 2009
Niavaka tanteraka tamin’ny tantaran’Ingahy Rainisoalambo sy Ineny
Ravelonjanahary i Baba Rajaofera.
A. NY FAHAZAZANY SY FAHATANORANY
Zanaka « Pasteur » sady manan-drahalahy Pastora. Voataiza tamin’ny
Filazantsara sy nilomano tao anaty fiainana kristianina. Mahafantatra
tsara ny Soratra Masina ary mandray andraikitra feno teo amin’ny
fampandrosoana ny Fiangonana. Ireto avy ny andraikitra notanany tao
amin’ny Fiangonana.
- Mpampianatra sekoly Alahady
- Mpampianatra Hira (Choral)
- Mpitendry zava-maneno
Tamin’ny hafanam-po no nanaovany izany andraikitra izany. Kristiana teo
anatrehan’Andriamanitra izy sady nitondra tena tsy manan-tsiny araka ny
didy sy fitsipika rehetra nomen’ny Tompo…Kristiana Mpandray Fanasan’ny
Tompo, nitandrina ny didin’Andriamanitra hatramin’ny fahazazany….
Nanao izay azony natao tokoa ireo Raiamandreny nitaiza sy nampianatra
an’i Rajaofera ny finoana an’i Kristy. Afa-po ireo Raiamandreny satria
tanterany ny fanekena nataony teo amin’ny Alitara Masina. Faly sy ravo
mahita ny naloaky ny kibony mandany ny androny amin’ny fanompoana ny
Fiangonana. Nidera sy nanakalaza an’Andriamanitra noho izao fahasoavana
lehibe izao satria tsy nivaona tamin’izay nitaizana azy ny ankizy… Tsy
dia izany loatra anefa ny zavatra tsapan’i Baba Rajaofera…Misy zavatra
tsaroany fa banga ao anatiny…..Misy hetaheta tsy hay lazaina nampahory
ny fanahiny. Toa tsy tena azony antoka ny fananany ny fiainana
mandrakizay. Ny famonjena dia vitan’i Jesoa Kristy kanefa toa tsy
tsaroany misy fiatraikany amin’ny fiainany izany.
Raha teo amin’ny ara-nofo tsy dia nisy zavatra nampahory azy loatra
satria tsy mba sahirana tamin’ny asam-pivelomana izy…..Manana talenta
tamin’ny fakan-tsary, nanao ny asan’ny Polisy, niasa tamin’ny hopitaly
(infirmier…) nanangona hajia…
Taty aoriana dia nivaona tanteraka ny fiainany, satria nangetaheta te-hanakarena
izy ka lasa nitady làlana hahazoam-bola. Nifototra tamin’ny fambolena
indray izy. Tsy afa-po tamin’izany anefa izy ka lasa mpamboatra toaka
gasy (18). Niha-nitombo ny hantsana nampisaraka azy tamin’ny Tompo.
Nanana aretina nitaiza azy tao amin’ny kibony izy ka matetika nahavery
hevitra azy izany. Voan’ny aretina atao hoe: rongatra koa izy ka tena
nijaly fatratra ery.
Nivavaka mafy ho azy ihany ny Raiamandreny sady nandatsa-dranomaso be.
Ny zana-dranomaso toy izany dia tsy mba ho very mihitsy fa ny zavatra
rehetra dia samy manana ny fotoanany avy.
B. NY FIOVAM-PONY
Tamin’ny taona 1927 dia efa nielim-patrana hatrany Antsirabe ny asa
mahagaga nampanaovin’ny Tompo an’i Neny Ravelonjanahary. Hoy ny
fitantarana tamin’izany: « any Atsimotsimo any, misy vehivavy anankiray
mahasitrana ny aretina rehetra amin’ny alàlan’ny vavaka sy fametrahan-tanana
». «Nirohotra nankany Ambalavao ny olona. Feno mandrakariva ny
taxi-brousse» avy any Antananarivo nitondra olona hanao fivahiniana
masina any Manolotrony. Ny fitantarana dia niteraka fahalinana te-hahita
tamin’izay rehetra nandre.
Ny hafanam-po sy ny toetra zatra mihetsiketsika, ary ny saina tia
karokaroka tao aminy no nahatonga azy hanapa-kevitra mba handeha hizaha
izany zava-mahagaga tsy afaka ao am-bavan’ny maro izany. Nanantena koa
izy fa hahazo fanasitranana amin’ny aretin-kibo nampahory azy sy ny nofy
mampandehandeha azy amin’ny alina « somnambule ».
Rehefa tonga tany Manolotrony i Rajaofera dia talanjona nahita ireo
olona marobe milahatra miandry ny anjarany ahazoany miditra ao amin’i
Neny Ravelonjanahary. Koa satria maro ny olona mangetaheta mila
dinidinika sy mitady fanasitranana ary hihaona manokana amin’i Neny, dia
voatery nilahatra koa izy niandry ny anjarany. Nandritra ny fotoana lava
no niandrasany tao ivelany fa tsy mety nahazo an’ i Neny noho ny
habetsahan’ny olona eo alohany…. Tsy tampotampok’izay dia rafitra nihira
samirery izy, hira somary malefadefaka aloha vao nitombo nihamafy
hatrany. Variana nijery azy ny olona rehetra teo noho ny feony kanto dia
kanto.
Tapaka ny heviny ka nampianariny hira ireto vahoaka sasa-miandry ireto.
Tao an-trano i Neny Ravelonjanahary finaritra nihaino ny hira nataony ka
naminany hoe : «Iza loatra izany olona mihira izany…Antsoin’i Jesoa ho
mpiara-miasa Aminy izany olona izany ka ampandrosoy izy». Rehefa
noraisin’i Neny izy dia nametrahany tanana taorian’ny dinidinika…
Nitamberina tao aminy avy hatrany ny fahatsiarova ny fitaizana rehetra
nomen’ny Raiamandreny izay efa somary hadinony… Tsaroany fa ny
tàna-maherin’ny Tompo mihitsy nitondra azy teo anatrehan’i Neny… Variana
tamin’ny fihainoana ny fampianarana sy asa mahagaga nataon’i Neny
izy.Niha-nazava taminy ny dikan’ny finoana kristiana. Sitrana tanteraka
tamin’ny aretina nitaiza azy izy. Nahatsiaro fiadanana sy fifaliana ary
fahasambarana satria tsapany fa Ilay Jesoa Kristy lavitra azy teo aloha
dia indro ankehitriny mandray anjara toerana ao anatiny. Feno ny Fanahy
izy ka nidera an’Andriamanitra satria afaka tanteraka. Izay zavatra efa
nampangetaheta azy hatramin’izay dia azony avokoa: ny fiadanam-po…ny
firaisana amin’ny Tompo sy ny fiombonam-piainana Aminy. Foana tanteraka
tao aminy ilay hetaheta te-hanan-karena. Nitsiry kosa ny faniriana te-hitory
ny Filazantsara…te-hanolotra satria mahasambatra tokoa ny manome noho ny
mandray. (Asa 20/35). Tsapany fa ny finoana nananany teo aloha dia ara-tsaina
fotsiny. Nijanona teo amin’ny tokotanin’ny fahalalana ihany izy
tamin’izany fa tsy nanova na inona na inona teo aminy ny fiainana
kristiana nisalorany. Ankehitriny kosa sahy miteny tahaka an’i Paoly
Apostoly izy hoe : «Tsy izao intsony no velona fa Kristy no velona ato
anatiko» (Gal. 2/20) ; «Voarain’ny Tompo tamin’ny vozoko aho ka nahodiny
hitodika amin’ny asa-panomanana olona ho any Aminy»…Rehefa izany, dia
nitoetra teo anilan’i Neny Ravelonjanahary izy nandritra ny volana maro
mba handray fampianarana taminy sy nanampy azy tamin’ny fandraisana
olona ary nitan-tsoratra ny amin’ny fizotry ny raharaha tao Manolotrony.
back to top
Toko II. Ny Asany
January 27, 2009
Zavatra maromaro ihany no nanosika an’i Baba Rajaofera handeha tany
Manolotrony. Tao ny hetaheta te-hahita zavatra fotsiny. Tao ny
fanantenana hahazo fanasitranana. Tao ny fitiavam-bola satria tao aminy
ny fikasana haka sary an’i Neny Ravelonjanahary mba hamidy amin’ny olona
rehetra te-hahalala azy…Hafa anefa ny hevitry ny Tompo fa tonga «fanaka
voafidy izy ho fitondrana ny anaran’ny Tompo» (cf. Asa 5/15).
Tamin’ny Paska 1928 dia nody tany antokantranony izy. Nanomboka
tamin’izay ny asa mahagaga nampanaovin’ny Tompo azy.
Nanatona azy ny marary isan-karazany ka sitrana tamin’ny alàlan’ny
fametrahan-tanana. Tamin’ireny marary ireny nisy boka avy any Mangarano
izay nadio tanteraka ka nampiaiky volana ny olona maro. Mpitoriteny feno
ny Fanahy ka nampibebaka izay rehetra nihaino azy izy… Zavatra maro no
nanehoany ny voninahitry ny Tompo ka nahatonga ny lazany ho fantatra
manerana ny Nosy.
1) TAO MANDOTO
Pastora Rajaonesa dia voan’ny «Pneumonie double». Efa lany aika ny
dokotera fa tsy maintsy ho faty io Pastora io. Efa tena reraka tokoa ny
marary sady efa antitra rahateo ka tsy misy fanantenana intsony.
Nantsoina i Baba Rajaofera mba hivavaka ho azy mialohan’ny hahafatesany.
Betsaka ny olona nanatri-maso teo ary anisan’izany ny Mpitsabo an’i
Pastora… Nitari-bavaka i Baba, ko rehefa vita izany dia hoy izy hoe: «
Makà rano mangatsiaka eran’ny siny… ka ampisotroy izy ary araraho aminy
».
Taitra tampoka ny Dokotera ka niteny hoe : «Izaho tompoko dia dokotera
ka mahalala tsara fa raha atao izany io marary io dia ho vita eo no ho
eo ihany… vao mainka hanafainga ny fahafatesany ny zavatra toy izany ».
Dia namaly i Baba Rajaofera manao hoe : « Izay zavatra tsy vitan’ny
Dokotera dia vitan’Andriamanitra…Koa raha mino ianao dia ho hitanao ny
voninahitr’Andriamanitra »…Akory ny fahatairan’ny besinimaro fa raha vao
vita ny zavatra nirahin’i Baba natao dia sitrana soamantsara ny marary
ka afaka niarina tamin’ny fandriany. Gaga koa ny dokotera ka loabolana
hoe : «Izaho Dokotera manam-pahaizana dia niala maina nefa izao
natrehiko maso izao ny fahasitranana mahagaga… ahoana izao ?»… Izao
fahagagana izao no fitaovana nentin’ny Tompo hanova ny fon’ilay Mpitsabo.
2) TAO AMBOHIMANARINA (Antananarivo no nitrangan’ny tantara).
Tamin’ny 8 Septambra 1929 nifanitsy indrindra amin’ny fankalazana ilay
sampy malaza teto Imerina nitondra ny anarana hoe : Andriambodilova :
Sampy maharo amin’ny loza samihafa sy ny aretina ; mampanan-karena (nefa
mampalahelo koa) ; manome taranaka (nefa mampahamomba koa) sns… Efa
nijanona fotoana naharitra teto Antananarivo i Baba Rajaofera ka niely
fatratra ny lazany. Ambetin-dresaka tamin’izany ny raharaham-Pifohazana
sy ny asa mahagaga nampanaovin’i Tompo tamin’ny alàlany. Nohararaotin’ny
mpanao gazety ny maha eto an-toerana an’i Baba izay nifanindry indrindra
amin’ny Alakaosy (= Vintana mahery, kanefa fotoana tsara fanandratana ny
ody sy sampy sy fanaovana sorona mba hampitombo hasina azy). Fantatry ny
mpanao gazety ny programan’i Baba Rajaofera ny 8 Septambra fa ho eny
Ambohimanarina izay faritra misy ilay sampy malaza. Dia navoaka an-gazety
ny lohateny miezinezina hoe : «… HAMPIADY ANDRIAMANITRA IOMBONIMANINA SY
JAOFERA». Zavatra vaovao tsy mbola fandre ny toe-javatra tahaka izany ka
vetivety foana dia ren-tany ren-danitra ary tonga hatrany amin’ny
faritanin’ny Bezanozano ny resaka. Iombonimanana na Ramiaramanana dia
mpisoron’ny fivavahana amin’ny sampy Andriambodilova izay nirehareha
fatratra tokoa noho ny olona maro babony. Ny fandalovan’i Rajaofera teto
Antananarivo sy ny asam-Pifohazana izay natao tao Ambatovinaky dia
nahatonga olona marobe hahafantatra ny momba an’i Jesoa Kristy sy resy
lahatra amin’ny heriny sy ny fahefany.
Taitra tokoa i Baba Rajaofera raha nahita ny gazety. Ny fotoana tsy azo
ahemotra intsony. Nitokana nivavaka izy, nangata-pamelana ho an’ny
mpanao gazety. Tsapany mantsy fa tsy fahendrena ny mihantsy ny manao
«défi» fa ny kendren’i Filazantsara dia hanova ny fon’ny olona mba
handraisany an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy. Nivavaka
naharitra tokoa izy mba ho tarihin’ny Fanahy ny amin’izay tokony hatao
manoloana ny fotoana efa raikitra. Ny tsy fahatanterahana ny fotoana dia
atahorana hanimba ny raharaham-Pifohazana!…. Resy lahatra i Baba
Rajaofera «ADIN’I JEHOVAH AMIN’ANDRIAMANITRA TSY IZY IZAO».
Nampandrenesiny avokoa ny Mpitandrina rehetra mba hiombonam-bavaka
amin’izany andro lehibe izany. Herinandro nialohan’ny higadonan’ny
fotoana dia natao fotoam-bavaka isan’andro ny momban’io 8 Septambra io
mba hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny…Lasa resaka teto Antananarivo
ny hoe: «Hanao ahoana re io Alahady 8 Septambra io? ? ?».
Maraina mbola maizina ny andron’ny 8 Septambra efa feno olona
nifanaretsaka ny lalana rehetra mankeny Ambohimanarina. Feno tanteraka
ny làlana manomboka amin’ny gare Soarano ka hatrany Anosivavaka
Ambohimanarina. Sahirana ny Polisy nandamina ny olona izay mifanitsa-kitro.
Tsy afa-nandeha intsony ny fiarakodia satria feno ny làlana. Làlana
mirefy 6 kilaometatra no indro itanjozoran’ny vahoaka analinkisa handeha
hizaha…handeha hivavaka. Ny zavatra mahagaga tamin’izany dia ny hira
izay nataon’ny andaniny roa dia nitovy hatrany; izay hoe: ny ao anaty
Fiangonana Anosivavaka mihira hoe: «Avia Jehovah Tomponay» ny aty
amin’ny gara Soarano koa manao io hira io. Miara-mihira ary miara-mijanona
koa. Hita tamin’izany fa ny Fanahy mihitsy no mampihira ny olona. Toy
izany avokoa ny hira nifandimbiasana rehetra tamin’izany….Feno hipoka ny
Fiangonana Anosivavaka ka ny olona sasany lasa namonjy an’i Betafo sy
Anosisoa ary Ambohimandroso. Ny sasany kosa nivavaka tao ala-trano.
Nangotraka tokoa ny fanompoam-pivavahana tamin’izany. Tao ny nitondra
marary…tao ny te-hivavaka…tao ny te-hahita zava-baovao sns…
Etsy ankilany kosa ireo mpisoron-tsampy sy ny namany dia nanana ny azy.
Marobe izy nizotra nankany amin’Andriambodilova. Nataony ny fomba
fanasina rehetra: nively amponga, nandihy, nitsoka sodina, miteniteny
sns…..
Tao am-piangonana dia nandroso ny fanompoam-pivavahana. Nohiraina im-pito
ny Antema voalohany hoe : «Masina masina, masina Jehovah Tompo! Feno ny
voninahitrao, izao rehetra izao, ry Tompo ô ! Amena».
Injay nisy mazava lehibe tonga avy any an-danitra ka nihohoka tamin’ny
tany ny olona. Ranomasom-pibebahana no hita teo amin’ny fiangonana ary
indro nisy tahaka ny setroka niala tamin’ny alitara nandeha moramora,
niditra nankany amin’ny olona rehetra. Miadana dia miadana ny fandehany,
nefa ny mahagaga dia izao, misy olona tsy tratrany. Nandalo azy fotsiny
ilay setroka. Ny tany an-tokotany koa dia nahita maso avy eny amin’ny
lanitra ilay hazavana miavaka sy mahagaga toa boribory lehibe sahala
amin’ny sahafa. Nihorakoraka avokoa ny olona rehetra nijery izany
hazavana mitarehin’ny havana izany ary nanome voninahitra
an’Andriamanitra.
Ireo mpanompo sampy ireo kosa tsy nahavanona ny raharahany ka nody maina
satria votsotra ny omby saika natao sorona. Ny fitahiana tsy azo, ny
tena reraka, ny harena very sns…
back to top
Fehiny
January 27, 2009
Zavatra roa lehibe no nampiavaka azy: dia fahaizana mamantatra ny
zava-miafina ao am-pon’ny olona sy fahasahiana milaza zavatra toa tsy
mampino. Indray mandeha (ohatra) misy mpamosavy tonga hanakotaba azy
mianakavy. Dia hoy izy tamin’ny vadiny : «Aza matahotra fa ho hitanao ao
izy raha maraina». Dia tanteraka tokoa ka tsy afa-niala teo ilay
mpamosavy. Ny fiainam-bavaka nananany no nahazoany hery lehibe sy
nanatanterahany asa mahagaga hatramin’ny fananganana amin’ny maty aza.
Isaky ny hitoriteny dia tsy maintsy niomana mandrakariva izy.
Mialohan’ny hahafatesany dia naminany momba ny MDRM sy Pasteur
Ravelojaona sy Dadatoa Rakotozandry Daniel ary Nenilava izy. Nodimandry
tamin’ny 16 Aogositra 1936 izy rehefa nampanaovin’ny Tompo asa mahagaga
tsy tambo isaina…
back to top
View Photo Gallery
Toko I. Ankaramalaza
Print
January 27, 2009
4.1.NY TOERANA
Ankaramalaza dia ao anaty Firaisana Lokomby sy ny Fivondronana Manakara ary
Faritany Fianarantsoa. Toerana an-tampokavoana sady saro-dalana araka ny anarany
: Ankaramalaza : HARANA «Colline» malaza: «réputée». Ny lalana
Manakara-Vohipeno-Ankaramalaza dia 63 kilometatra. Ny làlana Manakara
Lokomby-Ankaramalaza dia 40 kilometatra.
4.1.1. NY MPONINA
Miisa 100 tafo ny trano ao Ankaramalaza. Hita ao avokoa ny foko rehetra manerana
ny Nosy. Ny maro an’isa amin’ny mponina ao dia ny Antambahoaka sy Antaimoro.
4.1.2. NY TOETR’ANDRO
Tao anatin’ny ady lehibe faharoa ny nipoiran’ny Fifohazana Ankaramalaza. Nijaly
fadiranovana ny mponina tamin’izany fotoana izany vokatry ny «crise mondiale».
Natsangan’ny fanjakana ny antsoina hoe : «office de riz» izay nanangonana ny
vary rehetra. Nanjaka ny varo-maizina isan-karazany izay nomena anarana hoe : «sikisiky»…Voaloto
tanteraka ny ranomasina. Maro ny olona voan’ny ferifery hoe: «lagaly». Nitombo
ny fifankahalàna teo amin’ny vahoaka noho ny fihetsiketsehana ho amin’ny
fitadiavam-pahaleovan-tena. Ny nahazo tombontsoa tamin’ny mpanjanatany dia
nanararaotra. Ny te-hikatsaka ny fahaleovantena dia nitondra faisana tokoa noho
ny nataon'’reto voalohany. Nisy tsy fifankazahoana teo amin’ny Fifohazana
Soatanana sy Manolotrony noho ny tsy fitovizan’ny fomba fiasa. Tsy mbola Sitrana
ny hantsana mampisaraka ny Katolika sy ny Protestanta. Tao anatin’izany rehetra
izany no niantsoana an’i Volahavana Germaine (Nenilava) mba hitondra ny hafatry
ny Tompo hoe : «MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA» (Jaona 17/21).
back to top
View Photo Gallery

Toko II.
Nenilava (Rtoa Volahavana Germaine)
January 27, 2009
Ramatoa Volahavana Germaine na Nenilava no angady nananana sy vy nahitana ny
Toby Ankaramalaza vokatry ny fiantsoan’ny Tompo azy.
4.2. NY FIAINANY TALOHAN’NY FIANTSOANA AZY.
Volahavana Germaine (Nenilava) dia Antaimoro taranaka mpanjaka tao amin’ny
faritany nisy azy. Ny rainy dia ombiasa malaza tamin’ny faritra Manakara. Noho
ny ody nananany dia hainy avokoa ny mampanankarena ; ny mahatonga ny olona ho
vanona anaka. Mahalala ny zava-miafina rehetra ao am-pon’ny olona izy.
Vavolombelon’izany rehetra izany i Nenilava sady voataiza tao anatin’izany
rahateo. Misy fotoana anefa nanoherany an-drainy, noho ny zavatra notenenin’ny
sikidy nataony.
Tamin’ny faha 15 taonany dia nisy nangataka azy ho vady nefa nolaviny izay
rehetra nandom-baravarana…Nihevitra ny rainy fa misy « fanahy » izay manambady
azy no misakana azy tsy hanaiky ny fangatahan’ny olona rehetra izay tonga tao
aminy. Nojeren’ny Rainy tamin’ny alalan’ny sikidy izao teo-javatra hafahafa izao.
Taitra sy hatsatra ny rainy nahita fa misy FANAHY AMBONY noho ny fanahy rehetra
nipetraka ao amin’i Volahavana Germaine. Nambaran’ny sikidy koa fa andevo izy
rainy fa i Volahavana kosa no mpanjaka noho ny Fanahy ao aminy, koa rehefa
manjaka roa taona i Volahavana Germaine dia ho faty izy (rainy). Tanteraka tokoa
izany rehefa niasa roa taona i Volahavana Germaine.
4.2.1 NY FIANTSOANA AZY
Vao folo taona monja izy dia efa nandre ny antson’ny Tompo. Tamin’ny alalan’ny
nofy no nahitany zava-mahagaga mandrapahatongan’ny faha 12 taonany. Taorian’izay
dia ny feon’ny Tompo no reny mivantana, fa ny tenany kosa mbola tsy hitany.
Mandre izany feo izany izy isaky ny amin’ny 12 ora atoandro. Niovaova anefa
izany fomba fiantsoana azy izany arakaraky ny fandrosoan’ny taonany.
Toy izao ny sasany tamin’ireo nofiny:
Nanonofy nobatain’ny Tompo sy nosasany tongotra… Nanonofy nalaina tamin’ny
harato lehibe ka nentiny niakatra tany an-danitra…
- Tamin’ny faha-13 ny taonany dia mandre feo miantso azy mivantana izy.
Noheveriny fa ny rainy no niantso azy ka matetika izy no mihazakazaka manontany
an-drainy.
- Tamin’ny faha-14 ny taonany dia niverina indray ny nofy : Nentiny teo amin’ny
Fiangonana lehibe anankiray feno mpiangona izy. Teo ambony polipotra izy sy ny
Tompo no nijoro. Ary ny Tompo no nitoriteny… Betsaka ny zava-mahagaga nofisiny
toy izany mandritra ny herintaona.
- Tamin’ny faha-15 ny taonany dia nisy fahanginana tanteraka sady tsy nisy feo
no tsy nanonofy ihany koa.
Rehefa feno 16 taona izy dia niverina indray ny feo niantso azy teo aloha.
Vao tovovavy 17 izy dia voatery nanambady noho ny fankatoavan’ny tenin-dRay
aman-dreniny. Nampianarina foto-pinoan’ny Fiangonana izy ka natao batisa vao
notanterahina ny fanambadiany.
Tamin’ny faha-18 ny taonany dia nitohy indray ilay feo niantso azy tamin’ny 12
ora atoandro.
4.2.2. NY FANOMANANA AZY
Efa ela Nenilava no nantsoin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahitana mba hanao ny
Asa Fitoriana Filazantsara, hampibebaka ny olona ary hanasitrana ny marary.
Nolaviny avokoa izany rehetra izany. Na dia zanaka mpanompo sampy aza izy dia
tsy mba nanao izany kosa teo amin’ny fiainany. Nazoto namonjy fiangonana ihany
izy na dia tsy nisy zavatra mazava taminy aza.
Indray andro dia narary ny zanany (zana-badiny tamin’ny vadin-drangahy efa maty
io). Nanana devoly mahery vaika be io zazavavy marary io. Nirahin’i Jesoa mba
hiasa avy hatrany izy : «Mitsangana ka miasa amin’io zaza io». Tsy
tsaroan’i Nenilava akory izay nataony sy ny fialany teo amin’ilay toerana misy
azy; fa toa nisy hery izany nibata sy nanosika azy ho amin-dRazazavavy ka
nitolona taminy. Somary naharitra ihany ny fandroahana demonia tamin’ilay
zazavavy. Rehefa nivoaka ny devoly dia dia niteny hoe : « handeha izahay fa
tonga Ilay mahery noho izahay ». Dia sitrana tanteraka razazavavy sady hary
saina tsara izy no nitafy lamba. Tamin’ny 01 Aogositra 1941 no nitrangan’izany.
Ny alin’ny 01 Aogositra 1941 dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo manao hoe : «Mitsangana,
mitoria ny Filazantsara eny tontolo eny, avoahy ny devoly. Miasà…aza mangataka
andro. Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’olona eto amin’ity firenena ity.»
Noho ny tsy fahaizany dia nandà izao antso izao izy. Nanery azy ihany ny Tompo
ary nampanantena fa hampianatra sy hitari-dalana azy amin’ny asa hampanaovina
azy.
A. FAMPIANARANA
Zavatra roa no nampianarin’i Jesoa azy :
1. FITENY TSY FANTATRA
Nandritra ny telo volana izy no nampianarina fiteny tsy fantatra mba hahazoana
mampianatra azy ny teny Soratra Masina. Jesoa Kristy Tompo mihitsy no nandray
andraikitra mivantana nampianatra azy tamin’ny alalan’ny tabilao fotsy nahantona
tao an-tranony. Tamin’ny tarehin-tsoratra tsy fantatra koa no nampianarana azy.
Io fiteny tsy fantatra io no iresahan’i Jesoa aminy.
2. SORATRA MASINA
Impito nakarina tany an-danitra izy mba hampianarina Soratra Masina. Tamin’ny
alalan’ny fahafatesana andro vitsivitsy avokoa izany rehetra izany. Fantatra
tokoa ny fahaizany ny tenin’Andriamanitra satria miantefa mivantana amin’ny
mpihaino azy ny Teny rehetra maha-te hihaino sy manindrona ny fo mampibebaka
notoriny.
Isaky ny niarina tamin’ny fahafatesana izy dia nitsangana ka nitory ny I Kor.
15/55 manao hoe: «Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao?, Ry fahafatesana ô!
aiza ny fanindronanao?» Aorian’izany, dia nohiraina ny hira faha 377.
B. ADY TAMIN’NY BIBIDIA
Nolazain’ny Tompo tamin’i Neny fa ho mafy ny ady hatrehiny ka tsy maintsy
hampiadiana amin’ny bibidia aloha izy. Miantoka ny fandresena rehetra main’ny ho
avy ny fandresena azo amin’izao ady izao. Nandritra ny 03 andro izy no niady.
Jesoa Kristy dia teo akaikiny mandrakariva sady nampianatra azy ny fomba fiady
amin’ilay dragona. Nomen’ny Tompo hery tamin’ny alàlan’ny fametrahan-tanana izy
mialohan’ny hikatrohany amin’ilay bibidia. Hoy indrindra Jesoa taminy: «Aza
matohatra fa Izaho no herinao» Nirahina mba handohalika i Nenilava rehefa niady…
sary maneho ny tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra izao fihetsika izao.
Raha misy ady mangotraka, dia ny lohalika no tokony hampiasaina voalohany
indrindra izany hoe: ny VAVAKA. Na dia mahatsiravina sy mahatahotra ny
tenan’ilay bibidia ka mampivarahontsana ny tena amam-panahy manontolo dia tsy
mampaninona an’i Nenilava izany. Mafy ny ady, feno ratra ny tenany… trotraka sy
vizana izy kanefa nandresy noho ny anaran’i Jesoa.
C. FIFADIAN-KANINA
Nifady hanina nandritra ny roa volana sy tapany izy. Nandritra izany fotoana
izany dia nomena zavatra avy any an-danitra izy mba ho solon-tsakafony. Tahaka
ny mana na mofom-pandraisana izany zavatra nafahana azy izany…Nifady hanina
nandritra ny 9 taona izy taty aoriana izany hoe : tsy navelan’ny Tompo
nihinam-bary. Tahaka an’i Daniela sy Sadraka sy Mesaka sy Abednego (Daniel
1/5-16). Izay tsy nihinana afa-tsy sakafo manokana. Izany sakafo nohanin’ni Neny
izany dia : mofo, mangahazo, vomanga, izay raisina mifandimby ary afangaro
amin’ny ron’anamamy. Ny Tompo no mametra ny haben’ny sakafony amin’izany fa tsy
navela ho voky izy. Ny hevitra fonosin’izany dia ny tsy hampatanjaka azy.
Nandritra ny 9 taona nifadiany hanina dia tsy mba niteny izy afa-tsy amin’ny
fiteny tsy fantatra ihany. Taty aoriana lasa fomba raikitra tamin’i Nenilava ny
fifadian-kanina raha vao hampanaovin’ny Tompo asa lehibe sy mahagaga izy.
4.2.3. NY ASANY
Ny fomba fiasan’i Nenilava dia mitovy tsy misy valaka amin’ireo Fifohazana teo
alohany.
- Vavaka
- Tenin’Andriamanitra
- Famoahana demonia
- Fametrahan-tanana
Akanjo didy mananjary fotsy lava no entina manao ny asa. Saingy ny an’ny
vehivavy dia vaky an-damosina ary tsy maintsy misaron-doha. Betsaka ny asa
mahagaga nampanaovin’ny Tompo azy ka nanehoany ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy
mba nisy kosa ny nitsangana tamin’ny maty satria nangataka ny tsy hanao izany
izy... Ireto misy santionany amin'ireny zava-mahagaga ireny.
a) Famelan-keloka
Maty tao amin’ny Hopitaly Vohipeno i Mosesy Tsirefo vadiny noho ny aretina
nahazo azy (1949). Nandrasana ny faty araka ny fomba Antaimoro. Nofatorana,
nasiana fehivava taorian’ny fampandroana azy. Taoriana kely dia nihetsika ny
tanan’ny maty nanala ny fehim-paty. Taitra sy talanjona ny olona niandry izay
hambarany. Dia hoy izy : «Tonga tao amin’ny vavahady anankiray aho, ny lohako
tafiditra, fa ny tenako rehetra kosa tsy nety tafiditra, tsy omby.»
Nihorirana aho mba ho tafiditra kanjo lasa nanoloana ahy hatrany ilay vavahady
ka tsy nisy azo natao; dia niteny tamiko Jesoa hoe : «Miverena ianao, fa
mbola misy alahelo napetrakao amin’ny vadinao» ka izany no antony niverenako
izao. Rehefa nandre izany i Nenilava dia nanatsotra ny tànany; nifandray tànana
izy mivady, ka hoy i Neny : «voavela ny helokao, raha ny aminay avao, tsy misy
raha mampatahotra anao, azonao ny lanitra, voavela ny helokao !» Dia niteny koa
i Mosesy vadiny. Rehefa vita izany dia tapitra indray ny ainy, ary dia maty izy.
B. FAMINANIANA
Tamin’ny 12 Jona 1957 dia nihazo ny lalana mankany Port-Bergé i Nenilava sy ny
mpiaraka aminy. Nony teny an-dalana dia nisy fahagagana nasehon’i Jesoa azy, dia
ranobe mangeniheny. Raha nitoriteny tao am-piangonana i Neny dia naminany ny
hanjo ity tanàna ity : «hisy ranobe hanafotra ity tànana ity ka dia hafindra
toerana fa be loatra ny zava-dratsy natao teto ka tsy maintsy ho levonina».
Tahaka ny tamin’ny andron’i Noa dia betsaka ny nihomehy sy tsy nino. Tamin’ny
taona 1959 dia safotry ny rano tokoa i Port Bergé ka rava ny tànana ary nifindra
nanorim-ponenana tao amin’ny toeran-kafa ny mponina izay ao amin’ny Port Bergé
vaovao ankehitriny.
Tsy tambo isaina ny asa vita sy ny fahagagana nampanaovin’ny Tompo. Voatetin’i
Nenilava avokoa i Madagasikara manontolo. Izany asa mahagaga izany dia tsy
voatokana ho an’ny malagasy samirery fa ho an’izao tontolo izao manontolo. Tonga
tany Norvège…Eropa…Amerika koa i Neny naneho ny fahalehibiazan’ny Tompo tany.
back to top
View Photo Gallery

Toko III. Ny Fanokanana an’i Nenilava
January 27, 2009
4.3 FANOMANANA
Efa ela no nanomanan’ny Tompo azy ny amin’izao FANOKANANA izao !
- 1958: Hoy i Neny : «Nahita ny tenako toy ny ampiakarina aho, tsy hay
tanterahina izany, ka nolaviko» Dia narary mafy izy, nefa tonga teo aminy i
Jesoa nanasitrana azy sady nilaza fa misy zavatra lehibe tsy maintsy hatao aminy,
«zavatra sarotra tsy ho vitako» hoy i Nenilava.
- 1973: Nanonofy toa fahitana izy; nametrahan’i Jesoa satroboninahitra «
couronne » ny lohany. Nivavaka ho azy ny Tompo, nisy voromailala tonga teo aminy.
« Misy zavatra izay hatao » hoy i Nenilava tamin’izay. «Ny fanekena hoy Jesoa,
dia vita tombokase avy amin’Andriamanitra ka tsy azo ovàna…Andriamanitra dia
hanosotra anao. . Tsy misy mahalala na iza na iza ny antony izany FANOKANANA
izany». Naseho an’i Neny ny lokon’ny fitafiana amin’ny fanokanana azy dia
mena, maitso, manga, fotsy.
- 1975: Hoy Neny : «Naboridan’ny devoly aho izay ela izay, fa izao kosa
aho nampitafianao ny akanjon’ny mpanjaka. Iza no mpanjaka hanome ny akanjony ho
an’ny mpanompony afa-tsy Ianao Jesoa? Voatolotra ny fanomezana. Hitako ny
mason’Andriamanitra manolotra izany. Ny Fanahy Masina no manazava. Mazava tsara
ny fahazavanao satria ny Fanahy Masina no mampiteny. Ny Fanahy Masina no
masoandron’aina. Niboridana i Jesoa, ka ho fanakonana ny henatra no anton’izao
fitafiana izao».
- 1980: Natao arak’izay hita ao amin’ny Eksodosy 28, sy ao amin’ny
Apokalipsy 19 ny fanjairana ny akanjo. Lamba avy any Iran: rongony fotsy madio
sy madinika izany. Nandritra ny roa taona sy tapany vao vita tanteraka ny zaitra.
Toy izao ny mombamomba izany fitafiana izany :
- Ny morotongotr’akanjo dia misy lakolosy, misarin’apongaben-danitra miloko
manga, volomparasy ary mena. Vita tamin’ny volamena ireo lakolosy ireo. Tsy sary
fe-sary ireo fa tena lakolosy natao tamin’ny tena volamena tokoa. Miisa 24 izany
lakolosy volamena izany. Eo amin’ny tratran’akanjony dia nopetahana vatosoa 12,
efatra isanandalany ary laharana telo misy ny anaran’ny Zanak’Israely 12
milahatra ara-pizokiany voasoratra amin’ny teny Hebreo. Eo amin’ny soroka misy
vatosoa roa hafa koa: «Eméraude, beryl, amétyste, saphyr» no vatosoa nampiasaina
tamin’izany.
- Ny satroboninahitra dia vita tamin’ny volafotsy tena izy misy sarin’ny
ravin’ampanga ary misy miendrika ra mitete. Vola aman-tapitrisa no nolaniana
nanaovana izany rehetra izany ka nampisy ady hevitra lehibe tamin’ny olona maro
tamin’ny taona 1982 nahavitan’ny fanomanana rehetra… Ny endriky ny fitafiana
natao nitovy toa an’ny Mpisoronabe (izay tsy misy intsony ankehitriny satria
Jesoa Kristy no farany) dia miteraka resaka be teo amin’ny Fifohazana sasany sy
ny mpitondra fivavahana maro sns…
- 1982: Na dia tsy nomanina aza, vita soamantsara ny fanamboarana ny
Fiangonana izay hanaovana ny FANOKANANA.
4.3.1 FANOKANANA
01 sy 02 Aogositra 1983
Tokony tamin’ny 10 ora sy 36 minitra niditra i Nenilava notronin’ireo vehivavy
Mpiandry vitsivitsy. Be ny nitsangana mba hahatazana tsara. Tao ny nianika hazo
mba hahita mazava. Napetraka teo amin’ny seza « fauteuil » i Neny. Natao ny
fanompoam-pivavahana izay notarihin’i Dokotera Rasolondraibe Péri. Pastora.
Dia nataon’i Dokotera Péri ny FANOKANANA
Nohiraina ny hira faha 3 taorian’ny vavaka, ary nofaranana tamin’ny hira 1 ny
fotoana.
Nandray tanana azy ny teo akaiky rehetra mialohan’ny hiverenany any amin’ny
trano fisainana. Nisy vehivavy iray izay nandohalika nanoroka ny tongony sady
nitomany.
Dia nanao ranolava niditra tao niarahaba azy sady nijery ny fanamiana ireo
vahoaka marobe tonga tao Ankaramalaza.
back to top
View Photo Gallery

Fehiny
January 27, 2009
Na dia zanaka ombiasa malaza aza i Neny dia tsy mba nanaraka ny
fomban-drainy. Efa tao aminy sahady ny antson’ny Tompo ho amin’izao asa
mahagaga izao. Ny mampiavaka an’i Neny dia ny fanomezana an-dalan-tsoratra
Masina ho an’ny olona rehetra izay manatona azy. Tsy manome fanazavana
izy amin’izany fa avelany fotsiny ny olona handinika ny hevitry ny teny.
Ny mpanoratra raha nihaona taminy dia notolorana ny Isaia toko faha-6,
tamin’izay fotoana izay. Ireny teny ireny dia mifanandrify tsara
amin’izay zavatra mampangetaheta ny olona manatona azy. Zava-dehibe
taminy ny anjara toeran’ny mpitandrina ka hoy izy hoe : «Ento amim-bavaka
aho fa be loatra ny feo miteny amiko ka mila tsy haiko intsony ny
manavaka azy ireny». Misy fotoana mampangina azy tanteraka ka tsy
mandray olona sady tsy miloa-bava koa. Noho ny asa mahagaga
nampanaovin’ny Tompo azy dia maro ireo olona midodododo manatona azy
isan’andro. Mahazatra ny olona ankehitriny ny miantso azy hoe :
MPAMINANIN’ANDRIAMANITRA. Ny fanokanana azy tamin’ny 1983
anefa no niteraka resa-be tamin’ny Fifohazana sasany. Nanjary somary
nangatsiatsiaka ny fifandraisana !
back to top
Toko I. Farihimena
Print
January 27, 2009
5.1. NY TOERANA
Efatra amby roapolo kilometatra avy ao Betafo no misy azy.
Avaratr’Antsirabe, faritany Antananarivo. Misy farihy hodidinin’ny
harefo ao ambany andrefan’ny Fiangonana ankehitriny ka miteraka taratra
mena ao amin’ny rano. Ny loko ananan’io farihy io no mahatonga ny
anarany hoe: Farihimena. Toerana be hatsiaka noho izy tsy lavitra
an’Ankaratra. Mamoro-potsy sy mandry ; tahaka ny fitaratra izy amin’ny
ati-ririnina (May –Aogositra)
5.1.1. NY MPONINA
Antsoina hoe: Vakinakaratra ny mponina ao Farihimena izany hoe: Merina.
Saika tantsaha avokoa ny mponina; mpamboly ovy izay foto-tsakafo any
rahateo ary mpiompy koa. Ny mponina dia somary sahirana ihany noho ny
toe-tany karankaina onenany.
5.1.2. NY TEOTR’ANDRO
Hafahafa ihany ny toetr’andro tamin’ny fotoana nipoiran’ny Fifohazana
Farihimena. Tamin’iny faritanin’Ankaratra iny dia nanjaka tao avokoa
izay mety ho faharatsiana rehetra: halatra, vonoan’olona, fanaovana
toaka gasy, fitiavan-tena, fitiavan-karena, fahalianam-boninahitra,
fidorohana zava-mahadomelina, fanompoan-tsampy, fijangajangana, tokan-trano
imaso, sns…. Niteraka fahavoazana eo amin’ny fiaraha-monina manontolo ny
vokatr’izany fahalovana izany.
Niha-nitombo koa ny hetaheta te-hahazo fahaleovantena ka betsaka ny
antoko Politika nipoitra tamin’izany fotoana izany. Nafana dia nafana
tokoa ny resaka ny amin’ny fitiavan-tanindrazana. Lazaina tamin’izany
fotoana izany fa MASINA NY RAZANA…MASINA NY TANINDRAZANA. Velona ny dina
tamin’ny fitiavan-tanindrazana. Natao ny velirano isan-karazany ho
amin’ny fiaraha-mitolona mba hahazoana ny fahaleovan-tena…Tamin’izay
anefa dia nampiasaina ny Litorjy Kristiana sy ny fiantsoana razana. Toy
izao ny fomba natao tamin’izany :
- Amin’ny anaran’Andrianampoinimerina…amin’ny anaran’Ilaidama…amin’ny
anaran-dRainandriamampandry …amin’ny anaran’Andriamanitra Ray sy ny
Zanaka ary ny Fanahy Masina sns…
Teo amin’ny Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo dia nafangaro poti-tany
nalaina avy tamin’ny fasana ny Divaim-Pandraisana sns… Tena
fifangaroharoan’ny Fivavahana Kristiana tamin’ny fanompoan-tsampy no
nitranga tamin’izany. Noho ny asa maro izay notanterahin’ny fanjakana ka
nampitondra fahoriana ny vahoaka dia loa-bolana ny maro nanao hoe : «Angamba
tsy mahay teny gasy intsony izao Andriamanitra izao». Maty ny aim-panahy
ka dia nalemy ny Fiangonana. Lasa atao diniky ny Mpandray ny Fanasan’ny
Tompo ao am-Piangonana ny raharaham-pamadihan-drazana. Ny fanaovam-bokatra
ao am-piangonana dia arahin-tehaka ho an’ny olona izay manao betsaka…
Izany aizina mameno ny faritra Ankaratra sy mandrakotra ny faritra maro
manerana an’i Madagasikara izany no tian’Andriamanitra hampiposahana ny
mazava ka namohazana an’i Dadatoa Rakotozandry Daniel mba hitondra
hafatra HAMPIBEBAKA NY OLONA REHETRA…
back to top
Toko II. Rakotozandry
Daniel
January 27, 2009
5.2. NY FIAINANY
Daniel Rakotozandry dia zanaka tantsaha avy ao Antanisarotra akaiky
an’Isoavina fivondronan’i Betafo. Teraka tamin’ny 16 Aogositra 1919, ary
farofy hatramin’ny fahazazany. Nanana aretin-dratsy kitoratorana izay
nitaiza azy izy. Nampijaly azy sy ny raiamandreniny ny fisehoan’izany
aretina izany. Tamin’ny faha-8 taonany dia efa nametrahan-tanana
nanaovana asa-fampaherezana izy. Tao aminy sahady ny faniriana te-hahita
maso an’i Jesoa tamin’izany fotoana izany.
Rehefa feno folo taona izy dia nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly
Fanabeazana Fototra an’i Misiona Norveziana tao Betafo. Noho ny aretina
nitaiza azy dia voatery nentina nody mba hotsaboina any an-tanànany izy.
Tamin’ny faha-12 taonany dia nentin-drainy tany amin’ny mpanao ody (mpimasy)
izay tsy nahitam-bokatra akory izy.
Indray andro dia torana naharitra fotoana ela izy ka efa nataon’ny
rehetra fa maty mihitsy. Efa vita mbamin’ny dinika ny fandevenana sy ny
fomba rehetra fanao amin’ny maty… Tamin’ny alàlan’izany torimasom-pahafatesana
maharitra izany no nisehoan’ny Tompo taminy. Hoy indrindra ny
fitantarany izany : «Indro hitako olona miakanjo fotsy lava, niforo teo
anilako niteny tamiko hoe: «Raha matoky Ahy ianao, dia hositraniko
amin’ny aretinao». Nanaiky ny teniny aho, ka dia taitra ary velona sady
afaka tamin’ny aretiko.
Niverina nianatra indray izy ka nahita fahombiazana hatrany mandra-panalany
ny fanadinana C.E.S.D. Ny tsy fahafahany fanadinana «1ère serie» hakana
ny mari-pahaizana C.E.S.D no niteraka famoizam-po taminy ka nahatonga
azy nikomy tamin’ny Tompo. Tonga nitsara an’Andriamanitra ka niteny hoe:
«Mizaha tavan’olona izao Andriamanitra izao… koa raha tiany marina aho …
nahoana no tsy nataony afa-panadinana… tsy handeha hivavaka intsony aho
manombok’izao…». Dia notanterahany ara-bakiteny tokoa ny teniny ka tsy
niraharaha Fiangonana intsony izy.
Niseho taminy tao anatin’ny torimaso indray ny Tompo ka nanontany azy
hoe: «Rakotozandry, inona izao ataonao izao ?» Taitra tampoka izy sady
niarina ka avy hatrany namely totohondry Ilay olona manao akanjo fotsy
lava niteny taminy. Indrisy anefa, ny farafara indray no voan’ny
totohondry nalefany ka nampanaintaina fatratra ny tanany. Taty aoriana
dia mbola niseho sy niresaka taminy ihany Ilay olona miakanjo fotsy lava
nefa tsy norarahiny akory ary nanaovany teny an’avona aza. Tsy nety
nangina tao anatiny ny fiantsoana azy ka nanaiky tsy sazoka izy
hampianatra tao amin’ny sekoly Misiona tao Tsaratanana na dia tsy
sitrany ny ho mpiasam-piangonana. Nandray andraikitra tamin’ny
fampianarana Sekoly Alahady izy ary notendrena ho Katekista ihany koa…
Manana fanomezam-pahasoavana mamantatra ny zava-miafina ao am-pon’ny
olona izy ka nanjary fitaovana nampandroso ny asa maha-Katekista azy
izany. Mora taminy ny mandresy lahatra ny olona hanolo-tena ho
an’Andriamanitra.
5.2.1 RAKOTOZANDRY NIANATRA PASTORA
Tafiditra hianatra Mpitandrina tao Ivory Fianarantsoa izy tamin’ny 1942.
Nisosa soamantsara ny fianarany ka tsy dia nisy zavatra nanahirana azy
akory tamin’ny fianarana. Tamin’ny famaranana ny taona faha–3 dia
narary mafy indray izy ka voatery naiditra hopitaly mihitsy. Nandritra
ny 40 andro izy no notsaboina tao amin’ny Hopitaly. Na dia niaritra
fangirifiriana mafy aza izy nandritra izany fotoana izany dia finaritra
kosa noho ny herin’ny Tompo miasa ao anatiny. Tsaroany tamin’izany ny
Tompo nalain’ny Devoly fanahy tany an’efitra 40 andro sy 40 alina
mialohan’ny hirotsahany amin’ny asam-pamonjena an’izao tontolo izao.
Raha nitantara ny aretina nahazo azy izy dia izao no nolazainy : «Misy
rivotra mifofofofo mibosesika niditra eo amin’ny vavoroko ka sempotra
tahaka ny olona nasitrika tao anaty rano aho. Rehefa lasa iny, dia nisy
indray zavatra ngezabe sahala amin’ny tendrombohitra maintibe aseho ahy,
ary ao anatin’io dia misy feo miteny hoe: «Ity ny fahotanao Rakotozandry;
mbola manantena ho voavonjy ihany ve ianao amin’izao? Very ianao ka tsy
azo vonjena intsony fa tsy maintsy lasa any amin’ny afobe ianao».
«Tsy indray mandeha no nisehoan’izao tamiko hoy izy, fa matetika tokoa.
Saika nandaitra tamiko ihany ireo zavatra nolazaina ahy ireo ka
nahatonga fahaverezan-kevitra ho ahy izany. Ny fianarako no tena
nahalasa fisainana ahy satria efa lasa lavitra ny programa nataon’ireo
miray kilasy amiko».
Fahagagana mahazendana ny nahavitan’ny fianarany. Nivoaka soamantsara
izy ny 25 Janoary 1946 ary notendrena ho Pastora any Farihimena.
5.2.2. RAKOTOZANDRY Pastora.
Ny Alahady 25 Mey 1946 dia natolotra ho Pastora hitondra an’i Farihimena
izy. Somary nahakivy ny mpiangona ny fahitàna azy kaozatra mahia sady
keliray koa. Noho ny herim-panahy tao aminy dia resy lahatra avokoa ny
olona rehetra nihaino azy. Ny famangiana rehetra izay nataony dia
nahazoana olona nibebaka avokoa. Ny olona sasany tao an-tanàna kosa dia
nioko hamono azy noho ny toriteny nataon-dRakotozandry izay niantefa
tamin’izy ireo. Noraisin’ireo olona ireo ho manalabaraka azy
Rakotozandry. Na dia teo aza izany teti-dratsy rehetra izany dia tsy
nampaninona azy velively.
Indray andro dia nitomany nigogogogo tao an’efitrano izy. Taitra ny
manodidina nony nandre izany ka lasa nanatona nanontany azy. Dia hoy
Rakotozandry hoe: «Maty…Maty ny havako…» sady mbola misento izy niteny
izany. Dia namangy azy tamin’ny fahoriana ny olona tonga teo sady mbola
namotopototra ihany. Dia hoy ny navaliny: «Ianareo no havako ary ianareo
koa izao itomaniako andatsahako ranomaso izao… Maty izao ianareo
miresaka amiko izao… Ny olona tsy manana an’i Jesoa… ny olona tafasaraka
amin’Andriamanitra…ny olona tsy mety mibebaka… izany no olona maty…nefa
matokia fa irahin’i Jesoa hanangana anareo amin’ny maty aho». Nony
nandre izany ny olona dia nibebaka tamin’ny ranomaso. Indray andro dia
talanjona ny olona manao raharaha tao an-tranony maheno azy mihira
miaraka amin’ny anjely. Izy irery anefa no ao am-pandriana kanefa ny feo
dia olona roa. Hira tsy tahaka ny fihiran’ny olona azy andavanandro fa
kanto dia kanto noho ny feon’anjely miaraka aminy. Ny hira faha-372 no
nataon’izy ireo tamin’izany.
Noho ny tsy fahasalamany dia matetika no tsy tonga niangona tao am-piangonana
izy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tonga namangy azy ny mpiangona
taorian’ny firavan’ny Fiangonana. Dia hoy izy tamin’ireto olona tonga
tao an-tranony: «Ny Tompo efa nilaza tamiko teto fa ny devoly no
nitoriteny androany». Dia nipotsipotsiriny avokoa ny toetran’izy rehetra
tonga teo. Taitra sy nihanahana izy ireo ka rifatra nandositra ny
ankamaroany. Ny sasany nijanona ihany….ireo izay nandositra dia
nahatsiaro tena ka niverina tsikelikely ihany. Noraisin’i Pastora
Rakotozandry ny Filazantsara ka nampianatra azy izy. Dia samy nibebaka
ny olona, eny, na dia izay mafy fo indrindra aza. Hatramin’izay dia maro
be ny olona tonga tsy tapaka nibebaka sady nanatitra izay zavatra
noheveriny fa namitaka ny fony sy namonoany ny fanahiny: ny ody sy ny
sampy isan-karazany… ny firavaka volamena izay nitarika tamin’ny
fijejojejoana.. ny tongobolo nandaingana tamin’ny nihinanam-paraky ….ny
damizana izay fanaovana toaka gasy nanapoizina ny fiainan’ny olona maro
sns…. Ny 26 Aogositra no nitrangan’izany fibebahan’ny olona marobe izany
ka lasa daty malaza tsarovana isan-taona izany….
5.2.3. NY FIAINAM-PANAHY NANANAN’I DADATOA RAKOTOZANDRY Daniel
A) – ADY TAMIN’NY OMBIASA
Narary mafy ny zanaka anabaviny tamin’izany fotoana izany. Rehefa tonga
hamangy azy anefa izy dia tsy tratrany tao an-trano intsony fa efa lasa
nentina ho tsaboina any amin’ny ombiasa…Noteneniny mafy ny
raiamandreniny noho izao finoanoam-poana izao sady noraisiny teo
anatrehan’ilay ombiasa ny zaza marary ka nobabeny. Teny an-dalana dia
nivavaka sady nitomany Rakotozandry noho ny zaza nentina tany amin’ny
ombiasa. Nony tonga tany an-trano anefa dia maty ny zaza. Tsy
voamarik’izy ireo akory ny fanjohin’ilay ombiasa azy ireo avy ato
aoriana. Mbola nanome toky azy ireo ilay ombiasa ka niteny hoe: «Tsy
maty io fa raha maty dia haleviko eto an-tampon-kandriko». Nanao izay
azony natao tokoa ilay ombiasa kanjo niala maina tsy nahavita na inona
na inona intsony…. Nanandratra vavaka mafy dia mafy Rakotozandry mba ho
ren’ilay ombiasa: «Andriamanitra ô aza omena ny hafa ny voninahitrao fa
asehoy eto mba hampiaiky ity Jentlisa ity. Amena». Lasa rifatra
nandositra ilay ombiasa tsy nahandry akory ny fiafaran’ny vavaka. Ilay
zazakely kosa dia velona ka niarina ary niteny hoe: DADATOA, DADATOA,
tamin’i Rakotozandry Daniel…. Hatramin’io fotoana nitsanganan’ilay
zazakely tamin’ny maty io dia lasa anarana raikitra fiantsoan’olona azy
ny DADATOA.
B) – NY VAVAKA
Voalazan’ireo vavolombelona nanatri-maso fa nahatratra eninjato (600) ny
tonom-bavaka vitan’i Dadatoa isan’andro. Tsy misy fotoana tsy ahitàna
azy mivavaka. Saika isan’andro izy no mitokana mandohalika mivavaka ao
an-tapon’i Farihimena. Ao amin’ny tendrombohitra tokony ho 4 kilometatra
avy ao an-tanàna. Eo an-tampon’io tendrombohitra io dia misy lemaka
antsoina hoe : an-tany malalaka; ka ary amin’ny sisiny atsinanana dia
misy ilay toerana fitokanan’i Dadatoa atao hoe: Getsemane. Tao amin’ity
toerana ity no mahavatra mivavaka ora maromaro izy. Isaky ny mivavaka
izy dia latsa-dranomaso hatrany. Rehefa mitari-bavaka ao am-piangonana
izy dia miara-migogogogo tsy ifandrenesana ny olona rehetra manatrika eo.
D)- FAMPIBEBAHANA
«Ny hira rehetra hirainareo dia diniho tsara ny tonon-kira… Aza variana
mijery fihirana fotsiny fa eritrereto lalina izay voalaza… Raha izao no
mitohy dia ho maro no ho tonga any amin’ny helo….mifonà…mibebaha…ataovy
izay hataonareo ahy, fa tsy maintsy mampiala anareo amin’ny fahotanareo
aho… lelafiko ny faladianareo mialà amin’ny fahotanareo ianareo…. Ny
Fifohazana dia fialàna amin’ny torimaso ka manatona sy mandray ny mazava».
E) – NY FAMPIANARANY
Ny famakiana ny Baiboly no maminy sy tiany indrindra hatramin’ny
fahazazany. Ny fampianarana rehetra izay nataony dia miorina amin’ny
alàlan’ny Soratra Masina. Hoy indrindra izy: «Ry zanaky ny
Filazantsara… hatony ny Pastoranareo ka mianara Soratra Masina aminy.
Takio aminy ny hanokanany fotoana mba hampianatra anareo…. Tsy misy
nampahiratra anareo afa-tsy ny Soratra Masina ihany. Ny Soratra Masina
no hanitsy ny dianareo mba tsy hivilivily ary izy irery ihany no
hahazoanareo hery ho enti-mandresy amin’ny zavatra rehetra… Raha tsy ny
Soratra Masina no mamoha ny olona dia mifohafoha foana izy».
5.2.4. IREO ZAVATRA MITERAKA ADY HEVITRA AMIN’NY FIFOHAZANA
ANAOVAN’I DADATOA TENY MANOKANA
1) FAMOAHANA DEMONIA
Rehefa mandre sy mandray ny tenin’Andriamanitra ny olona dia mora avokoa
ny mamoaka demonia. Samy mahavoaka ny demoniany avokoa ny olona rehetra
rehefa mino ny Filazantsara. Kanefa tsy maintsy mianatra sy miomana ary
voatokana marina vao mahazo mametra-tanana.
2) FANOAVANA
Tena ara-Pilazantsara ny fanoavana ny mpitondra na ara-panahy na
ara-nofo. Ny olona mifoha hoy izy dia mpanara-dalàna.
3) NY FANAFODY
Raha inoanao fa hahasitrana anao ny fanafodin’ny dokotera hoy izy, dia
sotroy araka izay, ary inoy fa na dia ao aza ny fahaizan’ny dokotera dia
ao koa ny hevitr’Andriamanitra. Ny tenako hoy izy dia mba notsaboin’ny
dokotera koa (Aogositra – Oktobra 1945) tao amin’ny hopitaly Antsirabe.
4) NY SAKAFO SY FITAFIANA
Ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinana na fisotroana (Roma
14/17). Tsy ny tarehim-pitafiana no maha-Kristianina nefa tokony ho
maotina ny fitafiana.
5) FAMPIHAVANANA.
«Tsy ampy ny fibebahana raha tsy hihavana sy hifamela heloka amin’ny
namana».
6) NY FAHITANA SY NY NOFY
«Aza maniry ny hahita fahitàna sy hanonofy fa betsaka ny voafitaka
amin’izy ireny. Tsara ny mifikitra amin’ny tenin’Andriamanitra irery
ihany.»
5.2.5. NY FIAFARAN’I DADATOA RAKOTOZANDRY DANIEL
Tonga tao Farihimena nanao ny asa Pastoraly tamin’ny volana Mey 1946 izy.
«Fantatro fa ny Filazantsara nampianarin’ny mpampianatro rehetra ahy no
naha-toy izao ahy. Ary tsy Jesoa Kristy lavitra no nikarakara ahy fa
Jesoa Kristy nampiasa ny fitiavany ahy tamin’izay rehetra nalehako. Tsy
tia Azy aho, kanefa tia ahy Izy, ka resin’ny fitiavany aho. Ta-handao
Azy aho kanjo tsy mba nandao ahy Izy. Namono Azy aho, nefa Izy nivavaka
ho ahy ka tonga zanak’Andriamanitra aho. Fantatro izany ka tsy hiady
Aminy intsony aho, fa hianatra Aminy kosa. Ho toy izany anie ny Malagasy
namako rehetra hoy izy.
Nitokana nivavaka tao an-tany malalaka ao an-tampon’ny Farihimena izy.
Niseho taminy tao ny Tompo ka niteny hoe: «Rakotozandry malala !
miandry anao any am-piangonana ny olona… ka mankanesa any…» Dia
namaly Dadatoa ka nanao hoe: «Inona no tianao ho lazaina amiko
amin’izany Tompo ô fa vonona ny hanao ny sitraponao aho». Dia hoy indray
Jesoa taminy: «Miandry anao ny olona fa mahay mitoriteny ianao… mahay
manasitrana ianao… mahavita fahagagana ianao… te-hahita anao ny olona …
Takona ny voninahitro fa tsy Izaho intsony no tadiavin’ny olona fa ianao…
Aza malahelo Rakotozandry malala ô! hianao no hiaraka amiko, hiaraka
isika roalahy izao ary ny asa tsy vitanao aty hataoko»
Rehefa tonga tao am-piangonana izy dia nananatra ireto vahoaka marobe
niandry azy ary nandidy azy ireo mba hibebaka ka hitodika amin’ny Tompo.
Tamin’ny faha-9 volana Novambra 1947 dia tsy afaka nampandray intsony
Dadatoa Rakotozandry. Hoy izy hoe: «Telo andro sisa dia ho faty aho,
kanefa mbola betsaka ny trosa mbola tsy voaefako. Teo anilany
tamin’izany fotoana izany i Neny Ravelonjanahary niresaka taminy.
Nanontany azy i Neny hoe: «Inona no nolazain’i Jesoa anao?» Dia namaly
am-pitsikitsikiana izy hoe: «Andao…andao…avia aty hiala sasatra».
Ary ny faha-13 ny volana Novambra dia afaka tamin’ny fahasambarana feno
ny ainy.
back to top
Fehiny
January 27, 2009
Dadatoa Rakotozandry Daniel Pastora dia zatovolahy nafana fo tamin’ny
fitoriana ny Filazantsara ho fampibebahana ny olona. Ny masony dia
miantefa amin’ny olona tsirairay mihaino azy teo am-pitorianteny ka
nahatonga ny olona ho voatsindrona mandrakariva tao am-pony ary nibebaka.
Ny fahoriana mafy nianjady taminy no nananany herim-panahy mahagaga izay
nahavitany ny asa mampitolagaga notanterahin’ny Tompo tamin’ny alàlany.
Tao anatin’ny aretina mafy indrindra no nahatsapany fa tena akaiky azy
tokoa ny Tompo. Naminany ny amin’ny ho avin’ny Fiangonana sy ny
Fifohazana izay efa tanteraka avokoa izy.
back to top
|